Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahazo Hery Handresena Fakam-panahy sy Hakiviana Isika

Mahazo Hery Handresena Fakam-panahy sy Hakiviana Isika

Mahazo Hery Handresena Fakam-panahy sy Hakiviana Isika

“Hahazo hery ... ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina.”—ASA. 1:8.

1, 2. Inona no fanampiana nampanantenain’i Jesosy ny mpianany, ary nahoana izy ireo no mila izany?

FANTATR’I Jesosy fa tsy hahavita hitandrina izay rehetra nandidiany azy ny mpianany, raha amin’ny herin’izy ireo fotsiny. Nila hery matanjaka kokoa noho ny an’ny olombelona izy ireo, satria lehibe ny asa fitoriana niandry azy ireo, mahery ny mpanohitra, ary marefo ny olombelona. Nanome toky ny mpianany àry i Jesosy, talohan’ny niakarany tany an-danitra. Hoy izy: “Hahazo hery ... ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.”—Asa. 1:8.

2 Tanteraka nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 io fampanantenana io. Nahazo hery avy tamin’ny fanahy masina ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, ka vitan’izy ireo ny nitory nanerana an’i Jerosalema. Tsy nisy mpanohitra nahasakana izany. (Asa. 4:20) Mpanara-dia an’i Jesosy tsy mivadika isika, ka tena mila an’io hery avy amin’Andriamanitra io koa “mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”—Mat. 28:20.

3. Manampy antsika hanao inona ny hery avy amin’i Jehovah?

3 Nampanantena ny mpianany i Jesosy fa ‘hahazo hery izy ireo rehefa tonga amin’izy ireo ny fanahy masina.’ Hita amin’izany fa manatanjaka ny mpanompony amin’ny alalan’ny fanahy masina i Jehovah. Manome hery antsika izy io, mba hahafahantsika hanefa ny voady nataontsika rehefa nanokan-tena ho an’Andriamanitra isika. Manampy antsika hanohitra ny fitaoman-dratsy koa izy io.—Vakio ny Mika 3:8; Kolosianina 1:29.

4. Inona no hodinihintsika, ary nahoana?

4 Inona avy no fanampiana azontsika avy amin’ny fanahy masina? Ahoana no fiasan’izy io? Maro ny zava-tsarotra atrehintsika noho isika tsy te hivadika amin’Andriamanitra. Avy amin’i Satana izy ireny, na avy amin’ny tontolony, na avy amin’ny tenantsika tsy lavorary. Mila mandresy an’ireny zava-tsarotra ireny isika, raha tiantsika ny hitondra tena toy ny Kristianina foana sy hanompo tsy tapaka ary hifandray tsara hatrany amin’i Jehovah. Andeha hodinihintsika hoe ahoana no hanampian’ny fanahy masina antsika, mba tsy ho resin’ny fakam-panahy sy ny hakiviana ary ny harerahana.

Hery handresena fakam-panahy

5. Ahazoana hery hanaovana inona ny vavaka?

5 Nampianatra antsika hivavaka toy izao i Jesosy: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ilay ratsy.” (Mat. 6:13) Tsy hafoin’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika, izay mitalaho aminy toy izany. Hoy i Jesosy momba ny Rainy: “Hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy tokoa izy!” (Lioka 11:13) Tena mampahery ny mahalala fa mampanantena ny hanome antsika ny fanahiny i Jehovah. Manome hery lehibe antsika izy io, mba hanaovantsika ny tsara! Tsy midika anefa izany hoe harovan’i Jehovah tsy ho tratran’ny fakam-panahy isika. (1 Kor. 10:13) Ilaintsika kosa ny mivavaka mafimafy kokoa, rehefa tojo fakam-panahy.—Mat. 26:42.

6. Inona no nataon’i Jesosy mba hanoherana fakam-panahy?

6 Nampiasa andinin-teny i Jesosy, mba hanoherana ny fakam-panahy nataon’ny Devoly. Hita fa nahalala tsara ny Tenin’Andriamanitra izy, matoa namerimberina hoe: “Voasoratra hoe...” Hoy koa izy: “Mandehana ianao, ry Satana, fa voasoratra hoe: ‘I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.’ ” Tia an’i Jehovah sy ny Teniny i Jesosy, ka nahatohitra an’ireo fakam-panahy nataon’ilay Mpaka Fanahy. (Mat. 4:1-10) Nanohitra an’ireo fakam-panahy foana i Jesosy, ka nandao azy i Satana.

7. Ahoana no hanampian’ny Baiboly antsika hanohitra fakam-panahy?

7 Na i Jesosy aza niantehitra tamin’ny Soratra Masina mba hanoherana fakam-panahy, koa mainka fa isika? Mila tapa-kevitra ny hahafantatra ny fitsipik’Andriamanitra sy hanaraka tsara an’izany isika, raha te hahatohitra ny Devoly sy ny tetika ampiasainy. Nanjary nankatò ny fitsipiky ny Baiboly ny olona maro, rehefa nianatra azy io ka nahatakatra sy nankasitraka ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahamarinany. Manan-kery tokoa “ny tenin’Andriamanitra”, ka mahavita mamantatra “ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.” (Heb. 4:12) Hitombo ny ‘fahalalantsika ny fahamarinan’i Jehovah’, arakaraka ny hamakiantsika ny Soratra Masina sy hisaintsainantsika azy io. (Dan. 9:13) Ilaintsika koa àry ny misaintsaina an’ireo andinin-teny mahakasika ny fahalementsika.

8. Ahoana no hahazoantsika ny fanahy masina?

8 Tsy hoe noho i Jesosy nahalala ny Soratra Masina fotsiny no nahafahany nanohitra fakam-panahy. “Feno fanahy masina” koa izy. (Lioka 4:1) Ahoana no hahazoantsika hery toa azy, mba hanoherana fakam-panahy? Mila manatona akaiky an’i Jehovah isika, ka manao izay hahazoana ny fanahy masina. (Jak. 4:7, 8) Anisan’ny fomba ahazoana azy io ny fianarana Baiboly, ny vavaka, ary ny fifaneraserana amin’ny mpiray finoana. Maro koa no mahatsapa fa tena tsara ny miezaka ho be atao foana amin’ny asa kristianina. Manampy antsika hifantoka amin’ny hevitra mampahery izany.

9, 10. a) Inona no fakam-panahy mpahazo ny Kristianina eo amin’ny faritra misy anao? b) Inona no tokony hosaintsaininao rehefa vizana ianao, mba hanananao hery hanoherana fakam-panahy? Nahoana koa ianao no tokony hivavaka?

9 Inona avy ny fakam-panahy mahazo anao? Efa nisy fotoana ve ianao te hanadaladala olona tsy vadinao na te hijejojejo aminy? Ary raha tsy manambady ianao, efa nisy fotoana ve ianao te hifankatia tamin’ny olona tsy Vavolombelona? Mety ho tojo fakam-panahy hijery zavatra maloto koa ny Kristianina, rehefa mijery tele na Internet. Efa nitranga taminao ve izany? Ahoana no nataonao? Fahendrena ny misaintsaina fa mety hitarika ho amin’ny fahadisoana hafa ny fahadisoana iray, ary hiafara amin’ny fahotana lehibe. (Jak. 1:14, 15) Saintsaino ny alahelo haterak’izany amin’i Jehovah sy ny fiangonana ary ny fianakavianao. Hadio foana kosa ny feon’ny fieritreretanao, raha manaraka foana ny fitsipik’Andriamanitra ianao. (Vakio ny Salamo 119:37; Ohabolana 22:3.) Rehefa iharan’ny fitsapana toy ireny ianao, dia aoka ho tapa-kevitra hivavaka mba hahazoana hery hanoherana azy ireny.

10 Tadidio koa fa tamin’i Jesosy avy nifady hanina 40 andro tany an-tany efitra no nanatona azy i Satana. Azo antoka fa nihevitra ny Devoly hoe ‘fotoana nety’ hitsapana an’i Jesosy tamin’izay. (Lioka 4:13) Mijery ny fotoana mety hitsapana antsika koa i Satana. Tena mila miezaka hanana finoana matanjaka foana àry isika. Mazàna i Satana no manafika amin’ny fotoana mampahalemy antsika indrindra. Inona àry no tokony hataontsika rehefa mahatsiaro ho vizana na kivy isika? Vao mainka isika tokony ho tapa-kevitra ny hitalaho amin’i Jehovah mba hahazo ny fiarovany sy ny fanahiny masina.—2 Kor. 12:8-10.

Hery handresena hakiviana sy harerahana

11, 12. a) Nahoana no maro no kivy ankehitriny? b) Inona no manome hery antsika handresena ny hakiviana?

11 Tsy lavorary isika, ka mahatsiaro ho kivy indraindray. Tena mitranga izany ankehitriny, satria maro ny olana mampiady saina. Mbola tsy nisy fotoan-tsarotra toy izao angamba hatramin’izay nisian’ny olombelona. (2 Tim. 3:1-5) Mitombo hatrany ny olana ara-bola sy ny adin-tsaina ary ny olana hafa, arakaraka ny hanatonan’ny Hara-magedona. Tsy mahagaga àry raha mihasahirana ny olona eo amin’ny fikarakarana sy famelomana ny ankohonany. Mahatsiaro ho vizana, sasatra, na trotraka tanteraka mihitsy izy ireo. Izany koa ve no mahazo anao? Ahoana no azonao iatrehana izany?

12 Tadidio fa nanome toky ny mpianany i Jesosy hoe hanome mpanampy azy ireo, dia ny fanahy masina. (Vakio ny Jaona 14:16, 17.) Io no hery matanjaka indrindra eo amin’izao rehetra izao. Afaka manome hery “mihoatra lavitra” noho izay ilaintsika i Jehovah, amin’ny alalan’io fanahiny io, ka hahavita hiaritra izay fitsapana rehetra mitranga isika. (Efes. 3:20) Nilaza ny apostoly Paoly fa hahazo “hery fanampiny” isika, raha miantehitra amin’izy io, na dia “voageja amin’ny lafiny rehetra” aza. (2 Kor. 4:7, 8) Tsy mampanantena i Jehovah hoe hanala ny olana mahazo antsika. Manome toky kosa izy fa hanome antsika ny fanahiny mba hananantsika hery hiatrehana izany.—Fil. 4:13.

13. a) Ahoana no nahazoan’ny tanora iray hery hiatrehana zava-tsarotra? b) Mahafantatra olona miatrika toe-javatra mitovitovy amin’izany ve ianao?

13 Diniho ny zavatra niainan’i Stephanie, ankizivavy 19 taona, izay mpisava lalana maharitra. Tapaka lalan-dra izy tamin’izy 12 taona, ary voan’ny kanseran’ny atidoha. Nodidiana indroa izy taorian’izay, notsaboina tamin’ny alalan’ny taratra, ary mbola tapaka lalan-dra indroa indray. Nanjary nalemy ny ilany havia sady tsy nahita tsara izy. Tsy maintsy mitsitsy ny heriny àry i Stephanie, ka izay zavatra heveriny ho tena lehibe ihany no ampiasany izany, toy ny fivoriana sy ny fanompoana. Tsapany anefa fa manampy azy hiaritra zavatra maro ny fanahin’i Jehovah. Mampahery azy ny tantaram-piainan’ny Kristianina hafa ao amin’ny boky sy gazetintsika, rehefa kivy izy. Manohana azy koa ireo rahalahy sy anabavy, ka mandefa taratasy ho azy. Misy koa mampahery azy, aloha sy aorian’ny fivoriana. Mankasitraka ny zavatra ampianarin’i Stephanie ireo olona ampianariny Baiboly, ka mankany an-tranony rehefa hianatra. Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah i Stephanie, noho izany rehetra izany. Ny Salamo 41:3 no andinin-teny tena tiany, satria mino izy fa tanteraka aminy izy io.

14. Inona no tsy tokony hatao mihitsy rehefa vizana na be atao loatra, ary nahoana?

14 Raha vizana ianao na be atao loatra, dia aza mieritreritra hoe ho maivamaivana raha mampihena ny asa kristianina. Izany no tena tsy tokony hatao. Nahoana? Mahazo ny fanahy masina isika, rehefa mivory, mianatra samirery, manao fianaram-pianakaviana, ary manompo eny amin’ny saha. Manome hery vao antsika ny fanahy masina. Mamelombelona foana koa ny asa kristianina. (Vakio ny Matio 11:28, 29.) Matetika ireo rahalahy sy anabavy no tena reraka rehefa tonga any am-pivoriana, nefa mahazo hery vao indray rehefa mody!

15. a) Mampanantena ve i Jehovah fa handeha ho azy ny fanarahana ny dian’i Kristy? Hazavao amin’ny alalan’ny Baiboly. b) Inona no ampanantenain’Andriamanitra antsika, ary inona no fanontaniana aterak’izany?

15 Tsy mandeha ho azy anefa ny fanarahana ny dian’i Kristy. Mila miezaka isika, raha te ho Kristianina tsy mivadika. (Mat. 16:24-26; Lioka 13:24) Na izany aza, dia omen’i Jehovah hery amin’ny alalan’ny fanahy masina ny reraka. Hoy i Isaia mpaminany: “Izay manantena an’i Jehovah ... hahazo hery indray. Hanidina izy ireo, toy ny hoe manana ela-boromahery. Hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra, ary handeha izy nefa tsy ho reraka.” (Isaia 40:29-31) Raha izany no izy, inona àry no mety hahatonga antsika hahatsapa fa mandreraka ny asa kristianina?

16. Inona no azontsika atao mba hisorohana ny harerahana sy ny hakiviana?

16 Mampirisika antsika ‘hamantatra tsara izay zava-dehibe kokoa’ ny Tenin’i Jehovah. (Fil. 1:10) Noharin’ny apostoly Paoly tamin’ny hazakazaka lavitra ezaka ny fiainana kristianina, ka izao no toroheviny: ‘Aoka koa isika hanaisotra izay rehetra manavesatra antsika, ary aoka isika hihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka eo anoloantsika.’ (Heb. 12:1) Te hilaza i Paoly fa tsy maintsy ajanontsika ny zavatra tsy tena ilaina sy manavesatra, izay mandreraka antsika. Miezaka manenjika zavatra be loatra angamba ny sasany amintsika. Raha mahatsiaro ho reraka na be atao loatra àry isika matetika, dia mety ho tsara ny mandinika hoe: Manao ahoana ny habetsahan’ny hery laniko amin’ny asa fivelomana? Mandeha vakansy matetika loatra ve aho? Be loatra ve ny fotoana sy ny hery laniko amin’ny fanatanjahan-tena na fialam-boly hafa? Tokony hahay handanjalanja sy hanetry tena isika, ka hanaiky fa voafetra ihany ny zavatra mety ho vitantsika. Ahenao ho kely araka izay azo atao àry ny zavatra tsy tena ilaina.

17. Nahoana no kivy ny Kristianina sasany, nefa inona no toky omen’i Jehovah?

17 Mety ho kivy koa ny sasany amintsika, satria tsy tonga haingana araka ny nantenainy ny faran’ity tontolo ity. (Ohab. 13:12) Mampahery an’izay mahatsapa toy izany ny Habakoka 2:3, manao hoe: “Mbola ho amin’ny fotoana voatondro vao ho tanteraka ilay fahitana, sady mihazakazaka mafy ho amin’ny farany ka tsy handainga. Ary na dia ela fiavy aza izany, dia andraso ihany, fa tsy maintsy ho tanteraka. Tsy ho tara izany.” Manome toky antsika i Jehovah fa ho tonga tsara amin’ny fotoana voatondrony ny faran’ity tontolo ity!

18. a) Inona no fampanantenana mampahery anao? b) Nahoana no hahasoa antsika ny lahatsoratra manaraka?

18 Tsy hisy intsony ny havizanana sy ny hakiviana amin’ny hoavy, ary hatanjaka toy ny tanora ny rehetra. (Joba 33:25) Azo antoka fa miandrandra an’izany ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika rehetra. Na ankehitriny aza anefa, dia afaka ny ‘hihamatanjaka’ izany hoe hihatsara ny toetra maha izy antsika. Miasa amintsika mantsy ny fanahy masina rehefa mandray anjara amin’ireo asa kristianina mamelombelona isika. (2 Kor. 4:16; Efes. 3:16) Aza avela hanakana anao tsy hahazo an’ireo fitahiana mandrakizay àry ny havizanana sy ny hakiviana. Tsy maintsy mbola ho afaka ny fitsapana rehetra, anisan’izany ny fakam-panahy sy ny havizanana ary ny hakiviana. Raha tsy mitranga ankehitriny izany, dia ao amin’ny tontolo vaovao ampanantenain’Andriamanitra. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa manome hery hiatrehana zavatra hafa koa ny fanahy masina. Anisan’izany ny fanenjehana sy ny fitaoman-dratsy ary ny zava-tsarotra hafa.

[Ahoana no Havalinao?]

• Nahoana no manome hery antsika ny famakiana Baiboly?

• Nahoana no manome hery antsika ny vavaka sy ny fisaintsainana?

• Inona no azonao atao mba hisorohana ny hakiviana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 24]

Mamelombelona antsika ireo fivoriana