Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifantoha Amin’ireo Zavatra efa Nataon’i Jehovah ho Anao

Mifantoha Amin’ireo Zavatra efa Nataon’i Jehovah ho Anao

Mifantoha Amin’ireo Zavatra efa Nataon’i Jehovah ho Anao

TSY ela taorian’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty, dia nisy mpianany roa teny an-dalana ho any Emaosy. Avy tany Jerosalema izy ireo. “Raha mbola niresaka sy nifanakalo hevitra izy ireo, dia nanatona i Jesosy ka niara-dalana taminy. Nahita azy izy roa lahy nefa tsy nahafantatra azy.” Hoy i Jesosy: “ ‘Inona izany iadianareo hevitra etỳ an-dalana izany?’ Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.” Nahoana izy ireo no nalahelo? Satria nihevitra ireo mpianatra fa hanafaka ny Israely tsy ho eo ambany fahefan’ny hafa firenena i Jesosy. Tsy nitranga anefa izany, fa i Jesosy indray aza no novonoina ho faty.—Lioka 24:15-21; Asa. 1:6.

Nampisaintsaina azy roa lahy i Jesosy. “Nohazavainy tsara tamin’ireo ny hevitry ny teny momba azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra, nanomboka hatrany amin’i Mosesy sy ny Mpaminany rehetra.” Maro tokoa ny zava-nitranga niavaka sy nanatanjaka finoana, nandritra ny fanompoan’i Jesosy! Nanjary faly izy roa lahy fa tsy nalahelo intsony, rehefa nihaino ny fanazavan’i Jesosy. Nifampiresaka izy ireo ny harivan’io hoe: “Tsy toy ny nisy afo niredareda ve tao am-pontsika tamin’izy niresaka tamintsika teny an-dalana, ka nanazava tsara ny Soratra Masina tamintsika?” (Lioka 24:27, 32) Inona no ianarantsika avy amin’izany?

Inona no vokany rehefa tsy tanteraka ny zavatra antenaintsika?

Nahoana ireo mpianatra roa lahy no nalahelo? Tsy nitranga ny zavatra nantenain’izy ireo. Nihatra tamin’izy ireo ny Ohabolana 13:12 hoe: “Marary ny fo raha mihemotra foana ny fahatanterahan’ny zavatra antenaina.” Mitranga amin’ny mpanompon’i Jehovah sasany efa nanompo am-polony taona, koa izany. Nanantena izy ireo hoe tokony ho efa nitranga sy efa vita ny “fahoriana lehibe” amin’izao andro izao. (Mat. 24:21; Apok. 7:14) Ara-dalàna raha malahelo isika hoe mbola tsy tanteraka toy izany ny zavatra antenaintsika.

Tadidio anefa fa nanjary faly indray ireo mpianatr’i Jesosy, rehefa nampiany hifantoka tamin’ireo faminaniana efa tanteraka, anisan’izany ireo faminaniana tanteraka tamin’ny andron’izy ireo. Ho faly hatrany sy handresy ny fahadisoam-panantenana koa isika, raha manao toy izany. Hoy i Michael, anti-panahy hatry ny ela: “Aza mifantoka amin’ireo zavatra mbola tsy notanterahin’i Jehovah. Mifantoha kosa amin’ireo zavatra efa nataony.” Tena tsara izany torohevitra izany!

Inona no efa nataon’i Jehovah?

Diniho ireo zavatra miavaka efa nataon’i Jehovah. Hoy i Jesosy: “Izay maneho finoana ahy, dia hanao ny asa ataoko koa. Ary hanao asa lehibe noho izany aza izy.” (Jaona 14:12) Mbola tsy nahavita asa lehibe toy izao mihitsy ny Kristianina hatramin’izay! Olona fito tapitrisa mahery no miandrandra ny ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe. Alao sary an-tsaina ange e! Mbola tsy betsaka toy ny amin’izao andro izao ny mpanompon’i Jehovah marisika, any amin’ny tany maro maneran-tany! Manampy ny mpanompony tokoa i Jehovah, ka tanteraka ny tenin’i Jesosy hoe hahavita ‘asa lehibe noho ny nataony’ ny mpanara-dia azy.

Inona koa no efa nataon’i Jehovah ho antsika? Nanampy an’ireo olona tso-po izy mba hiala amin’ity tontolo ratsy ity, ka hiditra ao amin’ny paradisa ara-panahy noforoniny. (2 Kor. 12:1-4) Saintsaino ireo lafiny mampiavaka an’io paradisa io, izay efa andraisantsika soa sahady. Jereo, ohatra, ny boky maro be eo amin’ny talantalam-bokinao na ny talantalam-boky ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Avadibadiho koa ny pejin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na sokafy amin’ny ordinatera ny Watchtower Library amin’ny CD-ROM. Henoy koa ireo tantara ara-baiboly noraisim-peo. Alao sary an-tsaina ny zava-nitranga tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra vao haingana. Ary eritrereto ny fifaneraserana mampahery miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavy. Tena malala-tanana i Jehovah, matoa manome antsika sakafo ara-panahy tondraka sy rahalahy sy anabavy be fitiavana toy izany. Ao anatin’ny paradisa ara-panahy tokoa isika!

Hoy i Davida, mpanao salamo: “Maro ny zavatra nataonao, Jehovah Andriamanitro ô, eny, maro ny asanao mahatalanjona sy ny fikasanao momba anay.” (Sal. 40:5) Mifantoha àry amin’ireo asa mahatalanjona efa nataon’i Jehovah ho antsika. Saintsaino koa ny fiahiany sy ny fitiavany antsika. Hahazo hery vao isika raha manao izany, ka ho afaka hiaritra sy tsy hivadika ary hanompo amin’ny fo manontolo an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra.—Mat. 24:13.

[Sary, pejy 31]

Nampian’i Jesosy hifantoka tamin’ny zavatra efa nataon’i Jehovah ho azy ireo ny mpianany

[Sary, pejy 32]

Alao sary an-tsaina ny zava-nitranga tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra vao haingana