Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

I Josèphe Tokoa ve no Nanoratra Azy Io?

I Josèphe Tokoa ve no Nanoratra Azy Io?

Nanoratra momba ny fahafatesan’i Jakoba i Flavius Josèphe, mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany. Hoy izy tao amin’ilay bokiny hoe Rakitry ny Ela Jiosy: “Jakoba, rahalahin’i Jesosy, ilay antsoina hoe Kristy.” Maro ny manam-pahaizana manaiky hoe i Josèphe no nanoratra an’io. Misy fehintsoratra ao amin’io boky io anefa lazain’ny manam-pahaizana sasany hoe tsy nosoratan’i Josèphe, ka nisy adihevitra be momba azy io. Izao no voalaza ao:

“Nisy olona hendry atao hoe Jesosy tamin’izany andro izany. Asa aloha raha mety ny iantsoana azy hoe olona, satria mpanao zava-mahagaga izy io. Nahafinaritra ny olona ny nihaino ny fampianarany. Nahasarika Jiosy sy olona maro hafa firenena izy. Izy [ilay] Kristy. Nampirisika an’i Pilato ny olona ambony teo amintsika mba hanameloka azy ho faty teo amin’ny lakroa. Tsy nandao azy anefa ny olona tia azy. Velona indray mantsy izy tamin’ny andro fahatelo, araka ny efa nolazain’ny mpaminanin’Andriamanitra mialoha. Mbola betsaka koa ny zava-mahagaga voalaza mialoha momba azy. Mbola misy mandraka ankehitriny ireo Kristianina, izay anarana nalaina avy amin’ny anaran’io lehilahy io.”—Ny Asa Soratr’i Josèphe Rehetra (anglisy), nadikan’i William Whiston.

Nafana be ilay adihevitra nanomboka tamin’ny faran’ny taonjato faha-16, ary nitohy izany nandritra ny efajato taona. Nisy Frantsay mpahay tantara atao hoe Serge Bardet niezaka namantatra ny fototr’ilay olana.

Nilaza izy fa tsy nanaraka ny fivavahana kristianina i Josèphe, fa tao amin’ny fivavahana jiosy. Ary izay no tena nahatonga an’ilay adihevitra. Mieritreritra mantsy ny manam-pahaizana sasany hoe tsy nisy mpanoratra jiosy niantso an’i Jesosy hoe “ilay Kristy” mihitsy. Anarana fotsiny anefa ny nieritreretan’i Josèphe ny hoe “Kristy”, ary noho izy nanoratra tamin’ny teny grika, dia nasiany mpanoritra voafaritra (ilay) teo alohan’ny anarana. Toy izany mantsy ny fitsipi-pitenenana grika. Nilaza koa i Bardet fa “raha mieritreritra an’ilay izy amin’ny fomba fijerin’ny olona ao amin’ny fivavahana jiosy sy ny fivavahana kristianina isika, dia tsy hieritreritra mihitsy hoe tsy nampiasa ny hoe Christos [Kristy] i Josèphe.” Tena zava-dehibe io tsipiriany io, ary “diso ireo mpitsikera tsy nahamarika azy io.”

Mety hisy anefa hieritreritra hoe sao dia nisy olon-kafa nanampy teny tao amin’ilay asa soratr’i Josèphe, ary naka tahaka ny fomba fanorany. Nandinika ny porofo ara-tantara sy ilay zavatra nosoratan’i Josèphe anefa i Bardet, ka nanatsoaka hevitra hoe fahagagana raha nisy nahavita an’izany. Tena miavaka mantsy ny fomba fanoratr’i Josèphe, ka tsy hisy mihitsy olona afaka naka tahaka an’ilay izy.

Koa nahoana àry ireo manam-pahaizana no nisalasala? Nanazava ny fototr’ilay olana i Bardet. Nilaza izy hoe “tsy nisalasala momba ny ankamaroan’ireo asa soratra fahiny izy ireo, kanefa nisalasala momba an’io asa soratra io, satria fotsiny hoe nisy olona nisalasala momba an’ilay izy.” Tsy tena hoe noho izy ireo nandinika an’ilay asa soratra no nahatonga azy ireo hisalasala, fa “antony hafa” mihitsy.

Ho hita eo ihany raha hampiova hevitra an’ireo manam-pahaizana ny fikarohan’i Bardet. Nisy manam-pahaizana malaza iray anefa niova hevitra, dia i Pierre Geoltrain. Nihevitra izy hatramin’izay hoe nisy nanampy ilay zavatra nosoratan’i Josèphe. Nesoiny mihitsy aza izay nino hoe i Josèphe no nanoratra an’ilay izy. Nilaza izy fa ny fikarohana nataon’i Bardet no nampiova hevitra azy. Hoy izy: “Tsy misy tokony ho sahy hilaza intsony izao hoe tsy i Josèphe no nanoratra an’ireo teny ireo.”

Na eo aza anefa izany rehetra izany, dia manana antony marim-pototra ny Vavolombelon’i Jehovah hinoana hoe i Jesosy no Kristy, ary hita ao amin’ny Baiboly izany.—2 Tim. 3:16