Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahazo Fampaherezana Isika ka Mampahery ny Hafa

Mahazo Fampaherezana Isika ka Mampahery ny Hafa

Tsy lavorary isika rehetra, ka efa narary daholo. Misy aza narary mafy mihitsy. Inona no afaka manampy antsika tsy ho kivy rehefa miatrika olana toy izany?

Tena manampy ny fampaherezan’ny fianakaviana sy ny namana ary ny mpiara-manompo.

Toy ny menaka mampitony, izay manasitrana sy mamelombelona antsika, ny teny feno hatsaram-panahy sy fitiavana ataon’ny namana. (Ohab. 16:24; 18:24; 25:11) Tsy hoe mitady fampaherezana fotsiny anefa ny tena Kristianina. Miezaka koa isika mba “hampionona an’izay ao anatin’ny fahoriana isan-karazany, amin’ny alalan’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra antsika.” (2 Kor. 1:4; Lioka 6:31) Nahatsapa tsara an’izany i Antonio, mpiandraikitra ny vondrom-paritra any Meksika.

Nitebiteby be izy rehefa hita hoe voan’ny kanseran’ny ra. Niezaka foana anefa izy hifehy ny fihetseham-pony. Ahoana no nataony? Niezaka nitadidy hiran’ilay Fanjakana izy, ary nihira an’ilay izy mba hahafahany mandre sy misaintsaina ny tonon’ilay hira. Nivavaka tamin’ny feo avo sy namaky Baiboly koa izy, ary tena nampahery azy izany.

Nilaza i Antonio fa ny mpiara-manompo no tena nanampy azy. Hoy izy: “Rehefa nitaintaina be izahay mivady, dia nisy anti-panahy anisan’ny fianakavianay nantsoinay mba hiaraka mivavaka taminay. Nampahery anay izany sady nampitony anay.” Hoy koa i Antonio: “Vetivety dia nilamin-tsaina izahay, noho ny fanampian’ny fianakavianay sy ireo rahalahy sy anabavy.” Tena velom-pankasitrahana an’ireny namana be fitiavana ireny i Antonio!

Tena manampy koa ny fanahy masina amin’ny fotoan-tsarotra. Nilaza ny apostoly Petera fa “fanomezana maimaim-poana” ny fanahy masina. (Asa. 2:38) Voaporofo izany rehefa nohosorana ny fanahy masina ny mpianatr’i Jesosy, tamin’ny Pentekosta taona 33. Tsy izy ireo ihany anefa no afaka mahazo an’io fanomezana io, fa isika rehetra. Tena be dia be tsy hita fetra ny fanahy masin’Andriamanitra, koa nahoana raha mangataka be dia be amin’izy io?—Isaia 40:28-31.

AOKA IANAO HIAHY AN’IREO MIJALY

Niatrika olana maro ny apostoly Paoly, ary efa saika maty mihitsy. (2 Kor. 1:8-10) Tsy natahotra be anefa izy hoe hamoy ny ainy. Fantany hoe manampy azy Andriamanitra, ka nampahery azy izany. Nanoratra toy izao izy: “Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra! Mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra izy.” (2 Kor. 1:3, 4) Tsy nitsetra tena i Paoly, fa niaritra rehefa nisy fitsapana. Nanjary nahay niara-niory tamin’ny hafa izy vokatr’izany, ka nahay nampahery olona.

Niverina nanao ny asa fitetezam-paritany i Antonio, rehefa sitrana. Efa niahy ny mpiara-manompo taminy izy taloha, kanefa lasa manao ezaka be izy sy ny vadiny izao mba hitsidihana sy hampaherezana an’ireo marary. Nitsidika rahalahy iray narary mafy izy indray mandeha, ary reny hoe tsy te hivory io rahalahy io. Hoy i Antonio: “Tsy hoe tsy tia an’i Jehovah na tsy tia an’ireo mpiara-manompo akory io rahalahy io, fa tena nisy vokany be teo amin’ny fihetseham-pony ilay aretina, ka nanjary nahatsapa ho tsy nisy vidiny izy.”

Mba hampaherezana an’io rahalahy io, dia nangataka azy hivavaka i Antonio tamin’ny fiaraha-mikorana nataon’izy ireo vao haingana. Nihevitra ilay rahalahy fa tsy ho vitany ilay izy, nefa nanaiky ihany izy. Hoy i Antonio: “Tena nahafinaritra ilay vavaka nataony, ary tena niova izy taorian’izay. Nanjary nahatsiaro ho nisy vidiny indray izy.”

Samy manana ny mampijaly azy tokoa isika rehetra, ary mety ho olana lehibe ilay izy na madinidinika. Nilaza anefa i Paoly fa afaka manampy antsika izany mba hampahery ny hafa koa, rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra izy. Aoka àry isika hangoraka an’ireo mpiray finoana amintsika mijaly, ka hampahery azy ireny, mba ho fanahafana an’i Jehovah Andriamanitra.