NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Oktobra 2013

Hita ato hoe mahery sy hendry ny Mpamorona rehefa jerena ny zavaboary, ary hoe ahoana no hampiharana an’izay nolazain’i Jesosy tao amin’ny vavaka iray.

Nahafoy Tena Izy Ireo: Philippines

Ho hitanao ato hoe nahoana ny olona sasany no niala tamin’ny asany sy nivarotra ny fananany ary nifindra tany amin’ny faritra mitokana any Philippines.

Ahalalana An’ilay Andriamanitra Velona ny Zavaboary

Ho hitanao ato hoe ahoana no azonao anatanjahana ny finoanao sy anampiana ny olona hahafantatra ny marina momba ny Mpamorona.

“Manompoa An’i Jehovah”

Inona no hanampy antsika tsy handevozin’i Satana? Inona no valisoa azon’izay tsy mivadika fa manompo an’i Jehovah foana?

TANTARAM-PIAINANA

Sambatra Izahay Niantehitra Tamin’i Jehovah

Nanompo an’i Jehovah nandritra ny 75 taona mahery i Malcolm sy Grace Allen. Vakio ato hoe ahoana no nahitany fa tahin’i Jehovah ireo miantehitra aminy.

Lesona avy Amin’ny Vavaky ny Levita

Inona no lesona raisintsika avy amin’ny vavaky ny Levita? Ahoana no hampisy heviny kokoa ny vavaka ataontsika?

Manaova Zavatra Mifanaraka Amin’ny Vavak’i Jesosy

Hita tamin’ny vavaka iray nataon’i Jesosy fa ny sitrapon’i Jehovah no zava-dehibe taminy fa tsy izay tiany. Ahoana no hampiharantsika ny voalazan’ilay vavaka?

Mazotoa Foana Mampitandrina ny Olona!

Maro ny mpitory manararaotra mitory amin’izay mihaona aminy, rehefa manao ny asa aman-draharahany. Ho hitanao ato ny ataon’izy ireo.