NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Aprily 2014

Inona no hanampy antsika hanahaka ny finoan’i Mosesy? Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny andraikitra ara-pianakaviana ary ahoana no anampiany antsika amin’izany?

Tahafo ny Finoan’i Mosesy

Nanam-pinoana i Mosesy, ka tsy naniry zavatra teto amin’ity tontolo ity fa nankasitraka ny asa nampanaovin’i Jehovah. Nahoana izy no nibanjina ny valisoany?

“Mahita An’Ilay Tsy Hita” ve Ianao?

Nahoana ny finoan’i Mosesy no nanampy azy tsy hatahotra olona sy hino ny fampanantenan’i Jehovah? Inona no hanampy anao hatoky fa vonona hanampy anao i Jehovah?

TANTARAM-PIAINANA

Nandray Fitahiana Aho fa Nanompo Manontolo Andro

Nanompo manontolo andro nandritra ny 65 taona i Robert Wallen. Nahoana izy no nilaza fa tena nahafa-po azy ny fiainany ary tena nisy dikany?

Tsy Misy Mahay Manompo Tompo Roa

Mandeha mitady vola any andafy ny olona sasany. Inona no vokatr’izany eo amin’ny fanambadiany sy ny zanany ary ny fifandraisany amin’Andriamanitra?

Mahereza fa i Jehovah no Mpanampy Anao

Nody ny lehilahy iray niasa tany andafy satria te hifandray tsara tamin’ny ankohonany indray. Ahoana no nanampian’i Jehovah azy hamelona azy ireo?

Faly ve Ianao fa Mandinika Anao Ilay Raintsika Be Fitiavana?

Hita ato ny fomba dimy ampisehoan’Andriamanitra fa tia sy miahy antsika izy. Hita ato koa ny soa raisintsika avy amin’ny fandinihany antsika.

Fantatrao Ve?

Nanao fanahy iniana nandrovitra ny akanjony ny olona fahiny. Inona no dikan’izany?