NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Febroary 2015
Ho hitanao ao ny lahatsoratra hianarana manomboka ny 6 Aprily ka hatramin’ny 3 Mey 2015.
Fanomezana Tsy Nampoizina ho An’ny Japoney
Nisy bokikely vaovao hoe “Ny Baiboly: Ny Filazantsaran’i Matio” navoaka tany Japon. Inona no mampiavaka azy io? Nahoana izy io no navoaka?
Miezaha Hanetry Tena sy Hangoraka toa An’i Jesosy
Milaza ny 1 Petera 2:21 fa tokony hanaraka akaiky ny dian’i Jesosy isika. Afaka ny hanetry tena sy hangoraka toa an’i Jesosy ve isika, na dia tsy lavorary aza?
Miezaha ho Be Herim-po sy Hahay Hanavaka toa An’i Jesosy
Manampy antsika hahalala an’i Jesosy ny Baiboly. Manaraka akaiky ny diany isika raha be herim-po sy mahay manavaka.
Aza Avela Hihena ny Zotom-ponao
Fantatsika fa ny fitoriana ny vaovao tsara no asa lehibe indrindra atao ankehitriny. Inona no azonao atao mba hazoto kokoa amin’ny fanompoana ianao?
Nampiomanina mba Handray ny “Fampianaran’i Jehovah” ny Firenena
Nahomby ve ny fitoriana ny vaovao tsara tamin’ny taonjato voalohany? Inona ny zava-nisy tamin’izany, ka nety ho nanamora an’io asa io?
Mitarika ny Fitoriana Eran-tany i Jehovah
Inona no nitranga vao haingana ka nanampy ny mpanompon’i Jehovah hitory ny vaovao tsara eran-tany?
Fanontanian’ny Mpamaky
Inona no azo atao raha misy rahalahy sy anabavy tsy mahazaka ranomanitra? Rahoviana ny anabavy no tokony hisaron-doha?
FANTARO NY TANTARANTSIKA
“Fotoana Tena Sarobidy”
Nilaza ny Tilikambo Fiambenana fa “fotoana tena sarobidy” ny Fahatsiarovana ary nasaina nankalaza azy io ny mpamaky. Ahoana no nankalazana azy io taloha?