Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Avela Hihena ny Zotom-ponao

Aza Avela Hihena ny Zotom-ponao

NY FITORIANA ny vaovao tsara no asa lehibe indrindra atao ankehitriny. Voninahitra lehibe ho an’ny mpanompon’i Jehovah ny mandray anjara amin’ny asa fanaovana mpianatra. Azo inoana anefa fa tsapanao hoe tsy mora amin’ny mpisava lalana sy ny mpitory indraindray ny miezaka hazoto foana.

Inona no azonao atao mba tsy hihena ny zotom-ponao amin’ny fanompoana?

Zara raha mahita olona iresahana ny mpitory sasany rehefa mitory isan-trano. Tsy ao an-trano angamba ny ankamaroan’ny olona. Misy indray mba tratra an-trano, nefa tsy miraika na masiaka rehefa itoriana momba an’ilay Fanjakana. Ny mpitory sasany kosa matahotra hoe tsy hahavita ny faritaniny mihitsy, satria midadasika ilay izy ary be olona liana. Misy koa efa nitory nandritra ny taona maro, ka kivy satria mbola tsy tonga ny farany.

Miatrika olana mety hampihena ny zotom-pony amin’ny fitoriana ny mpanompon’i Jehovah rehetra. Tsy mahagaga izany. I Satana Devoly, ilay “ratsy”, mantsy no mifehy an’ity tontolo ity, ka tsy afaka manantena isika hoe ho mora ny hitory ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra.—1 Jaona 5:19.

Matokia fa afaka manampy anao handresy an’izay olana atrehinao eo amin’ny fanompoana i Jehovah. Inona anefa no azonao atao mba hazoto kokoa amin’ny fanompoana ianao? Misy soso-kevitra vitsivitsy ireto.

AMPIO IREO TSY DIA AMPY TRAIKEFA

An’arivony no atao batisa isan-taona ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Vao haingana ve ianao no nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa? Azo inoana fa tianao raha manampy anao ny Kristianina efa nitory ela kokoa. Ary ahoana raha efa nitory nandritra ny taona maro ianao? Azonao atao ny mampiofana an’ireo vaovao ary tena hahafa-po anao izany.

Fantatr’i Jesosy fa nila tari-dalana ny mpianany mba hahaizan’izy ireo mitory, ka natorony azy ireo izay tokony hatao. (Lioka 8:1) Ilaina koa ankehitriny ny mampiofana an’ireo vaovao mba hahaizany mitory sy mampianatra.

Tsy tokony hieritreritra isika hoe tonga dia hahay ny olona iray rehefa mandeha manompo. Mila toromarika avy amin’ny mpampiofana tsara fanahy sy be fitiavana izy. Mila ampianarina azy ny fomba anaovana an’ireto: 1) Manomana sy mamerimberina fomba fitory, 2) miresaka amin’ny olona isan-trano na eny an-dalana, 3) manolotra boky na gazety, 4) miverina mitsidika, ary 5) mampianatra Baiboly. Azo inoana fa hahita vokatra tsara ilay mpitory raha mandinika ny ataon’ilay mampiofana azy sy manahaka azy. (Lioka 6:40) Ho faly koa izy satria afaka mihaino azy mitory ilay mampiofana azy sady afaka manampy azy raha ilaina. Handray soa koa izy raha deraina sy omena soso-kevitra tsara.—Mpito. 4:9, 10.

MIRESAHA AMIN’ILAY NAMANAO

Marina fa miezaka mafy miresaka amin’ny olona itoriana ianao. Ny resakao sy ilay namanao anefa indraindray no mba tena mahafinaritra. Tadidio fa nandefa ny mpianany “tsiroaroa” i Jesosy rehefa naniraka azy ireo hitory. (Lioka 10:1) Afaka nifampahery izy ireo rehefa niara-nanompo. Azo hararaotina tsara mba ‘hifampaherezana’ àry ny fotoana iarahana manompo amin’ny hafa.—Rom. 1:12.

Inona no azonareo resahina? Nisy zavatra nampahery ny iray aminareo angamba teny amin’ny fanompoana vao haingana. Na nisy hevitra nahaliana hitanareo tamin’ny fianarana samirery na ny fianaram-pianakaviana, na nisy zavatra nampahery anareo tany am-pivoriana. Mety ho tafaraka amin’ny mpitory tsy mpiaraka aminao matetika ianao. Azonao anontaniana azy ny fomba nahitany ny fahamarinana, sy ny naharesy lahatra azy fa fandaminan’i Jehovah ny misy azy, ary ny tombontsoam-panompoana efa nananany. Azonao anontaniana azy koa ny zavatra efa niainany, ary afaka mitantara ny anao ianao. Afaka manararaotra ‘mifampahery hatrany’ àry isika sy izay miara-manompo amintsika, na inona na inona mitranga eny amin’ny fanompoana.—1 Tes. 5:11.

MAZOTOA FOANA MIANATRA

Tokony ho zatra mianatra Baiboly ianao ary hanao an’izany foana, raha tsy tianao hihena ny zotom-ponao. Mamoaka fanazavana momba ny foto-kevitra be dia be ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, ka betsaka no azo ianarana. (Mat. 24:45) Azonao ianarana samirery, ohatra, hoe nahoana no tena ilaina ny mitory ilay Fanjakana. Milaza antony maromaro ilay efajoro eo amin’ny pejy 16.

Hanampy anao hazoto hitory foana ny hevitra ao amin’io efajoro io. Azonao atao ny mikaroka antony hafa tsy voalaza ao, rehefa mianatra samirery ianao. Saintsaino ireny antony ireny sy ny andinin-teny mifandray aminy. Azo antoka fa hampitombo ny zotom-ponao izany.

ANDRAMO NY SOSO-KEVITRY NY FANDAMINANA

Manome soso-kevitra foana ny fandaminan’i Jehovah mba hanatsarana ny fanompoantsika. Ankoatra ny mitory isan-trano, ohatra, dia azo atao ny mitory tsy ara-potoana, an-taratasy, an-telefaonina, eny an-dalana na eny amin’ny toeran-kafa falehan’ny olona, na any amin’ny faritany be toeram-piasana. Mety ho azontsika alamina koa ny fiainantsika mba hahafahana hitory any amin’ny faritany tsy voasa matetika.

Vonona hanandrana an’ireny soso-kevitra ireny ve ianao? Efa nisy nandramanao ve? Maro no nanao izany ka nahita vokatra ary faly be. Ireto misy ohatra telo.

Nahita vokatra ny mpitory atao hoe April rehefa nampihatra ny fomba anombohana fampianarana Baiboly, tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Nasainy hianatra Baiboly ny mpiara-miasa taminy telo. Gaga izy sady faly be fa nanaiky izy telo ary nanomboka nivory.

Momba ny fametrahana gazety ilay ohatra faharoa. Nampirisihina isika mba hifidy lahatsoratra ao amin’ny gazetintsika ary hitady izay olona mety ho liana amin’ilay izy. Nilaza ny mpiandraikitra ny faritra iray any Etazonia fa nitondrany Mifohaza! misy lahatsoratra momba ny pne ny lehiben’ny fivarotana pne rehetra tao amin’ny toerana iray. Nitondran’izy mivady an’ilay Mifohaza! hoe “Fantatrao ve ny Manjo ny Dokoteranao?” koa ny dokotera zato mahery tao amin’ny faritra notsidihiny. Hoy ilay rahalahy: “Tena nanampy ny olona hahafantatra ny mombamomba antsika sy ny bokintsika ny fitsidihanay azy ireo. Afaka niverimberina tany amin’izy ireo izahay rehefa niezaka nifankahalala taminy.”

Fitoriana an-telefaonina ilay ohatra fahatelo. Nanoratra tany amin’ny foibe ny anabavy iray atao hoe Judy, mba hankasitraka an’ilay fampirisihana hitory an-telefaonina. Nilaza izy fa be ny aretina nahazo ny reniny, izay 86 taona. Nitory an-telefaonina tsy tapaka anefa io reniny io, ary faly be fa nampianatra Baiboly vehivavy iray 92 taona.

Mandaitra tokoa ny soso-kevitra omena antsika. Ampiharo àry izy ireny, dia ho faly sy hazoto hanompo foana ianao.

MANÀNA TANJONA AZO TRATRARINA

Tsy ny isan’ny boky voapetratsika, na ny fampianarana Baiboly ataontsika, na ny olona nampiantsika ho lasa mpanompon’i Jehovah no amaritana hoe mahomby amin’ny fitoriana isika na tsia. Firy tokoa moa ny olona nampian’i Noa ho lasa mpanompon’i Jehovah, ankoatra ny vady aman-janany? Tena mpitory nahomby anefa izy. Ny zava-dehibe dia hoe tsy mivadika amin’i Jehovah isika.—1 Kor. 4:2.

Maro ny mpitory mahita fa ilaina ny manana tanjona azo tratrarina raha te hazoto hanompo. Inona, ohatra, no azo atao tanjona? Misy soso-kevitra vitsivitsy ao amin’ilay efajoro eto.

Angataho i Jehovah hanampy anao hahita hevitra mba hahatonga ny fanompoanao hahafa-po sy hisy vokany. Rehefa tratranao ny tanjonao, dia ho faly ianao fa nahavita zavatra. Ho afa-po koa ianao satria nanao izay rehetra azonao atao mba hitoriana ny vaovao tsara.

Marina fa mety ho sarotra ny mitory. Misy zavatra azonao atao anefa mba hahatonga anao hazoto hanompo. Miezaha hifampahery amin’ilay olona miara-mitory aminao, mazotoa foana mianatra Baiboly, ampiharo ny soso-kevitry ny mpanompo mendri-pitokisana, ary manàna tanjona azo tratrarina. Tadidio koa fa nomen’Andriamanitra tombontsoa tsy manam-paharoa ianao, dia ny ho Vavolombelony mitory ny vaovao tsara. (Isaia 43:10) Ho faly tokoa ianao raha tsy avelanao hihena ny zotom-ponao!