Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Alan’i Biriya any Galilia

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Tena be ala araka ny voalazan’ny Baiboly tokoa ve tany Israely fahiny?

MILAZA ny Baiboly fa rakotra ala ny faritra sasany tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Voalaza ao hoe “betsaka” hazo tany. (1 Mpanj. 10:27; Jos. 17:15, 18) Tsy misy hazo maniry anefa ny faritra maro any Israely ankehitriny. Misy misalasala àry hoe marina tokoa ve ny voalazan’ny Baiboly.

Aviavidia vokatra be

Hoy ny boky Fiainan’ny Israelita Fahiny (anglisy): “Betsaka lavitra noho ny ankehitriny ny faritra nisy ala tany Israely fahiny.” Fahita teny an-tendrombohitra ny hazo kesika sy ny hazo oaka maitsoririnina ary ny térébinthe. Betsaka aviavidia koa tany Sefela, izay faritra be havoana ivaiva eo anelanelan’ny tandavan-tendrombohitra any afovoan-tany sy ny Morontsirak’i Mediterane.

Milaza ny boky Zavamaniry ao Amin’ny Baiboly (anglisy) fa tsy misy hazo intsony izao ny faritra sasany any Israely. Nahoana? Nanazava ilay boky fa nitranga tsikelikely izany. Hoy izy io: “Simbain’ny olona foana ny zavamaniry satria tiany hitarina ny famboleny sy ny fiompiany ary ny kijanany. Ampiasain’ny olona hanaovana trano sy handrahoan-tsakafo koa izy ireny.”