Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Mivadika Amin’ilay Fanjakana Mihitsy!

Aza Mivadika Amin’ilay Fanjakana Mihitsy!

“Tsy anisan’izao tontolo izao izy.”—JAONA 17:16.

HIRA: 63, 129

1, 2. a) Nahoana ny Kristianina no tsy momba ny atsy na ny aroa? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Manindrahindra inona ny olona maro, ary inona no mety ho vokatr’izany?

TSY momba ny atsy na ny aroa foana ny tena Kristianina, na misy ady na tsia. Nahoana? Satria nampanantena an’i Jehovah izy ireo rehefa nanokan-tena ho azy fa ho tia azy sy tsy hivadika aminy ary hankatò azy. (1 Jaona 5:3) Te hanaraka ny fitsipik’i Jehovah daholo izy ireo, na dia tsy mitovy aza ny fiaviany, fireneny, zavatra iainany, ary ny kolontsainy. Tsy mivadika amin’i Jehovah sy ny Fanjakany izy ireo, ary tsy misy atakalony an’izany mihitsy. (Mat. 6:33) Tsy midikiditra mihitsy amin’ny ady sy adihevitra eto amin’ity tontolo ity àry ny Kristianina.—Isaia 2:4; vakio ny Jaona 17:11, 15, 16.

2 Mety hanindrahindra ny fireneny, ny foko misy azy, ny kolontsainy, ary na ny ekipam-pireneny mihitsy aza ny olona eto amin’ity tontolo ity. Lasa mifaninana sy mifandrafy izy ireo noho izany, ary misy aza mifamono sy mifandripaka. Mety hisy vokany eo amintsika na ny fianakaviantsika izany, satria mbola eto amin’ity tontolo ity isika. Efa nataon’Andriamanitra hahalala ny atao hoe rariny isika, ka mety hihevitra fa tsy rariny ny ataon’ny fitondrana. (Gen. 1:27; Deot. 32:4) Inona àry no hataontsika rehefa misy tsy rariny mitranga? Ho vitantsika ve ny tsy hiandany na amin’iza na amin’iza eto amin’ity tontolo ity?

3, 4. a) Nahoana ny Kristianina no tsy mandray anjara amin’ny adihevitra eto amin’ity tontolo ity? b) Inona no hodinihintsika ato?

3 Mety hasain’ny manam-pahefana haneho ny heviny momba ny olana mitranga eo an-toerana ny vahoaka indraindray. Tsy mandray anjara amin’izany ny tena Kristianina. Tsy miditra amin’ny adihevitra politika isika sady tsy mampiasa fitaovam-piadiana. (Mat. 26:52) Tsy manaiky hanohana na iza na iza eto amin’ny tontolon’i Satana mihitsy isika, na dia mety hisy handresy lahatra antsika hanao izany aza. (2 Kor. 2:11) Tsy anisan’ity tontolo ity isika, ka tsy miditra mihitsy amin’izay olana miseho eo aminy.—Vakio ny Jaona 15:18, 19.

4 Tsy lavorary anefa isika ka misy amintsika mbola miady mafy mba tsy hanana ny toe-tsain’ity tontolo ity. (Jer. 17:9; Efes. 4:22-24) Mampisara-bazana mantsy izany. Misy toro lalana vitsivitsy hanampy antsika handresy an’io toe-tsaina io ato. Hodinihintsika koa hoe inona no hanampy antsika hampiomana ny saintsika mba tsy hivadika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

NAHOANA ISIKA NO TSY MIDITRA AMIN’NY RAHARAHAN’ITY TONTOLO ITY?

5, 6. Ahoana no niheveran’i Jesosy an’ireo olona samihafa fiaviana tao amin’ny fireneny, ary nahoana?

5 Ahoana raha misy olana eo amin’ny manodidina anao, ka tsy fantatrao izay tokony hatao? Saintsaino izay ho nataon’i Jesosy raha teo izy. Nisy olona avy tany Jodia sy Galilia ary Samaria, ohatra, tao amin’ny fireneny ary nifandrafy izy ireo. (Jaona 4:9) Tsy nifankahazo koa ny mpamory hetra sy ny vahoaka. (Mat. 9:11) Toy izany koa ireo nianatra tany amin’ny sekolin’ny Raby sy ireo tsy nianatra tany, ary ny Fariseo sy ny Sadoseo. (Jaona 7:49; Asa. 23:6-9) Halan’ny vahoaka koa ny Romanina satria nifehy an’i Israely. Marina fa niaro ny fahamarinana i Jesosy, ary nilaza fa avy amin’ny Jiosy ny famonjena. (Jaona 4:22) Tsy nampirisika ny mpianany hihevi-tena ho ambony noho ny hafa mihitsy anefa izy. Nampianariny ho tia ny olona rehetra kosa izy ireo.—Lioka 10:27.

6 Nahoana i Jesosy no tsy nanavakavaka toy ny Jiosy? Satria tsy mitovy hevitra amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity izy sy ny Rainy. Tian’i Jehovah ho feno olombelona samihafa firazanana eto an-tany, rehefa namorona ny lehilahy sy ny vehivavy izy. (Gen. 1:27, 28) Tsy misy foko na firenena na fiteny heverin’i Jehovah sy Jesosy ho ambony kokoa. (Asa. 10:34, 35; Apok. 7:9, 13, 14) Tokony hanahaka ny modely faran’izay tsara navelan’izy ireo isika.—Mat. 5:43-48.

7, 8. a) Iza no tsy maintsy tohanan’ny Kristianina, ary nahoana? b) Inona ihany no eken’ny Kristianina hoe mahavaha ny olana rehetra?

7 I Jehovah irery no tsy maintsy tohanantsika satria izy irery no manana zo hitondra. Nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra i Satana, tany Edena. Nisy adihevitra nipoitra àry hoe i Jehovah sa i Satana no mahay mitondra kokoa. Tsy maintsy manapa-kevitra ny tsirairay na hanohana an’i Jehovah na hanohana an’i Satana. Miandany amin’i Jehovah àry ve ianao ka mifidy ny hankatò ny lalàny, sa manao izay tianao fotsiny? Matoky ve ianao fa ny Fanjakany ihany no mahavaha ny olana mahazo ny olombelona? Sa ianao mino fa mahavita tena ny olombelona?—Gen. 3:4, 5.

8 Arakaraka izay havalinao an’ireo fanontaniana ireo no ahitana hoe inona no hataonao rehefa misy adihevitra. Efa ela ny mpanao politika sy ny mpitolona ary ny mpitondra fanovana no niezaka namaha ny olana mampizarazara ny olombelona. Angamba izy ireo mba tena te hanao zavatra tsara. Ny Kristianina kosa resy lahatra fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hahavaha ny olana rehetra sy hampanjaka ny tena rariny. I Jehovah àry no avelantsika hamaha an’izay olana miseho. Ho voazarazara ny fiangonana raha samy manohana ny heviny ny Kristianina tsirairay.

9. Inona no olana nisy teo anivon’ny fiangonan’i Korinto fahiny, ary inona no nasain’ny apostoly Paoly nataon’izy ireo?

9 Nisy fisaratsarahana teo anivon’ny fiangonan’i Korinto, tamin’ny taonjato voalohany. Nisy nilaza hoe: “ ‘Izaho an’i Paoly’, ‘Izaho an’i Apolosy’, ‘Izaho an’i Kefasy’, ‘Izaho an’i Kristy.’ ” Nahatezitra ny apostoly Paoly izany, ka nilaza izy fa lasa toy ny hoe “voazarazara i Kristy.” Ahoana no namahana an’ilay olana? Hoy i Paoly: “Koa mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifanaraka tsara ianareo rehetra amin’izay lazainareo, ary mba tsy hisy fisaratsarahana eo aminareo, fa mba ho tafaray tsara ianareo ka hiray saina sy hiray hevitra.” Tsy tokony hisy fisaratsarahana toy izany koa eo anivon’ny fiangonana ankehitriny.—1 Kor. 1:10-13; vakio ny Romanina 16:17, 18.

10. Inona no nampahatsiahivin’i Paoly ny Kristianina, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

10 Nilaza tamin’ireo voahosotra i Paoly fa olom-pirenen’ny lanitra izy ireo ka tsy tokony hifantoka amin’ny zavatra etỳ an-tany. (Fil. 3:17-20) * Tokony ho hita hoe ambasadaoro solon’i Kristy izy ireo. Tsy midikiditra amin’ny raharahan’ny firenena anirahana azy ny ambasadaoro fa mifantoka amin’ny raharahan’ny fireneny. (2 Kor. 5:20) Vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra koa ny Kristianina manantena hiaina eto an-tany, ka tsy tokony hitsabaka amin’ny adihevitr’ity tontolo ity.

OMANO NY SAINAO

11, 12. a) Nahoana no sarotra amin’ny Kristianina indraindray ny tsy hivadika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra? b) Inona no olana natrehin’ny anabavy iray, ary ahoana no nandreseny an’izany?

11 Miray saina be ny mpiara-monina any amin’ny faritra maro eran-tany, satria mitovy ny kolontsainy sy ny fiteniny ary ny tantarany. Mampirehareha azy ireo izany. Mila mampiomana ny sainy àry ny Kristianina hoe inona no hataony rehefa misy olana mifandray amin’izany. Ahoana no hataony mba tsy hidirany amin’ny raharahan’ity tontolo ity?

12 Mipetraka any amin’ny faritra iray anisan’i Iogoslavia teo aloha, ohatra, i Tanya. * Nampirisihina hankahala olona avy any Serbia izy. Nianatra Baiboly anefa izy ka fantany hoe tsy manavakavaka i Jehovah, fa i Satana no mampirisika ny olona hifanavakavaka. Niezaka mafy àry izy mba tsy hanavakavaka. Nisy adim-poko nipoaka anefa tany amin-dry zareo. Sarotra taminy àry ny nitory tamin’ny Serba, satria lasa nankahala azy ireo indray izy. Hitany fa tsy tokony hipetra-potsiny izy ka hanantena hoe ho afaka ho azy ilay fankahalany. Nitalaho tamin’i Jehovah izy mba hanampy azy handresy an’ilay olana. Nivavaka koa izy mba ho afaka hanao mpisava lalana. Hoy izy: “Hitako hoe tena manampy ahy ny mifantoka amin’ny fanompoana. Miezaka ho be fitiavana toa an’i Jehovah aho rehefa manompo, ka tsapako hoe afaka tsikelikely ilay toetra ratsiko.”

13. a) Inona no nahasosotra an’i Zoila, nefa inona no nataony? b) Inona no ianarantsika avy amin’izay nitranga tamin’i Zoila?

13 I Zoila indray avy any Meksika ary nifindra tany Eoropa. Avy any Amerika Latinina koa ny rahalahy sasany eo anivon’ny fiangonana misy azy. Tsikaritr’i Zoila hoe nanambanimbany ny fireneny sy ny fanao any aminy ary ny mozika any izy ireo. Inona no ho nataonao raha ianao no teo amin’ny toerany? Rariny raha sosotra i Zoila. Soa ihany fa nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hanampy azy hanala ny lonilony tao am-pony. Mbola tsy mora amin’ny Kristianina sasany koa ny miatrika olana toy ny nanjo an’i Zoila. Tsy tokony hiteny na hanao zavatra mety hahatonga ny olona hihevi-tena ho ambany na ambony kokoa noho ny hafa isika. Tsy tiantsika hisy fisaratsarahana koa eo anivon’ny fiangonana na ny fiaraha-monina.—Rom. 14:19; 2 Kor. 6:3.

14. Inona no azon’ny Kristianina atao mba hahatonga azy hitovy hevitra amin’i Jehovah?

14 Nanindrahindra ny firenenao na ny faritra niavianao angamba ianao taloha, satria izay no nitaizana anao na izay no toe-tsain’ny manodidina anao. Mbola misy vokany kely eo aminao ve izany? Tsy tokony hanindrahindra ny fireneny ny Kristianina satria hahatonga azy hihevitra ny hafa ho ambany izany. Mahatsapa ve anefa ianao fa tena mbola mieritreritra zavatra ratsy momba ny olona tsy mitovy firenena na kolontsaina na fiteny na foko aminao? Tena mila misaintsaina ianao hoe tsy tian’i Jehovah ny fanindrahindram-pirenena sy ny fanavakavahana. Manaova fikarohana momba izany sy momba ny foto-kevitra hafa mifandray aminy, ary diniho mandritra ny fianarana samirery na ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ilay izy. Mivavaha mafy amin’i Jehovah avy eo mba hanampiany anao hitovy hevitra aminy.—Vakio ny Romanina 12:2.

Raha tsy te hivadika amin’i Jehovah isika, dia tokony hijoro amin’ny hevitsika foana na misy mandrahona aza (Fehintsoratra 15, 16)

15, 16. a) Inona no efa ampoizintsika, noho isika tsy mivadika amin’Andriamanitra? b) Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany tsy hivadika?

15 Te hanana feon’ny fieritreretana madio ny Kristianina. (1 Pet. 2:19) Na ho ela na ho haingana àry, dia tsy maintsy hanapa-kevitra izy fa tsy hanao hoatran’ny mpiara-miasa, na mpiara-mianatra, na mpiara-monina aminy, na havana, na olon-kafa. Tsy maintsy hampiseho izy amin’izay fa tsy manao ny fanaon’ny olona. Tsy tokony ho gaga izy raha misy mankahala, satria efa nilaza i Jesosy fa hitranga izany. Tadidio fa tsy mahalala momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny ankamaroan’ny mpanohitra. Tsy takatr’izy ireo àry hoe nahoana isika no manohana an’io Fanjakana io fa tsy ny fanjakan’olombelona.

16 Raha tsy te hivadika amin’i Jehovah isika, dia tokony hijoro amin’ny hevitsika foana na misy mandrahona aza. (Dan. 3:16-18) Mety hatahotra daholo ny olona, fa ny tanora no tena matahotra hiavaka amin’ny maro. Ampio àry ny zanakao ho sahy hijoro amin’ny heviny, ohatra hoe rehefa asaina manangan-tsaina na asaina mandray anjara amin’ny fetim-pirenena. Hararaoty ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana mba hanampiana azy hahavita hiatrika olana toy ireny. Ampio izy hahay hanazava ny zavatra inoany sy hanaja ny hafa rehefa manao izany. (Rom. 1:16) Azonao resahina amin’ny mpampianatra ny zanakao koa ny zavatra inoantsika, raha ilaina izany.

TIAVO IZAY REHETRA NOFORONIN’I JEHOVAH

17. Inona no tsy tokony hoeritreretintsika mihitsy, ary nahoana?

17 Ara-dalàna raha tiantsika kokoa ny tany niaviantsika, ny kolontsaina nitaizana antsika, ny fitenintsika, ary ny sakafo mahazatra antsika. Tsy tokony hieritreritra mihitsy anefa isika hoe ny antsika no tsara indrindra. Tian’i Jehovah ho faly isika ka nataony misy karazany maro ny zavatra rehetra noforoniny. (Sal. 104:24; Apok. 4:11) Nahoana àry isika no hanizingizina hoe izao na izao no tsara kokoa?

18. Inona no ho vokany raha mitovy hevitra amin’i Jehovah isika?

18 Tian’Andriamanitra hahalala tsara ny fahamarinana sy hiaina mandrakizay ny karazan’olona rehetra. (Jaona 3:16; 1 Tim. 2:3, 4) Handray soa sy hiray saina isika raha vonona hihaino sy hanaiky ny hevitry ny hafa, na dia tsy mitovy amin’ny antsika aza ilay izy. Tsy tokony handray anjara amin’ny adihevitr’ity tontolo ity mihitsy isika raha tsy te hivadika amin’i Jehovah. Tsy miandany amin’ny olona na fikambanana isika. Tena mankasitraka an’i Jehovah isika satria nafahany tamin’ny fanao mampisaratsaraka sy mampieboebo ary mahatonga fifaninanana, izay fahita eto amin’ny tontolon’i Satana. Enga anie isika ka ho tapa-kevitra ny ho tia fihavanana, toy ilay mpanao salamo nilaza hoe: “Tsara sy mahafinaritra erỳ rehefa miara-monina amim-piraisan-tsaina ny mpirahalahy!”—Sal. 133:1.

^ feh. 10 Zanatany romanina i Filipy. Nizaka ny zom-pirenena romanina àry ny olona sasany teo anivon’ny fiangonana tao, ka nety ho nomen’ny Fanjakana Romanina tombontsoa tsy nananan’ny hafa.

^ feh. 12 Novana ny anarana sasany.