Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo i Jehovah ka Miezaha ho Tia Manome

Tahafo i Jehovah ka Miezaha ho Tia Manome

ANDRIAMANITRA tia manome i Jehovah. (Jak. 1:17) Hita amin’ny zava-drehetra noforoniny izany, hatrany an-danitra ka hatretỳ an-tany. Feno kintana, ohatra, ny lanitra ary rakotra zava-maitso ny tany.—Sal. 65:12, 13; 147:7, 8; 148:3, 4.

Tena nankasitraka ny Mpamorona azy ny mpanao salamo, ka nanao hira hiderana azy. Vakio ny Salamo faha-104, ka jereo raha mitovy ny zavatra tsapanareo. Hoy izy: “Hihira ho an’i Jehovah aho mandritra ny androm-piainako, ary hihira fiderana ho an’Andriamanitro aho raha mbola velona koa.” (Sal. 104:33) Te hanao an’izany koa ve ianao?

TENA TIA MANOME IZY

Tian’i Jehovah halala-tanana toa azy isika. Nohazavainy koa hoe nahoana isika no tokony halala-tanana. Nasainy nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Anaro ny manankarena eto amin’ity tontolo ity, mba tsy hanambony tena, na hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy azo antoka, fa amin’Andriamanitra izay manome antsika be dia be ny zava-drehetra mba hifaliantsika. Anaro koa izy ireny mba hanao soa, sy hanan-karena amin’ny asa tsara, ho tia manome, ho vonon-kizara, ka hanana harena tsara tahiry ho an’ny tenany, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy. Amin’izay izy dia hifikitra mafy amin’ny tena fiainana.”—1 Tim. 6:17-19.

Nasongadin’i Paoly tao amin’ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintianina ny toe-tsaina tokony hananana rehefa manome. Hoy izy: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” (2 Kor. 9:7) Nolazainy koa fa mahasoa ny manome. Mahazo izay ilainy mantsy ilay olona nomena zavatra, ary mahazo fitahiana maro ilay nanome.—2 Kor. 9:11-14.

Inona no porofo miavaka indrindra fa tia manome Andriamanitra? Hoy i Paoly rehefa namarana ny teniny: “Koa hisaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany maimaim-poana tsy hay lazaina!” (2 Kor. 9:15) Anisan’izany fanomezana izany ny zava-tsoa rehetra omeny ny vahoakany, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Tena sarobidy izany ka tsy misy teny mahalaza ny hatsarany.

Inona no hataontsika raha ankasitrahantsika izay efa nataon’i Jehovah sy ny Zanany, ary izay mbola hataony ho antsika? Azontsika atao ny manome ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fananantsika, mba hampandrosoana ny fivavahana marina. Mety foana izay omentsika, na be na kely.—1 Tan. 22:14; 29:3-5; Lioka 21:1-4.