Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Marina Momba ny Eokaristia

Ny Marina Momba ny Eokaristia

Ny Marina Momba ny Eokaristia

OLONA maro eran-tany no mankalaza ny Eokaristia. Manao izany imbetsaka isan-taona ny sasany, ny hafa isan-kerinandro na isan’andro mihitsy aza. Antsoina hoe misterin’ny finoana izy io, ary maro amin’ny olona mankalaza azy no milaza fa tsy mahazo ny dikany. Heverina ho masina sy zava-mahagaga mihitsy izy io.

Fanao mandritra ny Lamesan’ny Katolika ny Eokaristia. Mitso-drano ny mofo sy divay ny pretra, ary avy eo manasa ny mpiangona handray an’i Kristy amin’ny alalan’ny Kominio Masina. * Nilaza ny Papa Benoît Faha-16, fa ny Eokaristia no “votoatin’ny finoana” katolika. Vao haingana ny Eglizy Katolika no nankalaza ny “Taonan’ny Eokaristia”, mba hanentanana ny olona ‘hino azy io indray sy hampitombo ny finoana azy io.’

Tena zava-dehibe amin’ny Katolika io fanao io, na dia ho an’ireo tsy votom-pinoana aza. Nanadihady tovovavy katolika iray malala-tsaina, ohatra, ny gazety Fotoana (anglisy), vao haingana. Hoy ilay tovovavy: “Na inona na inona tsy ekentsika amin’ny foto-pinoan’ny Katolika, dia misy zavatra iray iombonantsika, dia ny fankalazana ny Eokaristia.”

Fa inona moa ny Eokaristia? Tokony hankalaza azy io ve ny mpanara-dia an’i Kristy? Andeha hojerentsika ny niandohan’io fankalazana io. Hojerentsika avy eo raha tena mifanaraka amin’ilay fankalazana voalohany nataon’i Jesosy Kristy, efa ho 2 000 taona lasa, izy io.

Ny Eokaristia sy ny Kristianisma Anarana

Tsy mahagaga raha heverin’ny olona sasany ho zava-mahagaga ny Eokaristia. Misy milaza mantsy fa mandritra ny vavaka amin’ny Eokaristia no itrangan’ilay zava-mahagaga. Milaza ny boky Katesizin’ny Katolika (anglisy), fa amin’io fotoana io dia “eo” mihitsy ny vatan’i Jesosy sy ny rany noho ‘ny herin’ny teniny sy ny asany, ary ny herin’ny Fanahy Masina.’ Mihinana amin’ny mofo sy divay ny pretra, ary mizara ny Kominio amin’ireo mpandray Kominio. Ny mofo na ny Hostia ihany mazàna no zarainy.

Araka ny fampianaran’ny Eglizy Katolika dia miova ho vatana sy ran’i Kristy mihitsy ilay mofo sy divay. Niseho tsikelikely io fampianarana io, ary tamin’ny taonjato faha-13 vao nisy teny manokana nilazana azy. Niadian-kevitra ny lafiny sasany tamin’ny Eokaristia, tamin’ny fotoanan’ny Fanavaozana Protestanta. Tsy neken’i Luther hoe miova ho vatana sy ran’i Kristy ny mofo sy divay. Nampianariny kosa fa ao anatin’ilay mofo sy divay ny vatana sy ran’i Kristy. Tsy dia mifanalavitra anefa ireo hevitra ireo.

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanana hevitra hafa koa ny antokom-pivavahana sasany mitonona ho Kristianina, mahakasika ny dikan’ny Eokaristia sy ny fomba ankalazana azy io ary ny fotoana anaovana azy. Nihevitra azy io ho zava-dehibe foana anefa ny Kristianisma Anarana. Ahoana kosa no nataon’i Jesosy tamin’ilay fankalazana voalohany?

Ny niandohan’ny “sakafo harivan’ny Tompo”

I Jesosy no nanorina ny Fahatsiarovana ny nahafatesany na “ny sakafo harivan’ny Tompo.” (1 Korintianina 11:20, 24) Fombafomba mifono mistery ve no nataony tamin’izany, ka ny vatany sy ny rany mihitsy no nasainy nohanin’ny mpanara-dia azy?

Vao avy nankalaza ny Paska jiosy sy nandroaka an’i Jodasy Iskariota, ilay apostoly namadika azy, i Jesosy. Hoy i Matio, iray tamin’ireo apostoly 11 tavela teo: “Raha mbola nihinana izy ireo, dia nandray mofo i Jesosy. Ary rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra izy, dia notapahiny ilay mofo ka nomeny ny mpianatra, sady hoy izy: ‘Raiso, ka hano. Ity no vatako.’ Nandray kaopy koa izy, ka rehefa avy nisaotra [grika: eu·kha·ri·ste΄sas] an’Andriamanitra, dia nomeny azy ireo ilay kaopy, sady hoy izy: ‘Misotroa amin’ity ianareo rehetra. Fa ity no rako, dia “ny ran’ny fifanekena” izay halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.’ ”—Matio 26:26-28.

Efa fanaon’i Jesosy ny nisaotra na nivavaka rehefa nisakafo, toy ny fanaon’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra. (Deoteronomia 8:10; Matio 6:11; 14:19; 15:36; Marka 6:41; 8:6; Jaona 6:11, 23; Asan’ny Apostoly 27:35; Romanina 14:6) Misy antony tokony hiheverantsika àry ve fa nanao fahagagana izy rehefa nisaotra, ka lasa nihinana ara-bakiteny ny nofony sy ny rany ireo mpanara-dia azy?

Ny dikan’ny hoe “ity no vatako”

Izao no hitantsika ao amin’ny Matio 26:26-28: “Raiso, ka hano. Ity no [grika: e·stin] vatako. ... Misotroa amin’ity ianareo rehetra. Fa ity no [grika: e·stin] rako.” Azo adika koa hoe “midika ho” ilay teny grika hoe e·stin΄, araka ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Mandika an’io teny grika io hoe “izany hoe” sy “hevitry ny” ny Baiboly hafa. * Ny teny manodidina no amaritana izay tena hevitr’ilay hoe e·stin΄. Adika hoe “hevitry ny”, ohatra, izy io ao amin’ny Matio 12:7. Izao no voalazan’ny Fandikan-teny Katolika: “Raha fantatrareo mantsy ny hevitry ny [grika: e·stin] teny hoe: Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona, dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny hianareo.”

Maro àry ny manam-pahaizana momba ny Baiboly, hajain’ny olona, manaiky fa tsy tena mahalaza ilay hevitra tian’i Jesosy holazaina ny hoe “ity no vatako.” Nandinika ny kolontsaina sy ny fiaraha-monina nisy tamin’ny andron’i Jesosy, ohatra, i Jacques Dupont. Nanatsoaka hevitra izy fa ny “tena mety” handikana azy io dia hoe: “Midika ho vatako ity” na “Mifanitsy amin’ny vatako ity.”

Na ahoana na ahoana, dia tsy ho nandidy ny mpanara-dia azy hihinana ny nofony sy hisotro ny rany ara-bakiteny mihitsy i Jesosy. Nahoana? Navelan’Andriamanitra hihinana nofom-biby ny olombelona, taorian’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Norarany tsy hihinan-dra anefa izy ireo. (Genesisy 9:3, 4) Naverina tao amin’ny Lalàn’i Mosesy izany didy izany, ary tena nankatoavin’i Jesosy. (Deoteronomia 12:23; 1 Petera 2:22) Nahazo herin’ny fanahy masina ireo apostoly ka namerina ilay didy hifady ny ra. Tokony hitandrina izany àry ny Kristianina rehetra. (Asan’ny Apostoly 15:20, 29) Hanorina fankalazana izay hahatonga ny mpanara-dia azy handika ny didy masin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ve i Jesosy? Azo antoka fa tsia!

Mazava àry fa manana heviny an’ohatra ilay mofo sy divay nampiasain’i Jesosy. Mifanitsy amin’ny vatany tsy misy ota izay hataony sorona ilay mofo tsy misy lalivay. Ilay divay mena kosa mifanitsy amin’ny rany, izay halatsany “ho an’ny maro ho famelan-keloka.”—Matio 26:28.

Ny zava-kendren’ny Sakafo Harivan’ny Tompo

Namarana an’ilay fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany tamin’ireto teny ireto i Jesosy: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19) Tena manampy antsika hahatsiaro an’i Jesosy sy ny zavatra tena lehibe notanterahin’ny fahafatesany ilay fankalazana. Mampahatsiahy antsika izy io fa nanohana ny zon’i Jehovah hitondra i Jesosy, sady nanome “ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro”, rehefa nanolotra ny ainy lavorary. Afaka manantena ny hafahana amin’ny ota sy hahazo fiainana mandrakizay àry izay rehetra maneho finoana ny sorona nataony.—Matio 20:28.

Ambonin’izany rehetra izany, dia sakafo iraisana ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany 1) i Jehovah Andriamanitra, izay nanao ilay fandaharana ny amin’ny vidim-panavotana, 2) i Jesosy Kristy, ilay “Zanak’ondrin’Andriamanitra”, izay nanome ny vidim-panavotana, ary 3) ireo rahalahin’i Jesosy ara-panahy. Asehon’izy ireo fa tafaray tanteraka amin’i Kristy izy ireo, rehefa mihinana ny mofo sy misotro ny divay. (Jaona 1:29; 1 Korintianina 10:16, 17) Asehon’izy ireo koa fa tafiditra amin’ilay “fifanekena vaovao” izy ireo, satria mpianatr’i Jesosy voahosotry ny fanahy. Ho mpanjaka sy mpisorona hiaraka amin’i Kristy any an-danitra izy ireo.—Lioka 22:20; Jaona 14:2, 3; Apokalypsy 5:9, 10.

Isaky ny inona no tokony hankalazaina ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy? Fantatsika fa tamin’ny Paska i Jesosy no nanorina an’io fankalazana io. Efa 1 500 taona mahery talohan’io ny vahoakan’Andriamanitra fahiny no nanomboka nankalaza ny Paska, izay nahatsiarovan’izy ireo ny namonjen’i Jehovah azy. Isaky ny 14 Nisana amin’ny kalandrie jiosy izy ireo no nanao izany, isan-taona. Nasain’i Jesosy nankalazain’ny mpanara-dia azy tamin’io daty io ilay asa famonjena lehibe lavitra nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Kristy. Mankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo isan-taona àry ny tena mpanara-dia an’i Jesosy, amin’ilay daty mifanitsy amin’ny 14 Nisana amin’ny kalandrie hebreo.

Ny fitiavana hanaraka fombafomba ve no ankalazan’izy ireo azy io? Izany mantsy no antony hankalazan’ny olona maro ny Eokaristia. Hoy ny mpanoratra an’ilay gazety Fotoana nanao ilay fanadihadiana tetsy ambony: “Misy zavatra tena mampitony [anao] rehefa mandray anjara amin’ireo fombafomba fahiny fanaon’ny olona maro [ianao].” Tian’io mpanoratra io raha hatao amin’ny teny latinina toy ny fahiny ilay fankalazana. Izany koa no tian’ny Katolika maro ankehitriny. Nahoana? Hoy ihany izy: “Te handre ny hiran’ny Lamesa amin’ny teny tsy fantatro aho, satria mazàna no tsy tiako ilay izy rehefa atao amin’ny teny anglisy.”

Faly mankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo amin’ny fiteniny kosa ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo olona liana an-tapitrisany, na aiza na aiza misy azy ireo. Faly izy ireo mianatra bebe kokoa momba ny hevitry ny fahafatesan’i Kristy sy ny hasarobidin’izy io. Mendrika ny hosaintsainina sy horesahina mandritra ny taona ny fahamarinana toy izany. Hitan’ny Vavolombelona fa ny fankalazana ny Fahatsiarovana no fomba tsara indrindra hahatsiarovana hatrany ny fitiavana lalina nasehon’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany. Manampy azy ireo izany ‘hanambara foana ny fahafatesan’ny Tompo, mandra-piaviny.’—1 Korintianina 11:26.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Antsoina koa hoe Sakafo Harivan’ny Tompo, Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo, Fandraisana Kominio, Sorona Masina ary Lamesa Masina ny Eokaristia. Avy amin’ny teny grika hoe eu·kha·ri·sti΄a ny hoe “Eokaristia”, ary midika hoe fankasitrahana na fisaorana.

^ feh. 15 Jereo, ohatra, ny Matio 27:46 sy ny Lioka 8:11, ao amin’ny Fandikan-teny Protestanta.

[Teny notsongaina, pejy 27]

Ahoana no nankalazan’i Jesosy ny Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany?

[Sary, pejy 28]

Nanorina ny Fahatsiarovana ny fahafatesany i Jesosy

[Sary, pejy 29]

Fankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy