Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vonona Hanompo An-tsitrapo i Timoty

Vonona Hanompo An-tsitrapo i Timoty

Ampianaro ny Zanakao

Vonona Hanompo An-tsitrapo i Timoty

“VONONA ve ianao?” Efa nisy nanontany anao an’izany ve?... Mety ho tiany ho fantatra hoe efa niomana ve ianao. Te hanontany angamba izy hoe: ‘Efa any daholo ve ny kahienao? Vita ve ny devoaranao?’ Ho hitantsika fa vonona koa i Timoty, vonona hanompo an’Andriamanitra.

Nanompo an-tsitrapo koa izy. Fantatrao ve ny dikan’ny hoe an-tsitrapo?... Tonga dia nanaiky i Timoty rehefa nantsoina, ka nanao toa an’ilay mpanompon’Andriamanitra nilaza hoe: “Inty aho, iraho aho.” (Isaia 6:8) Tsara be ny fiainan’i Timoty, satria vonona hanompo an-tsitrapo izy. Tianao ho fantatra ve ny tantarany?...

Teraka tany Lystra i Timoty, izany hoe an-jatony kilaometatra avy ao Jerosalema. I Eonika no maman’i Timoty, ary Loisa no bebeny. Nazoto nianatra ny Soratra Masina izy ireo, sady nampianatra an’i Timoty hatramin’izy mbola zazakely.—2 Timoty 1:5; 3:15.

Tonga tany Lystra i Paoly sy Barnabasy, tamin’i Timoty mbola zatovo. Tamin’io ny apostoly Paoly no nitory lavitra be voalohany. Azo inoana fa tamin’izay ny maman’i Timoty sy ny bebeny no lasa Kristianina. Fantatrao ve ny nahazo an’i Paoly sy Barnabasy tamin’izay?... Nisy olona tsy tia Kristianina tany Lystra. Notorahan’izy ireo vato i Paoly ka torana, ary notaritaritiny nivoaka ny tanàna. Noheverin’izy ireo fa maty izy.

Nisy koa anefa olona nino ny fampianaran’i Paoly. Ireo no nanampy azy, ka afaka nitsangana izy. Lasa i Paoly sy Barnabasy ny ampitson’iny, nefa niverina tao Lystra ihany taoriana kelin’izay. Nanao lahateny i Paoly tamin’izay, ary niteny tamin’ireo mpianatra hoe: “Tsy maintsy amin’ny fahoriana maro no idirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 14:8-22) Inona no dikan’izany?... Ny tiany holazaina dia hoe hampijalin’ny olona ny mpanompon’Andriamanitra. Nanoratra ho an’i Timoty izy tatỳ aoriana, hoe: ‘Henjehina izay rehetra te hankatò an’Andriamanitra.’—2 Timoty 3:12; Jaona 15:20.

Nody i Paoly sy Barnabasy rehefa avy tany Lystra. I Silasy indray no nentin’i Paoly, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Niverina tany amin’izay nitorian’i Paoly izy ireo, mba hampahery an’ireo mpianatra vaovao. Tonga tany Lystra izy ireo, ka faly be i Timoty nahita an’i Paoly indray! Vao mainka izy faly rehefa nantsoin’i Paoly hiaraka tamin’izy ireo. Nanaiky izy satria vonona ny handeha an-tsitrapo.—Asan’ny Apostoly 15:40–16:5.

Nandeha an-tongotra kilaometatra maro aloha izy telo, vao nandray sambo. Nandeha an-tongotra nankany Tesalonika any Gresy indray izy ireo, avy eo. Olona maro no lasa Kristianina tany. Nisy anefa tezitra, ka saika hamono azy ireo. Nankany Beria àry i Paoly sy Silasy ary Timoty.—Asan’ny Apostoly 17:1-10.

Nieritreritra an’ireo mpino vaovao tany Tesalonika i Paoly. Nasainy niverina tany àry i Timoty. Fantatrao ve hoe mba hanao inona?... Hoy i Paoly tamin’ireo Kristianina tany: ‘Hanatanjaka sy hampahery anareo izy, mba tsy hisy ho kivy ianareo.’ Fantatrao ve hoe maninona i Timoty no nirahin’i Paoly tany amin’ny toerana mampidi-doza, nefa izy mbola tanora kely?... Satria tsy dia fantatr’ireo mpanohitra izy, sady vonona handeha an-tsitrapo koa. Ary tena sahy izy matoa nandeha tany! Inona no vokany? Rehefa niverina i Timoty, dia nilaza tamin’i Paoly fa tena nahatoky ireo mpianatra tany Tesalonika. Nanoratra ho azy ireo àry i Paoly hoe: ‘Nahazo fampiononana izahay noho ny aminareo.’—1 Tesalonianina 3:2-7.

Niara-nanompo nandritra ny folo taona i Paoly sy Timoty, taorian’izay. Nigadra tany Roma i Paoly avy eo, ary nankany aminy i Timoty, izay vao avy nigadra koa. Nandefa taratasy ho an’ny Filipianina i Paoly tao am-ponja. I Timoty angamba no nasainy nanoratra. Hoy izy: ‘Tiako hirahina ho any aminareo i Timoty. Fa tsy mahita olon-kafa mahatoky toa azy aho, izay tena hanompo anareo.’—Filipianina 2:19-22; Hebreo 13:23.

Faly erỳ i Timoty nahare an’izany! Tena tia azy i Paoly satria vonona hanompo an-tsitrapo izy. Enga anie ianao mba hanahaka azy.

Fanontaniana:

○ Taiza ny tanàna nahabe an’i Timoty, ary inona no nahazo an’i Paoly tamin’izy nankany voalohany?

○ Inona no nataon’i Timoty rehefa nantsoin’i Paoly hiaraka taminy sy Silasy izy?

○ Ahoana no ahitana hoe tena sahy i Timoty, ary nahoana i Paoly no tia be azy?

[Sary, pejy 24]

Inona no nitranga teto?