Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Masina Izaho Jehovah Andriamanitrareo”

“Masina Izaho Jehovah Andriamanitrareo”

Manatòna An’Andriamanitra

“Masina Izaho Jehovah Andriamanitrareo”

Levitikosy Toko Faha-19

“MASINA, masina, masina i Jehovah Andriamanitra.” (Apokalypsy 4:8) Milaza ny Baiboly eo fa masina i Jehovah. Faran’izay madio ny hoe masina. Tafasaraka tanteraka amin’ny ota Andriamanitra. Tsy manota mihitsy izy. Midika ve izany fa tsy afaka ny hifandray aminy ny olona tsy lavorary? Tsia! Andeha hodinihintsika ny Levitikosy toko faha-19. Mampahery antsika izy io.

Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mitenena amin’ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely hoe: ‘Aoka ho masina ianareo, satria masina izaho Jehovah Andriamanitrareo.’ ” (Andininy 2) Nihatra tamin’ny Israelita tsirairay izany teny izany. Tsy maintsy nanana fitondran-tena masina izy ireo. Didy ilay hoe “aoka ho”, fa tsy soso-kevitra. Zavatra tsy ho vitan’izy ireo ve no notakin’Andriamanitra?

Mariho fa tsy notakin’i Jehovah hitovy fahamasinana aminy ny Israelita. Tsy ho vitan’ny olona mihitsy mantsy izany satria “Masina Indrindra” i Jehovah, izany hoe tsy misy masina tahaka azy. (Ohabolana 30:3) Fahamasinana araka izay vitan’ny olona tsy lavorary kosa no takiny amin’ny mpanompony. Tiany ho masina fotsiny izy ireo satria masina izy. Inona no azon’izy ireo atao mba hampisehoana ny fahamasinany?

Nanome didy hafa ho an’ny Israelita i Jehovah, taorian’ny nandidiany azy ireo mba ho masina. Mahakasika ny lafiny rehetra amin’ny fiainana ireo didy ireo. Anisan’izany ny hoe mila manaja ny ray aman-dreny sy ny zokiolona (andininy 3, 32); tsara fanahy amin’ny marenina sy ny jamba ary ny ory (andininy 9, 10, 14); manao ny marina sy tsy miangatra (andininy 11-13, 15, 35, 36); ary tia ny namana tahaka ny tena. (Andininy 18) Ho ‘masina eo anatrehan’Andriamanitra’ ny Israelita raha nankatò an’ireo didy ireo sy ny hafa koa.—Nomery 15:40.

Ahafantarantsika kokoa ny fisainan’i Jehovah Andriamanitra sy ny fitsipiny ilay didy hoe tokony ho masina. Tokony hanao izay fara herintsika, ohatra, isika mba hanarahana ireo fitsipiny momba ny fitondran-tena masina, raha tiantsika ny ho akaiky azy. (1 Petera 1:15, 16) Ho tsara ny fiainantsika, raha manaraka azy ireny isika.—Isaia 48:17.

Tena matoky ny mpanompony koa i Jehovah matoa nandidy azy ireo mba ho masina. Tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika mantsy izy. (Salamo 103:13, 14) Fantany fa afaka miezaka ny ho masina isika, na dia tsy hitovy aminy tanteraka aza. Natao araka ny endriny mantsy isika. (Genesisy 1:26) Irinao àry ve ny handalina hoe inona no tokony hatao raha te hanatona an’i Jehovah, ilay Andriamanitra masina?

[Sary, pejy 9]

Afaka miezaka ny ho masina isika