Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Inona no Hohaninay?”

“Inona no Hohaninay?”

“Inona no Hohaninay?”

HITA niverimberina teo amin’ny fanompoan’i Jesosy ny resaka sakafo sy zava-pisotro. Nanova rano ho divay, ohatra, izy. Indroa koa izy no namahana olona an’arivony tamin’ny mofo sy trondro vitsivitsy. (Matio 16:7-10; Jaona 2:3-11) Tsy nihafahafa koa izy, fa niara-nisakafo tamin’ny mahantra sy manankarena, ka nolazain’ny fahavalony fa tendan-kanina sy mpiboboka divay. (Matio 11:18, 19) Mazava ho azy fa tsy marina izany. Na izany aza, dia fantatr’i Jesosy fa zava-dehibe amin’ny olona ny sakafo sy zava-pisotro, ka nataony fanoharana rehefa nampianatra izy.—Lioka 22:14-20; Jaona 6:35-40.

Inona no sakafo sy zava-pisotro fahita tamin’izany? Inona no nilaina natao mba hikarakarana azy ireny? Andeha hojerentsika ireo. Ho azontsika kokoa amin’izay ny zava-nitranga sy ny teny sasany ao amin’ny Filazantsara.

Omeo anay “izay hanina sahaza anay anio”

Nilaza i Jesosy fa azon’ny mpianany atao ny mangataka amin’Andriamanitra ny “hanina sahaza” isan’andro. (Matio 6:11) Mofo no foto-tsakafon’ny Jiosy fahiny, ka midika ara-bakiteny hoe “mihina-mofo” ny hoe “mihinan-kanina” amin’ny teny hebreo sy grika. Vary isan-karazany na voamadinika no nanaovana mofo, ka eo ny varimbazaha, vary orza, vary spelta, avoanina ary ampemby. Milaza ny mpikaroka fa nahalany mofo 200 kilao teo ho eo isan-taona ny Jiosy iray, ary avy tamin’izany ny antsasaky ny hery nilainy.

Nisy mofo teny an-tsena, saingy naleon’ny ankamaroan’ny olona nanamboatra, na dia asa be aza izany. Hoy ny boky Mofo, Divay, Rindrina ary Horonam-boky (anglisy): “Mora simba ny lafarinina, ka sarotra tehirizina. Tsy maintsy nitoto koba isan’andro àry ny renim-pianakaviana.” Adiny firy izy no nanao izany? Hoy ihany ilay boky: ‘Adiny iray no lany hitotoana varimbazaha iray kilao, nefa latsak’io ny lafarinina azo. Lafarinina antsasa-kilao anefa vao ampy olona iray isan’andro. Raha dimy na enina àry ny olona ao an-trano, dia adiny telo vao nahavita lafarinina ampy azy rehetra.’

Eritrereto àry ny asa nataon’i Maria, renin’i Jesosy. Dimy ny zanany lahy, ary roa fara fahakeliny ny zanany vavy. Mbola teo koa ny vadiny. (Matio 13:55, 56) Tsy maintsy nanao mofo ampy ho an’ireo anefa izy, ankoatra ny raharahany hafa. Niasa mafy tokoa ny vehivavy jiosy mba hikarakarana ny “hanina sahaza” isan’andro.

“Avia hisakafo maraina”

Niseho tamin’ny mpianany vitsivitsy i Jesosy, indray maraina, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Vizana ireo mpianatra ireo, satria nanarato nandritra ny alina nefa tsy nahazo na inona na inona. Nantsoiny àry izy ireo hoe: “Avia hisakafo maraina.” Efa nikarakara trondro sy mofo ho azy ireo mantsy izy. (Jaona 21:9-13) Nahazatra ny Jiosy tokoa isa-maraina ny nihinana mofo, voanjo, ary voaloboka na oliva, na dia eo amin’io andininy io ihany aza ny Filazantsara no miresaka momba ny sakafo maraina.

Inona kosa ny sakafo antoandro? Inona no fihinan’ny sarambaben’olona? Hoy ny boky Fiainan’ny Israelita Fahiny (anglisy): “Tsy sakafo be [ilay izy] fa mofo, voamadinika, oliva, ary aviavy.” Mety ho ireo no nentin’ny mpianatra avy tany Sykara, tamin’izy ireo nahita an’i Jesosy niresaka tamin’ny vehivavy samaritanina teo am-pantsakana. Tokotokony ho “tamin’ny ora fahenina” na mitataovovonana izy ireo no “nividy hanina tany an-tanàna.”—Jaona 4:5-8.

Isaky ny hariva ny Jiosy vao nisakafo be. Hoy ny boky iray: “Nihinana mofo na koba marihitra ny ankamaroan’ny olona. Vita tamin’ny orza na voamadinika sy voamaina ireo, ary indraindray vita tamin’ny varimbazaha. Nohanina niaraka tamin’ny sira sy menaka na oliva ilay izy mazàna. Indraindray koa anefa nampiarahina tamin’ny saosy ..., na tantely, na ranom-boankazo.” Nisy koa nisotro ronono, na nihinana fromazy sy legioma ary voankazo vao notazana na nohamainina. Nisy karazana legioma 30 teo ho eo tamin’izany, toy ny tongolobe, tongolo lay, radia, karaoty, ary laisoa. Maherin’ny 25 koa ny karazam-boankazo, toy ny 1) aviavy sy 2) antrendry ary 3) ampongabendanitra.

Indray hariva, dia nanasa an’i Jesosy hisakafo i Marta sy Maria ary Lazarosy anadahin’izy ireo. Eritrereto hoe nisy tamin’ireo sakafo ireo teo ambony latabatra. Nohosoran’i Maria “narda tena izy” na menaka manitra lafo vidy ny tongotr’i Jesosy tamin’izay. Alao sary an-tsaina ange ny fameroveron’ilay izy sy ny fofon’ireo sakafo e!—Jaona 12:1-3.

“Rehefa manasa olona hisakafo ianao”

Nampianatra lesona lehibe i Jesosy, indray andro, rehefa nisakafo tao “an-tranon’ny anankiray tamin’ny lehiben’ny Fariseo.” Hoy izy: ‘Ny mahantra sy ny kilemaina sy ny malemy tongotra ary ny jamba no asao, rehefa manasa olona hisakafo ianao. Amin’izay dia ho sambatra ianao, satria tsy manan-kavaly anao ireo. Fa hovaliana kosa ianao amin’ny fitsanganan’ny marina.’ (Lioka 14:1-14) Inona no sakafo mety ho naroson’ny Fariseo tamin’ny fanasana?

Raha nanan-karena izy, dia mety ho nandroso mofo hafakely isan-karazany, nasiana divay, na tantely, na ronono, na zavamanitra. Mety ho nisy dibera, fromazy, oliva vao notazana na nalona, ary menaka oliva koa teo ambony latabatra. Hoy ny boky Sakafo Fahiny (anglisy): “Roapolo kilao isan-taona ny menaka oliva lanin’ny olona iray. Nampiasa menaka oliva koa izy mba hanatsarana tarehy sy hatao amin’ny jiro.”

Raha nonina tany amoron-dranomasina ilay Fariseo, dia mety ho norosoany trondro vao avy nojonoina ny vahininy. Trondro nalona sira kosa mazàna no naroson’ireo nipetraka tany afovoan-tany. Mety ho nandroso hena koa anefa izy, ary zavatra tsy fahita izany ho an’ny vahiny mahantra. Atody mantsy no fihinana andavanandro. (Lioka 11:12) Mety ho nasiana zavamanitra, toy ny solila, aneta, komina, na voan-tsinapy ireo sakafo ireo, mba hampahatsiro kokoa azy. (Matio 13:31; 23:23; Lioka 11:42) Varimbazaha natao anaty lafaoro kosa no tsindrin-tsakafo. Nampiarahina tamin’ny amandy sy tantely ary zavamanitra ilay izy.

Mety ho norosoana divay koa ny vahiny, na nomena voaloboka vao notazana na maina. Tena tia nisotro divay ny Jiosy. An’arivony mantsy ny famiazam-boaloboka hita tany Palestina. Nisy lavaka 63 fitehirizana divay koa tany Gibeona. Vato nolavahana izy ireo, ary nahazaka divay 100 000 litatra teo ho eo.

“Aza manahy mihitsy”

Rehefa mamaky ny Filazantsara ianao, dia mariho fa imbetsaka i Jesosy no niresaka momba ny sakafo na zava-pisotro, rehefa nanao fanoharana. Nampianatra lesona lehibe koa izy rehefa nisy nanasa. Tia nihinana sy nisotro izy sy ny mpianany, indrindra rehefa niaraka tamin’ny namany. Tsy izany anefa no tena zava-dehibe taminy.

Nampianatra ny mpianany hahay handanjalanja i Jesosy. Hoy izy: “Aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’, na ‘Inona no hosotroinay?’, na ‘Inona no hotafinay?’ Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.” (Matio 6:31, 32) Nankatò izany ny mpianany, ka nokarakarain’Andriamanitra. (2 Korintianina 9:8) Marina fa tsy mitovy amin’ny an’ny Jiosy fahiny ny sakafonao. Matokia anefa fa hanome izay ilainao Andriamanitra, raha mikatsaka ny fanjakany alohan’ny zavatra hafa rehetra ianao.—Matio 6:33, 34.