Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hita Ihany Ilay Baiboly!

Hita Ihany Ilay Baiboly!

Hita Ihany Ilay Baiboly!

TSY dia nanana zavatra anoratana ny olona taloha. Taratasy vita amin’ny hodi-biby malefaka na zavatra hafa no nanoratana. Rehefa tsy nilaina intsony ilay soratra, dia nokikisana na nofafana tamin’ny spaonjy mando ilay ranomainty, ary nanoratana indray ilay taratasy. Nisy namafa toy izany ny taratasy nandikana ny Baiboly sasany, mba hanoratana zavatra hafa.

Anisan’izany ny boky sora-tanana atao hoe Kôdeksa Ephraemi. Sarobidy be izy io satria ny Soratra Grika Kristianina na ny “Testamenta Vaovao” voarakitra tao, no anisan’ny tranainy indrindra amin’ireo natao dika mitovy. Noho izany, dia io no porofo tsara indrindra ahafantarana hoe tsy niova ny Soratra Grika Kristianina, ao amin’ny Baiboly ankehitriny.

Tamin’ny taona 400 tany ho any no nadika tamin’io boky io ny Soratra Masina. Nofafana tamin’ny taona 1100 tany ho any izy io, ary notsindriana toriteny 38. Toritenin’i Éphrem, manam-pahaizana syrianina, ireo ary voadika tamin’ny teny grika. Tamin’ny taona 1600 tany ho any vao voamariky ny manam-pahaizana ireo soratra voatsindry. Vitan’izy ireo ny namantatra ny ampahany tamin’izy io, nandritra ireo taona nanaraka. Sarotra be anefa ny namantatra azy rehetra, satria tsy tena hita tsara ny dian’ilay soratra sady voatsindry soratra hafa, ary efa simba ny taratasy maro. Nasiana zavatra simika àry ireo taratasy, mba hampahazava kokoa an’ilay soratra voatsindry sy hahafahana hamaky azy. Tsy nisy vokany loatra anefa izany, ka nihevitra ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa tsy ho fantatra intsony izy io.

Mbola nilofo nandinika an’ilay izy ihany anefa ilay Alemà atao hoe Konstantin von Tischendorf, nanomboka tamin’ny 1840 tany ho any. Voavakiny tao anatin’ny roa taona ilay soratra. Nahoana izy no nahavita izany, nefa ny hafa tsy nahavita?

Satria manam-pahaizana momba ny teny izy, ary hainy tsara ny mamaky soratra grika tranainy miendrika sora-baventy. * Hitany koa fa tarafina amin’ny jiro fotsiny ilay taratasy, dia fantatra ilay soratra voatsindry. Izy rahateo matsilo maso! Mila jiro na taratra manokana ny manam-pahaizana ankehitriny vao mahavita toy izany.

Tamin’ny 1843 sy 1845 no navoakan’i Tischendorf tamin’ny boky ilay Soratra Masina voatsindry tao amin’ny Kôdeksa Ephraemi. Nanjary nalaza izy hoe anisan’ireo manam-pahaizana voalohany momba ny sora-tanana grika fahiny.

Mirefy 30 santimetatra eo ho eo ny halavan’ny Kôdeksa Ephraemi, ary 25 santimetatra eo ho eo ny sakany. Io no tranainy indrindra amin’ireo boky sora-tanana ahitana tsanganana tokana isaky ny pejy. Taratasy 209 sisa no voatahiry amin’izy io: Hita ao amin’ireo taratasy 145 ny ampahany amin’ireo boky rehetra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, afa-tsy ny Tesalonianina faharoa sy Jaona faharoa. Hita ao amin’ireo taratasy ambiny ny ampahany amin’ny “Testamenta Taloha” nadika teny grika.

Ao amin’ny Tranombokim-pirenena any Paris no tehirizina io kôdeksa io. Nihevitra i Tischendorf fa avy tany Ejipta izy io, nefa tsy tena azo antoka izany. Efatra no manan-danja amin’ireo Baiboly sora-tanana grika fahiny miendrika sora-baventy. Nilaza ny manam-pahaizana fa anisan’ireo ny Kôdeksa Ephraemi. Ireto ny telo hafa: Kôdeksa Sinaiticus sy Kôdeksa Alexandrinus ary Kôdeksa Vaticanus 1209, izay samy nosoratana tamin’ny taona 300 sy 400 tany ho any.

Mahavariana tokoa ireo fomba maro isan-karazany niarovana ny Soratra Masina. Anisan’izany ireo taratasy nandikana Baiboly izay voatsindry soratra hafa. Tsy voafafa tanteraka ilay izy na dia nikosoka azy io aza ny olona tsy nankasitraka azy. Marina tokoa ny tenin’ny apostoly Petera hoe: ‘Maharitra mandrakizay ny tenin’i Jehovah.’—1 Petera 1:25.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 I Tischendorf no nahita ny Baiboly sora-tanana atao hoe Kôdeksa Sinaiticus, tao amin’ny Monasiteran’i Masimbavy Catherine, eo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay. Izany no tena nampahalaza azy. Ny Soratra Hebreo na “Testamenta Taloha” voadika amin’ny teny grika no ao amin’io kôdeksa io, ary anisan’ny tranainy indrindra izy io.

[Kisary/Sary, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

Kôdeksa Ephraemi: Voavakin’i Tischendorf ilay soratra voatsindry tao amin’izy io

DIAN’ILAY SORATRA MASINA TEO VOALOHANY

ILAY TORITENY GRIKA MANINDRY AZY

[Sary nahazoan-dalana]

© Bibliothèque nationale de France

[Sary, pejy 17]

Ny Kôdeksa Sinaiticus, hita tao amin’ny Monasiteran’i Masimbavy Catherine

[Sary, pejy 17]

Tischendorf (1815-1874)