Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mankany An-danitra Daholo ve ny Tsara Fanahy?

Mankany An-danitra Daholo ve ny Tsara Fanahy?

Mankany An-danitra Daholo ve ny Tsara Fanahy?

REHEFA avy niara-nisakafo farany tamin’ny apostoliny i Jesosy ny alina talohan’ny nahafatesany, dia nampanantena azy ireo fa hanome azy toerana any an-danitra. Hoy izy: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fonenana maro. Raha tsy izany, dia ho efa nilazako ianareo satria handeha hanomana toerana ho anareo aho.” (Jaona 14:2) Nahoana izy ireo no homen’i Jesosy toerana any an-danitra? Inona no hataony any?

Nomen’i Jesosy asa manokana ny mpianany. Hoy izy: “Ianareo no nifikitra tamiko tao anatin’ireo fitsapana nahazo ahy. Koa manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana.” (Lioka 22:28, 29) Nampanantena an’i Jesosy Andriamanitra fa hotendreny ho Mpanjaka izy, ary hahay hitondra ny olombelona. Hanafoana ny fijalian’ny olona i Jesosy, ary handringana an’izay manambaka azy ireo. Hanjaka avy any an-danitra izy, ary hisy vahoakany “hatrany amin’ny faran’ny tany.”—Salamo 72:4, 8; Daniela 7:13, 14.

Tsy hanjaka irery anefa i Jesosy, satria nampanantena toerana ho an’ny apostoliny. Izy ireo no voafidy voalohany ho any an-danitra mba “ho mpanjaka hitondra ny tany.”—Apokalypsy 5:10.

Firy no ho any an-danitra? Toy ny fitondrana rehetra, dia vitsy noho ny vahoaka ny mpitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy i Jesosy tamin’ireo hiara-manjaka aminy: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” (Lioka 12:32) Miisa 144 000 ireo “ondry vitsy” ireo. (Apokalypsy 14:1) Vitsy izy ireo raha oharina amin’ireo olom-peheziny an-tapitrisany hiaina mandrakizay eto an-tany.—Apokalypsy 21:4.

Tsy ny tsara fanahy rehetra àry no ho any an-danitra. Tsara fanahy, ohatra, i Davida Mpanjaka, nefa hoy ny apostoly Petera momba azy: “Tsy niakatra tany an-danitra i Davida.” (Asan’ny Apostoly 2:34) Olo-marina koa i Jaona Mpanao Batisa, nefa tsy hanjaka any an-danitra. Hoy i Jesosy: “Amin’izay natera-behivavy, dia mbola tsy nisy lehibe noho i Jaona Mpanao Batisa. Izay kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra anefa dia lehibe noho izy.”—Matio 11:11.

Valisoa ho an’ny tsara fanahy

Inona no tokony hataonao, raha te hiaina mandrakizay eto an-tany ianao? Hoy i Jesosy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Tia antsika Andriamanitra, ka nilaza fa afaka mahazo fiainana mandrakizay daholo isika, raha “maneho finoana.”

Mila mahalala ny marina momba an’Andriamanitra anefa ianao, raha te hanam-pinoana. (Jaona 17:3) Fantaro koa ny fikasany, mba ho hita fa olo-marina ianao, ary asehoy fa mino izay ianaranao ianao. Ho afaka hiaina mandrakizay ianao raha manao izany.

[Efajoro, pejy 7]

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Fanontaniana:

Manao ahoana ny tsara fanahy, rehefa maty?

Valiny:

‘Ny maty tsy mahalala na inona na inona.’​MPITORITENY 9:5.

Fanontaniana:

Inona no hitranga amin’izy ireny amin’ny hoavy?

Valiny:

‘Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feon’i Jesosy, dia hivoaka izy ireo.’​JAONA 5:28, 29.

Fanontaniana:

Aiza ny ankamaroany no hiaina mandrakizay?

Valiny:

“Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”​SALAMO 37:29.