Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Balsama any Gileada, Menaka Manitra Mahasitrana

Balsama any Gileada, Menaka Manitra Mahasitrana

Balsama any Gileada, Menaka Manitra Mahasitrana

MISY tantara malaza momba an’i Josefa ao amin’ny Genesisy. Namidin’ny rahalahiny tamin’ny mpivarotra ismaelita izy. Niara-dia avy any Gileada ireo Ismaelita ireo, ary nitondra balsama sy zavatra hafa teo ambony ramevany, mba hoentina ho any Ejipta. (Genesisy 37:25) Hita amin’io tantara fohy io hoe tena tian’ny olona tany Israely sy tany amin’ny firenena manodidina azy ny balsama avy any Gileada. Mahasitrana mantsy izy io.

Nanontany tamin’alahelo toy izao anefa i Jeremia mpaminany, tamin’ny taonjato fahenina T.K.: “Tsy misy balsama angaha any Gileada?” (Jeremia 8:22) Inona no nahatonga azy hanontany toy izany? Fa inona ilay balsama? Mbola misy balsama mahasitrana ve ankehitriny?

Balsama tamin’ny andron’ny Israely

Tsy voninkazo akory ny balsama resahin’ny Baiboly fa menaka. Matetika izy io no ditin-kazo na zavatra toy ny menaka nalaina tamin’ny hazo na zavamaniry samihafa. Manitra be izy io. Sarobidy ny menaka balsama tamin’izany andro izany, ary matetika izy io no nampiasaina hanaovana emboka manitra sy ranomanitra. Nisy balsama ny “menaka masina fanosorana” sy ny “emboka manitra” nampiasaina tao amin’ny tranolay masina, taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta. (Eksodosy 25:6; 35:8) Nisy menaka balsama koa tamin’ireo fanomezana be dia be nentin’ny mpanjakavavin’i Sheba ho an’i Solomona Mpanjaka. (1 Mpanjaka 10:2, 10) ‘Niotra enim-bolana tamin’ny menaka balsama’ koa i Estera rehefa nokarakaraina ny bika aman’endriny, talohan’ny nisehoany teo anatrehan’i Ahasoerosy, mpanjaka persianina.—Estera 1:1; 2:12.

Nisy menaka balsama tany amin’ny faritra maro tany Israely sy ny manodidina azy. Ny ‘balsama any Gileada’ kosa avy tao Gileada ihany, faritra iray tao Israely, atsinanan’ny Reniranon’i Jordana. Anisan’ny “vokatra tsara indrindra” ny balsama tamin’i Jakoba, ka nalefany ho fanomezana tany Ejipta. (Genesisy 43:11) Nilaza koa i Ezekiela mpaminany fa anisan’ny entam-barotra naondran’i Joda sy Israely tany Tyro ny balsama. (Ezekiela 27:17) Nalaza ho mahasitrana izy io. Matetika ny boky fahiny no miresaka momba izany ary lazainy fa ny fery no tena sitrany.

Firenena marary mila balsama

Nahoana anefa i Jeremia no nanontany hoe: “Tsy misy balsama angaha any Gileada”? Satria narary ara-panahy ny firenen’Israely. Efa narary izy ireo tamin’ny andron’i Isaia mpaminany, ka hoy i Isaia: ‘Tsy misy tsy marary hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia. Tsy nisy nopotserina na nofehezina anefa ny ratra sy ny mangana ary ny fery vao.’ (Isaia 1:6) Tsy niaiky ny Israelita hoe tena nampahonena ny nanjo azy. Tsy nitady fanasitranana izy ireo, fa nikomy tamin’i Jehovah foana. Tsy niova izy ireo na dia tamin’ny andron’i Jeremia aza, ka nitaraina i Jeremia hoe: “Ny tenin’i Jehovah no nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany?” Raha niverina tamin’i Jehovah tokoa mantsy izy ireo, dia ho nahazo fanasitranana ara-panahy. Mampisaintsaina àry ilay fanontanian’i Jeremia hoe: “Tsy misy balsama angaha any Gileada?”—Jeremia 8:9.

Toy ny hoe ‘maratra sy mangana’ ary misy “fery vao” koa ny olona ankehitriny. Mijaly ny olona noho ny fahantrana, ny tsy rariny, ny fitiavan-tena, ary ny tsy fisian’ny hatsaram-panahy. Mihatsy tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy intsony mantsy ny olona. (Matio 24:12; 2 Timoty 3:1-5) Maro no mahatsiaro ho voailikilika noho ny firazanany na ny taonany. Manampy trotraka an’izany ny mosary, ny aretina, ny ady, ny fahafatesana. Mbola misy “balsama” àry ve “any Gileada”? Maniry an’izany ny olona tso-po maro ankehitriny, mba hanasitranana ny ratram-po sy ny aretina ara-panahy mahazo ny olona.

Vaovao tsara manasitrana

Naniry an’izany fanasitranana izany koa ny olona nanetry tena tamin’ny andron’i Jesosy. Tsy diso fanantenana izy ireo. Nankao amin’ny synagoga tany Nazareta i Jesosy, tany am-piandohan’ny taona 30, ary namaky ny horonam-bokin’i Isaia nanao hoe: “I Jehovah nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mpandefitra. Naniraka ahy izy mba hamehy ny ratran’ny torotoro fo.” (Isaia 61:1) Nampiharin’i Jesosy tamin’ny tenany ireo teny ireo, ka nilaza izy fa izy no Mesia nirahina hitory hafatra mampahery.—Lioka 4:16-21.

Nazoto nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy. (Matio 4:17) Izao no nampanantenainy an’ireo nijaly, tamin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo.” (Lioka 6:21) Toy ny hoe ‘namehy ny ratran’ny torotoro fo’ i Jesosy rehefa nitory an’ilay hafatra manome fanantenana, momba ny Fanjakan’Andriamanitra hoavy.

Mbola mampahery toy izany “ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana” amin’izao androntsika izao. (Matio 6:10; 9:35) Nahatsapa izany i Roger sy Liliane. Tamin’ny Janoary 1961 izy ireo no nahalala voalohany fa mampanantena fiainana mandrakizay Andriamanitra. Toy ny menaka balsama mampitony izany tamin’izy ireo. Hoy i Liliane: “Tena faly aho tamin’izay noho ny zavatra nianarako, ka nandihindihy eran’ny lakozia.” Hoy koa i Roger, izay nalemy ila nandritra ny folo taona tamin’izay: “Lasa tena nahafaly ahy ny fiainana noho ny fanantenana mahafinaritra hoe hitsangana ny maty ary hifarana ny fanaintainana sy ny aretina rehetra.”—Apokalypsy 21:4.

Maty ny zanak’izy ireo lahy, 11 taona, tamin’ny taona 1970. Tsy kivy anefa izy ireo. Tsapan’izy ireo fa ‘manasitrana an’ireo torotoro fo i Jehovah, ary manisy fehy ny ratran’izy ireo.’ (Salamo 147:3) Nampionona azy ireo ny fanantenany. Efa ho 50 taona izao izy ireo no nilamin-tsaina sy afa-po noho ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra.

Fanasitranana hoavy

Mbola misy “balsama” avy “any Gileada” ve amin’izao andro izao? Eny, mbola misy balsama ara-panahy. Afaka mamehy ny ratran’ireo torotoro fo ny fampiononana sy ny fampanantenana avy amin’ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Te hahazo izany fanasitranana izany ve ianao? Sokafy àry ny fonao mba handray ny hafatra mampionona avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary avelao hanan-kery eo amin’ny fiainanao izany. Olona an-tapitrisany no efa nanao toy izany.

Santionan’ilay fanasitranana lehibe kokoa mbola hoavy ny fanasitranana ara-panahy ankehitriny. Mihamanatona haingana ny fotoana hanasitranan’i Jehovah Andriamanitra ny “firenena”, ary hiaina mandrakizay izy ireo. “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho’ ” amin’izay fotoana izay. Mbola misy “balsama” tokoa “any Gileada”!—Apokalypsy 22:2; Isaia 33:24.

[Sary, pejy 23]

Mbola mampitony ny fanaintainan’ireo torotoro fo ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra