Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Marina Momba ny Ota

Ny Marina Momba ny Ota

Ny Marina Momba ny Ota

AFAKA manaporofo ve ny marary iray fa tsy voan’ny tazo, satria nopotehiny ny fitaovana fijerena hafanana? Mazava ho azy fa tsia. Maro koa no mandà ny fiheveran’Andriamanitra ny fahotana, nefa tsy midika izany hoe tsy misy izy io. Miresaka betsaka momba azy io ny Baiboly. Inona marina no ampianariny momba ny ota?

Tsy ho vitantsika tanteraka izany

Nasehon’ny apostoly Paoly tamin’ny teniny, roa arivo taona lasa izay, fa kivy izy satria ‘tsy ny tsara izay sitrany no ataony, fa ny ratsy izay tsy sitrany no ataony fanao.’ (Romanina 7:19) Raha tso-po isika, dia hiaiky toy izany koa. Mety haniry hankatò ny Didy Folo na ny fitsipi-pitondran-tena hafa isika, nefa tsy hahavita tanteraka an’izany, na tiantsika na tsia. Tsy vitantsika fotsiny ilay izy, fa tsy hoe manao fanahy iniana isika. Nahoana? Hoy i Paoly: “Koa raha izay tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manatanteraka izany, fa ny ota mitoetra ato anatiko.”—Romanina 7:20.

Toa an’i Paoly ny olombelona rehetra, ka manana fahalemena. Porofoin’izany fa nandova ota isika ary tsy lavorary. Hoy ilay apostoly: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” Nahoana? Hoy ihany izy: ‘Niditra avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao ny ota, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’—Romanina 3:23; 5:12.

Izao no ampianarin’ny Baiboly, na dia tsy eken’ny maro aza: Tafasaraka amin’Andriamanitra isika ary tsy lavorary intsony, satria nandika lalàna ny ray aman-drenintsika voalohany. Nino ny tantaran’i Adama sy Eva i Jesosy, matoa nanonona ny toko voalohandohany amin’ny Genesisy.—Genesisy 1:27; 2:24; 5:2; Matio 19:1-5.

Hevi-dehibe ao amin’ny Baiboly ny hoe nanketỳ an-tany i Jesosy mba hanavotra an’ireo mino azy, ka hanafaka azy ireo amin’ny ota. (Jaona 3:16) Tsy afaka manavo-tena isika, ka tsy hanana hoavy azo antoka raha tsy manaiky ny fomba amonjen’i Jehovah ny olombelona mahay mankasitraka. Tokony ho azontsika tsara anefa aloha ny fiheveran’Andriamanitra ny ota, vao ho afaka hankasitraka ny fomba namonjeny antsika isika.

Nahoana no ilaina ny soron’i Jesosy?

Nataon’i Jehovah afaka miaina mandrakizay i Adama, lehilahy voalohany. Tsy ho tanteraka izany fikasana faran’izay tsara izany raha mikomy amin’Andriamanitra izy. Nikomy anefa izy ka lasa mpanota. (Genesisy 2:15-17; 3:6) Nanao zavatra nifanohitra tamin’ny sitrapon’Andriamanitra izy, ka tsy lavorary intsony, ary simba ny fifandraisany tamin’Andriamanitra. Nanota izy ary nandika ny lalàn’Andriamanitra, ka nihantitra sy maty. Mampalahelo fa vao teraka ny taranak’i Adama rehetra, anisan’izany isika, dia efa mpanota ka tsy maintsy ho faty. Nahoana?

Tsotra ny antony. Tsy afaka ny ho lavorary ny zanaky ny ray aman-dreny tsy lavorary. Mpanota daholo ny taranak’i Adama, ary “fahafatesana no tambin’ny ota”, hoy i Paoly. (Romanina 6:23) Manome fanantenana anefa ny tohin’io andininy io, manao hoe: “Fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.” Midika izany fa azo afahana amin’ny vokatry ny fahotan’i Adama ny olona mankatò sy mahay mankasitraka, noho ny fahafatesan’i Jesosy ho sorona. * (Matio 20:28; 1 Petera 1:18, 19) Inona no tokony ho vokatr’izany eo aminao?

“Ny fitiavan’i Kristy no manery anay”

Nahazo fanahy masina i Paoly ka nilaza ny hevitr’Andriamanitra momba an’io fanontaniana io. Hoy izy: ‘Ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: Olona iray no maty ho an’ny rehetra. Ary maty ho an’ny rehetra izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’ilay efa maty ho azy ireo sady efa natsangana.’ (2 Korintianina 5:14, 15) Inona no tokony hataon’ny olona iray raha takany hoe afaka manafaka azy amin’ny vokatry ny ota ny soron’i Jesosy, ary te hankasitraka izany izy? Tokony hiezaka mafy hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy. Mila mianatra izay takin’Andriamanitra izy, mampiofana ny feon’ny fieritreretany hifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly momba ny tsara sy ratsy, ary miaina mifanaraka amin’izany.—Jaona 17:3, 17.

Manimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra ny fanaovan-dratsy. Azo inoana fa menatra be i Davida Mpanjaka rehefa takany fa ratsy be ny nataony tamin’izy nijangajanga tamin’i Batseba sy namono ny vadin’izy io. Nampahatezitra an’Andriamanitra izy ka tena nanahy, ary ara-dalàna izany. Nalahelo be izy niteny tamin’i Jehovah hoe: “Taminao dia taminao irery ihany no nanotako, ary izay ratsy teo imasonao no nataoko.” (Salamo 51:4) Nisy naka fanahy hijangajanga koa i Josefa, nefa niteny toy izao izy noho ny feon’ny fieritreretany: “Hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?”—Genesisy 39:9.

Tsy hena-maso noho ny ratsy natao àry ny ota, na fahatsapana ho voatery manazava amin’ny olona ny antony tsy nahavitana nankatò fitsipika sasany. Simba kosa ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra raha tsy arahintsika ny lalàny momba ny firaisana, fanaovana ny marina, fanajana, fivavahana, sy ny maro hafa. Lasa fahavalon’Andriamanitra isika raha zatra manota. Mila saintsainina lalina izany fahamarinana izany.—1 Jaona 3:4, 8.

Inona àry no nitranga tamin’ny ota? Tsy nisy, raha ny marina. Ny olona no nanomboka nanova ny fomba niantsoany azy io, satria manantena izy ireo fa mba hanamaivamaivana ny hevitr’izy io izany. Maro no manadonto na tsy miraharaha ny feon’ny fieritreretany. Tsy maintsy manohitra an’izany fanao izany izay rehetra te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Iankinan’ny aina izany, satria fahafatesana no tambin’ny ota fa tsy hena-maso fotsiny, araka ny efa hitantsika.

Hahazo famelan-keloka isika noho ny sorom-panavotan’i Jesosy, raha tena mibebaka amin’ny fahotantsika ary miala amin’izany. Tena vaovao tsara izany! Hoy i Paoly: “Sambatra izay voavela ny helony, ary voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy hisain’i Jehovah mihitsy ny fahotany.”—Romanina 4:7, 8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Hazavaina tsara hoe nahoana no afaka mamonjy ny olona mankatò ny fahafatesan’i Jesosy ho sorona, ao amin’ny pejy 47-54 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Niova Tanteraka Ilay Fampianarana

Tsy nazava tamin’ny ankamaroan’ny Katolika mihitsy ny momba ny Limby. Nialana tsikelikely ilay fampianarana, ary nesorina tao amin’ny katesizy tamin’ny farany. Nolazain’ny Eglizy Katolika tao amin’ny taratasy navoakany tamin’ny 2007, fa tsy hampianatra momba ny Limby intsony izy. Voalaza tao fa “noho ny antony mifandray amin’ny fampianarana sy fombafombam-pivavahana, dia mino [izy ireo] fa mety ho voavonjy sy ho sambatra mandrakizay ny zazakely tsy vita batemy nefa maty.”—Vaomiera Iraisam-pirenena Momba ny Teolojia.

Inona no nahatonga izany fiovana lehibe izany? Nanamaivamaivana ny Eglizy izany raha ny marina. Nilaza tokoa i Henri Tincq, mpanoratra an-gazety frantsay, fa “lova manahirana, narovana nanomboka tamin’ny taona 500 tany ho any ka hatramin’ny taonjato faha-20 ny Limby, ary nampiasain’ny Eglizy hampitahorana ny ray aman-dreny mba hanaovan’izy ireo batemy ny zanany, haingana araka izay azo atao.” Nampipoitra olana hafa anefa izany.

Ny lovantsofina sa ny Soratra Masina? Ilay adihevitra momba ny afofandiovana, tamin’ny taonjato faha-12, no nahatonga ny finoana ny Limby. Nampianarin’ny Eglizy Katolika fa misy fanahy miaina aorian’ny fahafatesana. Tsy maintsy nitadiavana toerana àry ny fanahin’ireo ankizy tsy vita batemy ka tsy afaka mankany an-danitra, nefa koa tsy tokony halefa any amin’ny afobe. Nampianarina àry ny momba ny Limby.

Tsy mampianatra anefa ny Baiboly hoe misy fanahy miaina aorian’ny fahafatesana. Lazainy mazava kosa fa “ho faty” izay manota ary azo ‘aringana’, fa tsy hoe tsy mety maty. (Ezekiela 18:4; Asan’ny Apostoly 3:23) Tsy misy àry ny toerana toy ny Limby, raha tsy misy fanahy miaina aorian’ny fahafatesana. Lazain’ny Baiboly koa fa tsy mahatsiaro tena ny maty, izany hoe toy ny matory.—Mpitoriteny 9:5, 10; Jaona 11:11-14.

Asehon’ny Baiboly fa masina amin’Andriamanitra ny zanaky ny ray aman-dreny kristianina. (1 Korintianina 7:14) Tsy hisy heviny izany raha tsy maintsy atao batisa ny ankizy vao ho voavonjy.

Tena manevateva an’Andriamanitra ny fampianarana momba ny Limby, satria mampiseho azy ho toy ny mpampijaly lozabe izay manasazy an’ireo tsy manan-tsiny. Ray tia rariny sy be fitiavana anefa izy, raha ny marina. (Deoteronomia 32:4; Matio 5:45; 1 Jaona 4:8) Tsy mahagaga àry raha tsy eken’ny sain’ny Kristianina tso-po io fampianarana tsy araka ny Soratra Masina io.

[Sary, pejy 9]

Ho tsara fihavanana amin’Andriamanitra sy ny olona isika, raha miaina mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra