Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitady Izay Tsara ao Aminao Izy

Mitady Izay Tsara ao Aminao Izy

Manatòna An’Andriamanitra

Mitady Izay Tsara ao Aminao Izy

1 MPANJAKA 14:13

“MANDINIKA ny fo rehetra i Jehovah, ary hitany avokoa ny eritreritra sy ny faniriana.” (1 Tantara 28:9) Nosoratana ireo teny ireo mba hahatsapantsika fa tena mihevitra antsika i Jehovah. Mitady izay tsara ao am-pontsika izy na tsy lavorary aza isika. Manaporofo izany ny teniny momba an’i Abia, ao amin’ny 1 Mpanjaka 14:13.

Ratsy fanahy daholo ny fianakavian’i Abia. Mpanjaka nivadi-pinoana i Jeroboama rainy. * Nikasa handringana ny ankohonan’i Jeroboama i Jehovah, ka “toy ny famafa diky” no hamafany azy. (1 Mpanjaka 14:10) Narary efa ho faty i Abia tamin’izay. Nandidy anefa Andriamanitra fa halevina amim-panajana izy, ary izy irery no hatao an’izany. * Nahoana? “Tamin’ny ankohonan’i Jeroboama mantsy, dia izy no mba nahitana zavatra tsara teo imason’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.” (1 Mpanjaka 14:1, 12, 13) Fa nanao ahoana ny toetran’i Abia?

Tsy milaza ny Baiboly hoe mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika i Abia. Nisy zavatra tsara ihany anefa nataony. Tsara “teo imason’i Jehovah” ilay izy, angamba nifandray tamin’ny fivavahana taminy. Misy mpanoratra jiosy milaza fa mety ho nandeha nivavaka tany Jerosalema i Abia, na koa nanala an’ireo mpiambina nasain’ny rainy nisakana ny Israelita tsy ho any.

Tsy fantatsika izay tena marina, nefa mendrika homarihina ilay zavatra tsara nataon’i Abia: Voalohany, tsy ivelany fotsiny ilay izy fa tena vokatry ny fony. Faharoa, niavaka ilay izy satria izy irery no mba nanao ny tsara tao amin’ny “ankohonan’i Jeroboama.” Hoy ny manam-pahaizana iray: “Mendrika hoderaina ny olona iray raha mahavita manao ny tsara, nefa ratsy toetra ny fianakaviany sy ny manodidina azy.” Hoy koa ny mpanoratra iray: “Niavaka ilay toetra tsaran’i Abia ..., toy ny kintana mamiratra rehefa maizina ny lanitra, ary toy ny sedera mandrobona eo afovoan’ny hazo tsy misy ravina.”

Ambonin’izany, dia hita avy amin’ny 1 Mpanjaka 14:13 fa tena Andriamanitra mahatalanjona i Jehovah. Izay tsara ao anatintsika no tadiaviny. Voalaza fa “nahitana” zavatra tsara i Abia. Azo inoana fa nandinika ny fony i Jehovah, mandra-pahitany toetra tsara kely tao. Nilaza ny mpanoratra iray fa toy ny perla tokana “ao anaty vatokely be dia be” i Abia, raha oharina amin’ny fianakaviany. Sarobidy tamin’i Jehovah izany, ka namaly soa azy izy. Izy irery àry no mba namindrany fo tamin’ilay fianakaviana ratsy fanahy.

Tsy mampahery tokoa ve hoe mitady izay tsara ao amintsika i Jehovah, ary sarobidy aminy izany na tsy lavorary aza isika? (Salamo 130:3) Mandinika ny fontsika izy ka mikaroka izay toetra tsara ao, na dia kely aza. Tsy mandrisika antsika hanatona azy ve izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Nanao zanak’omby sampy i Jeroboama mba hivavahan’ireo foko folon’ny Israely tany avaratra. Amin’izay izy ireo tsy mankany amin’ny tempolin’i Jerosalema, mba hanompo an’i Jehovah.

^ Noheverina hoe tsy nankasitrahan’Andriamanitra ny olona tsy nalevina tamim-panajana, tamin’ny andron’ny Baiboly.—Jeremia 25:32, 33.