Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Namboraka ny tao Am-pony Tamin’Andriamanitra Izy

Namboraka ny tao Am-pony Tamin’Andriamanitra Izy

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

Namboraka ny tao Am-pony Tamin’Andriamanitra Izy

SOMOKOTRA erỳ i Hana nanomana ny diany, niezaka tsy hieritreritra ny olana nahazo azy. Fotoana tokony hahafaly tamin’izay. Hitondra azy mianakavy hivavaka any amin’ny tranolay masina any Silo i Elkana vadiny, toy ny fanao isan-taona. Tian’i Jehovah hifaly ny rehetra amin’io fotoana io. (Deoteronomia 16:15) Azo antoka hoe tena nahafinaritra an’i Hana ny namonjy an’ireny fety ireny hatramin’izy mbola kely. Tsy izany intsony anefa no tsapany tao anatin’ireo taona faramparany.

Sambatra i Hana satria tena tia azy i Elkana vadiny. Nanana vady hafa anefa i Elkana. Penina no anarany, ary toa izay hampijaly an’i Hana ihany no tao an-tsainy. Nahita fomba hampahoriana an’i Hana izy, na dia tamin’ireny fety ireny aza. Ahoana no nataony tamin’izany? Ary nahoana ny finoan’i Hana an’i Jehovah no nanampy azy hiaritra an’izany toe-javatra mila tsy ho zaka izany? Tena hanohina ny fonao ny tantarany, raha miatrika olana ianao ka tsy mahita fifaliana amin’ny fiainana.

“Nahoana no malahelo ny fonao?”

Asehon’ny Baiboly fa nanana olana lehibe roa i Hana. Tsy dia nisy azony natao hamahana an’ilay voalohany. Nanana vady hafa ny vadiny, ary nankahala azy izy io. Tena tsy afa-nanoatra kosa izy tamin’ilay faharoa. Momba izy. * Efa mafy ny hoe momba raha te hanan-janaka ianao. Noho ny kolontsaina nisy tamin’ny andron’i Hana anefa, dia vao mainka tena nampahory izany. Ny taranaka mantsy no nandimby ny anaram-pianakaviana. Noheverina ho fahafaham-baraka lehibe koa ny hoe tsy niteraka, sady nahamenatra.

Mety ho zakan’i Hana ihany ny hoe tsy niteraka, nefa lasa mafy izany noho ny nataon’i Penina. Ratsy foana tokoa ny fampirafesana hatramin’izay. Miteraka fifaninanana sy ady ary alahelo izany matetika. Mifanipaka tanteraka amin’ny fitsipika napetrak’Andriamanitra tao Edena koa izany, dia ilay hoe tsy tokony hanana afa-tsy vady iray ihany ny olona. * (Genesisy 2:24) Asehon’ny Baiboly àry fa tsy tsara ny mampirafy, ary manasongadina izany ny fiainan-tokantranon’i Elkana.

I Hana no tena tian’i Elkana tamin’izy roa vavy. Araka ny lovantsofina jiosy, dia i Hana no vadiny voalohany, ary efa taona maromaro tatỳ aoriana izy vao nanambady an’i Penina. Na izany na tsy izany, dia nialona be an’i Hana i Penina, ary nahita fomba maro hampijaliana azy. Toa naharesy izy, satria afaka niteraka. Nanan-janaka maro nifanesy izy, ary vao mainka nieboebo isaky ny niteraka. I Hana kosa diso fanantenana satria momba. Tsy mba nangoraka an’i Hana na nampahery azy i Penina, fa vao mainka nampiasa izany mba hamelezana azy. Milaza ny Baiboly hoe nanorisory azy mafy i Penina “mba hahamenatra azy.” (1 Samoela 1:6) Fanahy inian’i Penina daholo izany. Te hampahory an’i Hana izy, ary nahomby.

Rehefa ho any Silo izy mianakavy no tena nampijaly an’i Hana i Penina, ary mbola izany koa no nataony tamin’ity indray mandeha ity. Nomen’i Elkana anjara avy amin’ny fanatitra natao ho an’i Jehovah ireo zanak’i Penina rehetra, “na lahy na vavy.” Tsy nahazo afa-tsy ny anjarany kosa i Hana, satria tsy nanan-janaka. Nanambany an’i Hana àry i Penina, sady nampahatsiahy azy hoe momba izy. Kivy i Hana, ka nitomany ary tsy nahahinan-kanina. Voamarik’i Elkana izany, ka niezaka nampahery an’ilay vady malalany izy. Nanontany izy hoe: “Fa maninona ianao, ry Hana, no mitomany sy tsy mihinan-kanina? Ary nahoana no malahelo ny fonao? Tsy tsara kokoa aminao noho ny zanaka folo mirahalahy ve aho?”—1 Samoela 1:4-8.

Mendri-piderana i Elkana. Takany hoe ketraka i Hana satria momba, ary nanome toky azy tamin-katsaram-panahy izy hoe tia azy. Azo antoka fa nankasitraka an’izany i Hana. Tsy niresaka momba ny haratsiam-panahin’i Penina anefa i Elkana. Tsy voalaza koa raha niresaka an’izany taminy i Hana. Nieritreritra angamba i Hana hoe hanampy trotraka ny efa mahazo azy izany, sady tsy azo antoka hoe tena hanova zavatra i Elkana. Mety ho vao mainka aza hampijaly azy i Penina sy ny zanany ary ny mpanompony. Vao mainka hanilikilika azy izy rehetra.

Na fantatr’i Elkana izay rehetra nataon’i Penina, na tsia, dia azo antoka fa fantatr’i Jehovah Andriamanitra. Voasoratra ao amin’ny Teniny izay rehetra nitranga. Fampitandremana ho an’izay rehetra mampijalijaly olona noho ny fialonana sy fankahalana io tantara io. Mampahery an’ireo tsy manan-tsiny sy tia fihavanana toa an’i Hana kosa anefa ny fahafantarana hoe handamina ny olana rehetra ilay Andriamanitra mpanao ny rariny, amin’ny fotoana hitany hoe mety sy amin’ny fomba fantany hoe tsara. (Deoteronomia 32:4) Nahalala izany angamba i Hana, satria tany amin’i Jehovah izy no nangataka fanampiana.

“Tsy niady saina intsony”

Nikenonkenona vao maraina izy mianakavy. Niomana handeha na ny ankizy aza. Maherin’ny 30 kilaometatra ny lalana handehanan’io fianakaviambe io, ka handalo ny faritra be tendrombohitr’i Efraima izy ireo. * Iray na roa andro izy ireo vao ho tonga any Silo, raha mandeha an-tongotra. Fantatr’i Hana fa hanao ny ataony indray ilay rafivaviny, kanefa tsy nijanona izy. Tena ohatra tsara ho an’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny izy. Tsy tokony havelantsika hanelingelina ny fanompoantsika an’Andriamanitra mihitsy ny zavatra tsy mety ataon’ny olon-kafa. Raha tsy izany mantsy, dia tsy hahazo izay ilaintsika isika mba hahafahana miaritra.

Nanakaiky an’i Silo ry Elkana mianakavy, rehefa avy nandeha iray andro tamin’ny lalana miolakolaka teny an-tendrombohitra. Tanàna ambonin’ny havoana i Silo, ary misy havoana avo kokoa manodidina azy. Rehefa nihananakaiky an’ilay tanàna izy ireo, dia azo inoana fa nieritreritra be momba izay horesahiny amin’i Jehovah i Hana. Niara-nisakafo izy ireo rehefa tonga, ary vao hitan’i Hana hoe azo atao ny niala, dia lasa izy nankany amin’ny tranolay masina. Nipetraka teo akaikin’ny tolàm-baravaran’ny tempoly i Ely Mpisoronabe tamin’izay, nefa tsy nanatona azy i Hana. Ny hivavaka tamin’Andriamanitra ihany no tao an-tsainy. Natoky izy fa hihaino azy Andriamanitra. Afaka mahatakatra tsara ny fahoriany io Rainy any an-danitra io, na dia tsy misy olona mahatakatra izany aza. Feno loatra ny fony, ka nitomany izy.

Sady nifokofoko nitomany i Hana no nivavaka anakampo. Nihetsiketsika ny molony, rehefa niezaka nitantara ny alahelony izy. Nivavaka ela be izy, namboraka ny tao am-pony tamin’ny Rainy. Tsy noho ny faniriany mafy hanan-janaka fotsiny anefa no antony nivavahany. Tsy hoe te hahazo fitahiana fotsiny izy, fa te hanome izay azony omena koa. Nivoady izy hoe raha miteraka lahy izy, dia homeny an’i Jehovah mba hanompo azy mandritra ny androm-piainany.—1 Samoela 1:9-11.

Modely ho an’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra àry i Hana, raha ny amin’ny vavaka. Mampirisika antsika amin-katsaram-panahy i Jehovah, mba tsy hisalasala hiresaka aminy, ka hamboraka aminy izay mampanahy antsika, toy ny ataon’ny ankizy amin’ny rainy be fitiavana sy atokisany. (Salamo 62:8; 1 Tesalonianina 5:17) Nilaza izao teny mampahery izao ny apostoly Petera: ‘Apetraho amin’Andriamanitra daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.’—1 Petera 5:7.

Tsy toa an’i Jehovah kosa ny olombelona. Tsy voatery hahatakatra ny mahazo ny hafa izy ireo, na hahay hiombom-pihetseham-po aminy. Raha mbola nitomany sy nivavaka i Hana, dia nanaitra azy tampoka ny feon’i Ely Mpisoronabe. Hoy izy io rehefa avy nandinika azy: “Mandra-pahoviana ianao no mbola ho mamo? Ataovy aloha izay hampisava ny divay nosotroinao.” Hitan’i Ely hoe nihetsiketsika ny molotr’i Hana, nangovingovitra izy, ary hafahafa ny fihetsiny. Tsy mba nanontany izay nahazo azy anefa izy, fa tonga dia nitsara azy ary nilaza hoe mamo izy.—1 Samoela 1:12-14.

Tsy maintsy ho nalahelo i Hana nandre izany, nefa izy aza efa ory dia ory! Sady amin’izay lehilahy nitana toerana mendri-kaja no nanendrikendrika azy! Mbola namela ohatra tsara ihany anefa izy. Tsy navelany hisakana azy tsy hanompo an’i Jehovah ny tsy fahalavorarian’ny olona. Namaly tamim-panajana izy, ary nanazava izay nahazo azy. Nahatsapa hoe diso i Ely, ka namaly tamin’ny feo malefaka kokoa angamba, nanao hoe: “Mirary soa ho anao àry aho! Homen’ny Andriamanitry ny Israely anao anie izay nangatahinao taminy!”—1 Samoela 1:15-17.

Nanao ahoana i Hana, rehefa avy namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah ary nanompo azy tao amin’ny tranolay masina? Hoy ny Baiboly: “Lasa nandeha tamin’ny nalehany izy ka nihinan-kanina. Ary hita tamin’ny endriny fa tsy niady saina intsony izy.” (1 Samoela 1:18) Nahatsiaro ho maivamaivana i Hana. Toy ny hoe nafindrany teo an-tsoroky ny olona iray matanjaka lavitra noho izy ny fahoriana nanavesatra azy. (Salamo 55:22) Mety hisy olana tsy ho zakan’ilay Raintsika any an-danitra ve? Tsy misy, na tamin’izany andro izany, na amin’izao andro izao, na ho mandrakizay!

Tokony hanahaka an’i Hana isika, rehefa misy zavatra mahakivy, na mahaketraka mafy antsika, na mila tsy ho zakantsika. Mila mamboraka ny ao am-pontsika amin’ilay “Mpihaino vavaka” isika. (Salamo 65:2) Raha manao izany amim-pinoana isika, dia mety hisinda ny alahelontsika, ka hanana “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” isika.—Filipianina 4:6, 7.

“Tsy misy vatolampy tahaka  ny Andriamanitsika”

Niverina tany amin’ny tranolay masina niaraka tamin’i Elkana i Hana ny ampitson’iny. Azo inoana fa nolazainy tamin’i Elkana ny zavatra nangatahiny tamin’i Jehovah sy ny voady nataony, satria milaza ny Lalàn’i Mosesy hoe afaka manafoana ny voady nataon’ny vadiny ny lehilahy, raha tsy nomeny alalana hanao izany ny vadiny. (Nomery 30:10-15) Tsy nanafoana an’ilay izy anefa io lehilahy tsy nivadika io. Nandeha nanompo an’i Jehovah tany amin’ny tranolay niaraka tamin’i Hana kosa izy, talohan’ny hodian’izy ireo.

Oviana no tsapan’i Penina hoe tsy nampalahelo an’i Hana intsony ny zavatra nataony? Tsy voalaza ao amin’ny Baiboly izany. Ny voalaza ao dia hoe “tsy niady saina intsony” i Hana, izany hoe lasa falifaly sy tsy nanahy intsony. Tsy maintsy hitan’i Penina àry hoe tsy nisy vokany tamin’i Hana intsony ny toetra ratsiny. Tsy niresaka momba azy intsony ny Baiboly nanomboka teo.

Tsy hoe niadan-tsaina fotsiny i Hana, rehefa afaka volana vitsivitsy, fa dibo-kafaliana mihitsy! Bevohoka izy! Tsy hadinony anefa hoe iza no nanome azy izany fitahiana izany. Rehefa teraka àry izy, dia nataony hoe Samoela ny anaran’ny zanany, izay midika hoe “Anaran’Andriamanitra.” Angamba mifandray amin’ny hoe miantso ny anaran’Andriamanitra izany anarana izany. Izany mantsy no nataon’i Hana. Tsy nankany Silo niaraka tamin’ny fianakaviany i Hana tamin’io fotoana io. Tsy nankany izy raha tsy rehefa nisara-nono ny zanany, telo taona tatỳ aoriana. Nanatanja-tsaina izy tamin’izay, satria ho avy ny andro hisarahany amin’ilay zanaka malalany.

Azo inoana fa mafy ilay fisarahana. Marina fa fantatr’i Hana hoe ho voakarakara tsara i Samoela any Silo. Angamba ireo vehivavy nanompo tao amin’ny tranolay no hikarakara azy. Tena mbola kely anefa ilay zaza, sady aiza moa no hisy reny te hisaraka amin-janany? Na izany aza, dia nentin’izy mivady nankany Silo i Samoela. Tsy hoe nentiny tsy sazoka anefa, fa tamin’ny fo feno fankasitrahana. Nanolotra fanatitra tao an-tranon’Andriamanitra izy ireo, ary nankany amin’i Ely. Nohazavain’izy ireo taminy ilay voady nataon’i Hana taona vitsivitsy talohan’izay, ary napetrany taminy i Samoela.

Nivavaka i Hana avy eo. Nahafinaritra an’Andriamanitra ilay vavaka, ka nampanoratiny tao amin’ny Teniny, ao amin’ny 1 Samoela 2:1-10. Ho tsapanao amin’ny andalana tsirairay amin’io vavaka io fa tena nanam-pinoana i Hana. Nidera an’i Jehovah izy, noho izy mampiasa ny heriny amin’ny fomba mahatalanjona. Tena miavaka, ohatra, Izy satria mahavita mampietry ny manambony tena sy mitahy ny olona ampahorina, mahavita mamono mahafaty, na manafaka amin’ny fahafatesana. Nidera an’io Rainy io koa i Hana, satria tsy misy masina sy manao ny rariny ary tsy mivadika toa azy. Afaka nilaza izy hoe: “Tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika.” Azo atokisana tanteraka i Jehovah, ary tsy miovaova. Ho fialofana ho an’izay rehetra ampahorina izy, raha mangataka fanampiana aminy izy ireo.

Sambatra i Samoela kely nanana reny natoky an’i Jehovah. Azo inoana fa nalahelo an-dreniny izy, nefa tsy nahatsiaro izy hoe nanadino azy io reniny io. Nanjaitra akanjo kely tsy misy tanana ho azy i Hana isan-taona, ary nitondra izany mba hampiasainy amin’ny fanompoana. Hita tamin’izy ireny hoe tia sy niahy ny zanany i Hana. (1 Samoela 2:19) Alao sary an-tsaina ange izy nampanao an’ilay akanjo e! Nosafosafoiny angamba ilay izy mba hipetraka tsara. Nijery an’i Samoela tamim-pitiavana koa izy, sady nilaza teny mampahery sy feno hatsaram-panahy. Sambatra i Samoela nanana an’io reniny io. Nitondra fitahiana ho an’ny ray aman-dreniny sy ny firenen’Israely ny zavatra nataon’i Samoela, rehefa lehibe izy.

Ary ahoana kosa ny amin’i Hana? Tsy nanadino azy i Jehovah. Mbola nataony izay nahafahany niteraka, ka nanan-janaka hafa dimy mianadahy izy. (1 Samoela 2:21) Ny fitahiana lehibe indrindra nananan’i Hana angamba anefa, dia ny fifandraisany akaiky tamin’i Jehovah Rainy. Nihanifandray akaiky tamin’i Jehovah izy arakaraka ny fandehan’ny fotoana. Izany koa no ho tsapanao, raha manahaka ny finoan’i Hana ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Tsy milaza ny Baiboly hoe tezitra tamin’io vehivavy nanetry tena sy tsy nivadika io i Jehovah, na dia voalaza ao aza hoe ‘nohidin’i Jehovah ny kibony.’ (1 Samoela 1:5) Lazain’ny Baiboly kosa indraindray hoe avy amin’Andriamanitra ny zavatra sasany, noho izy namela azy ireny hitranga.

^ Raha tianao ho fantatra hoe nahoana Andriamanitra no namela ny vahoakany taloha hanana vady maro, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Eken’Andriamanitra ve ny Fananana Vady Maro?” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2009, pejy 30.

^ Angamba ny tanànan’i Arimatia tamin’ny andron’i Jesosy ihany ilay tanàna atao hoe Rama, niavian’i Elkana. Avy eo mankany Silo no 30 kilaometatra mahery.

[Efajoro, pejy 17]

Vavaka Roa Tena Miavaka

Misy lafiny maromaro mampiavaka ny vavaka roa nataon’i Hana ao amin’ny 1 Samoela 1:11 sy ny 1 Samoela 2:1-10. Ireto misy vitsivitsy:

◼ Niantso an’i “Jehovah Tompon’ny tafika” i Hana, tamin’ilay vavaka voalohany. Izy no olona voalohany ao amin’ny Baiboly nampiasa an’io anaram-boninahitra io. Miseho in-285 izy io ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany, ary midika hoe mibaiko anjely be dia be toy ny tafika Andriamanitra.

◼ Mariho fa tsy tamin’i Samoela teraka i Hana no nanao an’ilay vavaka faharoa, fa tamin’izy sy Elkana nanatitra an’i Samoela hanompo an’Andriamanitra tany Silo. Ny fitahiana azony avy amin’i Jehovah àry no tena nahafaly azy, fa tsy ny hoe lasa nangina i Penina rafivaviny.

◼ Matanjaka be ny omby, ary tena mahavita zavatra ny tandrony, ka izay angamba no nahatonga an’i Hana hilaza hoe: “Ao amin’i Jehovah no isandratan’ny tandroko.” Toy ny nilaza izy tamin’izay hoe: ‘Ianao no mampahatanjaka ahy, Jehovah ô.’—1 Samoela 2:1.

◼ Azo lazaina hoe faminaniana ny teny nolazain’i Hana momba ny ‘voahosotr’i Jehovah.’ Mitovy amin’ilay teny adika hoe “mesia” ny teny nampiasainy teo. I Hana no olona voalohany nampiasa an’io teny io ao amin’ny Baiboly, mba hilazana an’ilay mpanjaka voahosotra hoavy.—1 Samoela 2:10.

◼ Nilaza fihetseham-po mitovy amin’izay nolazain’i Hana i Maria, renin’i Jesosy, 1 000 taona teo ho eo tatỳ aoriana, rehefa nidera an’i Jehovah.—Lioka 1:46-55.

[Sary, pejy 16]

Nalahelo be i Hana hoe momba, nefa vao mainka koa i Penina nanao izay ho afany mba hanampy trotraka an’izany

[Sary, pejy 16, 17]

Nahoana raha mivavaka avy amin’ny fo toa an’i Hana?

[Sary, pejy 17]

Tsy sosotra i Hana, na dia nitsara an-tendrony azy aza i Ely