Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Misy Tsy Mahalala Tsara An’Andriamanitra?

Nahoana no Misy Tsy Mahalala Tsara An’Andriamanitra?

MISY fahavalo ratsy fanahy te hanakana anao tsy hahalala ny anaran’i Jehovah sy hifandray akaiky aminy. Iza izany? I Satana Devoly, satria hoy ny Baiboly: “Ny andriamanitr’ity tontolo ity no manajamba ny sain’ny tsy mino.” Tiany hitoetra ao amin’ny haizina ianao mba tsy hamirapiratra ao am-ponao ny “fahalalana an’Andriamanitra, izay fahalalana be voninahitra.” Tsy tian’i Satana hahalala ny anaran’i Jehovah ianao. Ahoana no anajambany ny sain’ny olona?—2 Korintianina 4:4-6.

Mampiasa ny fivavahan-diso i Satana mba tsy hahalalan’ny olona ny anaran’Andriamanitra. Tsy niraharaha ny Soratra Masina, ohatra, ny Jiosy sasany fahiny fa naleon’izy ireo nanaraka lovantsofina nandrara ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra. Toa efa nozarina hanolo ny anaran’Andriamanitra tamin’ny hoe Adônai, na “Tompo”, ny Jiosy rehefa namaky ny Soratra Masina, tamin’ireo taonjato voalohandohany. Azo inoana fa izany no nahatonga ny olona tsy hifandray akaiky tamin’Andriamanitra intsony, ka maro no tsy nandray soa avy tamin’izany. Ahoana kosa no fiheveran’i Jesosy ny anaran’i Jehovah?

Nampahafantatra an’ilay anarana i Jesosy sy ny mpanara-dia azy

Nivavaka tamin’ny Rainy i Jesosy hoe: ‘Efa nampahafantariko ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany.’ (Jaona 17:26) Azo antoka fa nanonona ny anaran’Andriamanitra imbetsaka izy rehefa namaky na naka teny na nanazava teny avy tao amin’ny Soratra Hebreo. Tsy nisalasala nampiasa ny anaran’Andriamanitra izy, toa an’ireo mpaminany rehetra talohany. Raha efa nisy Jiosy tsy nety nampiasa ny anaran’Andriamanitra tamin’ny fotoana nitorian’i Jesosy, dia azo antoka fa tsy ho nanaraka ny fomban’ireny izy. Nokianiny mafy ireo mpitondra fivavahana. Hoy izy: “Ataonareo tsy manan-kery ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo.”—Matio 15:6.

Mbola nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra ny tena mpanara-dia an’i Jesosy, taorian’ny nahafatesany sy nitsanganany. (Jereo ilay efajoro hoe  “Nampiasa ny Anaran’Andriamanitra ve ny Kristianina Voalohany?”) Nanonona ny faminanian’i Joela ny apostoly Petera tamin’ny Pentekosta taona 33, rehefa niforona ny fiangonana kristianina. Hoy izy tamin’ireo Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.” (Asan’ny Apostoly 2:21; Joela 2:32) Nampian’ny Kristianina voalohany ny olona avy amin’ny firenena maro mba hahalalany ny anaran’i Jehovah, ka hoy i Jakoba mpianatra, nandritra ny fivorian’ny apostoly sy ny anti-panahy tao Jerosalema: “Andriamanitra nihevitra ny hafa firenena mba hangalany olona avy amin’ireo mba hitondra ny anarany.”—Asan’ny Apostoly 15:14.

Tsy kivy i Satana fahavalon’Andriamanitra. Naeliny avy hatrany ny fivadiham-pinoana raha vao maty ny apostoly. (Matio 13:38, 39; 2 Petera 2:1) Tokotokony ho tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jaona, ilay apostoly velona farany, ohatra, no teraka i Justin Maritiora, mpanoratra nitonona ho Kristianina. Nantitranteriny tao amin’ny asa sorany fa “Andriamanitra tsy manana anarana” ilay Mpanome ny zava-drehetra.

Nosoloan’ny Kristianina mpivadi-pinoana hoe Kyriôs, na “Tompo”, ny anaran’i Jehovah rehefa nanao kopia ny Soratra Grika Kristianina izy ireo. Toy izany koa ny Soratra Hebreo. Tsy nanonona ny anaran’Andriamanitra intsony ireo mpanora-dalàna jiosy nivadi-pinoana, ary efa in-130 mahery no nosoloany hoe Adônai ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Soratra Masina. Nesorina tao amin’ny Vulgate, Baiboly latinina be mpamaky, koa ny anaran’Andriamanitra. I Jérôme no namita ny fandikana azy io tamin’ny taona 405.

Ezahina foanana ilay anarana

Nesorin’ny fivavahana tao amin’ny Baiboly ny anaran’Andriamanitra, noho ny lovantsofina jiosy sy ny fitiavam-bola

Fantatry ny manam-pahaizana fa miseho im-7 000 eo ho eo ny hoe Jehovah ao amin’ny Baiboly. Misy ny anaran’Andriamanitra àry ny Baiboly fampiasa sasany. Anisan’izany ny Baibolin’i Jerosalema (anglisy) sy Ny Baibolin’i Amerika Latinina (espaniola), izay samy fandikan-teny katolika. Eo koa ilay fandikan-teny espaniola malazan’i Reina Valera. Nadika hoe “Iaveh” ny anaran’Andriamanitra, amin’ny fandikan-teny sasany.

Maro ny fiangonana manome vola handikana Baiboly, ary mampalahelo fa tereny hanala ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly adikany ny manam-pahaizana. Izao, ohatra, no nosoratan’i Vatikana ho an’ireo mpitari-draharahan’ny fivorian’ny eveka, tamin’ny 29 Jona 2008: “Nisoko mangina ihany tato anatin’ny taona vitsivitsy farany ilay fahazarana manonona ny anaran’ny Andriamanitry ny Israely.” Hoy ilay taratasy: ‘Tsy tokony hampiasaina na hotononina ny anaran’Andriamanitra. Tokony hosoloana hoe Adônai/Kyriôs na “Tompo” ireo Litera Efatra manondro an’ilay anarana, rehefa mandika Baiboly ho amin’ny fiteny maoderina.’ Hita fa navoaka io didin’i Vatikana io mba tsy hampiasana intsony ny anaran’Andriamanitra.

Manao toy izany koa ny Protestanta. Nanome vola handikana ny Dikan-teny Vaovao Iraisam-pirenena, izay nivoaka tamin’ny teny anglisy tamin’ny 1978, izy ireo. Hoy ny mpitondra teniny: ‘Jehovah no anaran’Andriamanitra ary tokony ho nampiasainay izy io. Nandany roa tapitrisa dolara mahery tamin’io fandikan-teny io anefa izahay, ka ho verivery fotsiny izany raha nadika hoe “Iaveh no mpiandry ahy”, ohatra, ny Salamo 23. Tsy hisy hampiasa mantsy ilay fandikan-teny.’

Nafenin’ny fiangonana tamin’ny mponin’i Amerika Latinina koa ny anaran’Andriamanitra. Hoy i Steven Voth, mpanolo-tsain’ny Vondron’ireo Fikambanana Mampiely Baiboly (ABU): “Anisan’ny mampiady hevitra matetika an’ireo Protestanta any Amerika Latinina ny fampiasana an’ilay anarana hoe Jehová ... Mahagaga fa nitombo be ny fiangonana pentekotista nangataka an’ilay Baibolin’i Reina Valera nivoaka tamin’ny 1960, saingy tsy asiana an’ilay anarana hoe Jehová, fa soloana hoe Señor [na Tompo].” Nilaza i Voth fa nolavin’ny ABU izany saingy nekeny ihany tatỳ aoriana, ka namoaka Baibolin’i Reina Valera “tsy misy hoe Jehová” izy ireo.

Tsy mahalala tsara an’Andriamanitra ny olona satria nesorina tao amin’ny Teniny ny anarany ary nosoloana hoe “Tompo.” Mampikorontan-tsaina izany, satria tsy hain’ny mpamaky intsony hoe manondro an’i Jehovah sa i Jesosy Zanany ilay hoe “Tompo.” Nolazain’ny apostoly Petera, ohatra, fa nilaza i Davida hoe: “Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko [Jesosy efa nitsangana tamin’ny maty]: ‘Mipetraha eto ankavanako.’ ” Maro anefa ny Baiboly mandika an’io hoe: “Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe...” (Asan’ny Apostoly 2:34, Fandikan-teny Katolika) Hoy koa i David Clines tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Iaveh sy ny Andriamanitry ny Teolojia Kristianina”: “Tsy mieritreritra an’i Iaveh ny Kristianina, ka mora mifantoka amin’i Kristy.” Mpiangona maro àry no zara raha mahafantatra fa manana anarana hoe Jehovah ilay Andriamanitra nivavahan’i Jesosy.

Niezaka mafy nanajamba ny sain’ny olona tsy hahalala an’Andriamanitra i Satana. Afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah anefa ianao.

Afaka ny hahalala tsara an’i Jehovah ianao

Marina fa niady tamin’ny anaran’Andriamanitra i Satana, ary hainy tsara ny nampiasa ny fivavahan-diso. Tian’i Jehovah Tompo Fara Tampony anefa ny hampiharihary ny anarany amin’izay te hahalala ny marina momba azy sy momba ny fikasany ho an’ireo tsy mivadika aminy. Tsy misy mahasakana azy, na hery avy any an-danitra na etỳ an-tany.

Ho faly hampianatra Baiboly anao ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahalalanao ny fomba hanatonana an’Andriamanitra. Manahaka an’i Jesosy izy ireo. Hoy mantsy izy tamin’Andriamanitra: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao.” (Jaona 17:26) Maro ny toetra tsaran’i Jehovah. Ho fantatrao izany rehefa saintsaininao ireo andinin-teny mampiseho ny andraikitra samihafa tanany mba hitahiana ny olombelona.

Afaka ny ho ‘sakaizan’Andriamanitra’ ianao, toa an’i Joba, lehilahy tsy nivadika. (Joba 29:4) Ho fantatrao tsara ny anaran’i Jehovah raha mahalala izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra ianao. Hatoky koa ianao fa hanao zavatra mifanaraka amin’ny dikan’ny anarany izy, dia ny hoe: “Ho tonga izay rehetra mahafinaritra ahy aho”, araka ny nandikan’i Rotherham ny Eksodosy 3:14. Azo antoka àry fa hotanterahiny izay rehetra nampanantenainy ny olombelona.