Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Manaiky ho Voafitaka

Aza Manaiky ho Voafitaka

Aza Manaiky ho Voafitaka

NANORATRA angano mitondra ny lohateny hoe Don Quichotte i Miguel de Cervantès, mpanoratra espaniola tamin’ny taonjato faha-16. Tia namaky angano, hono, i Don Quichotte. Ireny tantarana andriana mahery fo ireny no tena tiany. Manao akanjo vy manjelanjelatra ireo andriana ireo, ary mamonjy an’izay tovovavy misy mampijaly. Lasa nieritreritra àry i Don Quichotte hoe andriana koa izy. Nisy trano maromaro fitotoan-koba noveleziny tamin’ny sabatra, satria noheveriny fa olona goavam-be mampidi-doza. Tena nino izy hoe nanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra rehefa nanao izany. Diso hevitra anefa izy, ka afa-baraka tanteraka.

Mahatsikaiky ny tantaran’i Don Quichotte. Namitaka azy mantsy ny eritreriny. Tsy voatery hampihomehy foana anefa ny zavatra toy izany. Misy olona mihevitra, ohatra, fa tsy haninona izy na misotro toaka be foana aza. Marary be anefa izy rehefa ela ny ela, ary simba ny tokantranony. Misy indray olona malain-komana lava ary efa lasa aretina mihitsy ilay izy, nefa mihevitra izy fa tena ampy sakafo sy salama tsara. Tsy fantany fa efa tena tsy ampy sakafo izy, ka atahorana ho faty.

Mety ho voafitaka koa ve isika? Eny. Mampalahelo fa mety ho isika rehetra mihitsy no ho tratran’izany. Ny fivavahantsika mihitsy aza angamba no mampianatra zavatra diso antsika. Tsy fantatsika akory ilay izy, nefa mety hitondra fahavoazana ho antsika. Misy fivavahana mamitaka tokoa ve? Ary inona no azontsika atao mba tsy ho voafitaka?

Inona no mety ho vokany?

Milaza ny diksionera iray fa ny hoe mamitaka dia midika hoe “manao izay inoan’ny olona zavatra tsy marina na tsy mitombina.” Misy mihitsy aza manery ny hafa hanaraka hevitra na fampianaran-diso. Lasa tsy mahalala ny tena marina ilay olona, na sahiran-tsaina, na very hevitra. Atao mihitsy izay tsy hahafantarany fa fitaka ilay izy. Tena hisy vokany ratsy eo aminy anefa izany.

Mampalahelo fa matetika ilay olona no tsy mety miaiky hoe voafitaka izy, na dia efa voaporofo izao aza fa diso ny zavatra inoany. Angamba efa lasa miraikitra be ao an-tsainy ilay izy, ka tsy raharahainy izay hevitra mifanohitra amin’izany.

Mila mitandrina isika rehetra

Mety hiteny ianao hoe: ‘Sao dia mba diso kosa ilay hoe isika rehetra mihitsy no mety ho voafitaka, ka hino ny fampianaran-dison’ny fivavahana?’ Tsia, tsy diso izany. Miezaka mafy mamitaka antsika rehetra mantsy i Satana Devoly, ilay nantsoin’i Jesosy hoe “rain’ny lainga.” (Jaona 8:44) Resahin’ny Baiboly hoe “andriamanitr’ity tontolo ity” koa i Satana. Efa ela izy no ‘nanajamba ny sain’ny’ olona an-tapitrisany. (2 Korintianina 4:4) Mbola “mamitaka ny tany rehetra misy mponina” izy hatramin’izao.—Apokalypsy 12:9.

Efa hatrany am-boalohany i Satana no namitaka ny olona. Nataony, ohatra, izay hinoan’i Eva fa afaka ny “ho tahaka an’Andriamanitra” izy, ka “hahalala ny tsara sy ny ratsy.” Te hilaza i Satana hoe tsy voatery manaraka ny lalàn’ny Mpamorona i Eva, fa afaka manapa-kevitra samirery hoe inona no tsara ary inona no ratsy. (Genesisy 3:1-5) Izany no fitaka voalohany teto an-tany. Marina fa afaka mifidy izay hataony ny olona, nefa tsy natao hanapa-kevitra samirery ny amin’izay tsara sy ratsy. Andriamanitra ihany no manan-jo sy fahefana hanao izany, satria izy no Mpamorona sy Mpanjakan’izao rehetra izao. (Jeremia 10:23; Apokalypsy 4:11) Tena voafitaka izay mihevitra fa mitovy ihany ny hoe afaka mifidy ny hanao ny tsara na hanao ny ratsy sy ny hoe afaka manapa-kevitra hoe izao no tsara ary izao no ratsy! Mampalahelo anefa fa mora mino an’io hevi-diso io isika olombelona tsy lavorary.

Mety ho voafitaka koa ve ianao?

Mety ho tena tianao ny fivavahanao, satria efa nisy hatry ny ela. Efa fivavahan-drazanareo koa angamba ilay izy. Tsy midika anefa izany hoe marina ilay fivavahana. Nahoana? Milaza ny Baiboly fa lasa nisy mpamitaka teo anivon’ny fiangonana kristianina, rehefa maty ireo apostoly. ‘Nanolana hevi-teny’ izy ireny, “mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Nahay ‘nandresy lahatra’ be izy ireo, sady nampiasa ‘filozofia sy famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona.’—Kolosianina 2:4, 8.

Vao mainka mihabetsaka ny mpamitaka ankehitriny. Nampitandrina mantsy ny apostoly Paoly fa amin’ny “andro farany”, izany hoe amin’izao fotoana iainantsika izao, dia “vao mainka hiharatsy kokoa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka, ka sady mamitaka izy ireo no voafitaka.”—2 Timoty 3:1, 13.

Hendry àry isika, raha manaraka ilay tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Koa izay mihevi-tena ho efa mijoro dia aoka izy hitandrina sao ho lavo.” (1 Korintianina 10:12) Te hilaza i Paoly fa mila mitandrina izay olona mihevitra ny tenany hoe efa ankasitrahan’Andriamanitra. Tena voafitaka ianao raha mieritreritra fa tsy ho afaka hamitaka anao mihitsy i Satana. Ny olon-drehetra mantsy no ampiharany ny ‘teti-dratsiny.’ (Efesianina 6:11) Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza tamin’ny Kristianina hoe: ‘Matahotra aho sao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahatsorana sy ny fahadiovana mendrika an’i Kristy, tahaka ny nitaoman’ny menarana an’i Eva tamin-kafetsena.’—2 Korintianina 11:3.

Inona no azonao atao?

Inona àry no azonao atao mba tsy ho voafitak’i Satana? Ahoana no hahalalanao raha “mivavaka [amin’Andriamanitra] araka ny fanahy sy ny fahamarinana” ianao na tsia? (Jaona 4:24) Manampy anao amin’izany i Jehovah Andriamanitra. Nataony ‘mahira-tsaina’, ohatra, ianao mba hanavahanao ny marina sy ny diso. (1 Jaona 5:20) Ampahafantariny anao koa ny tetik’i Satana. (2 Korintianina 2:11) Tsy vitan’izay, fa atorony anao daholo izay tokony hataonao mba tsy ho voafitak’i Satana.—Ohabolana 3:1-6; Efesianina 6:10-18.

Nanome fitaovana tena mahomby koa anefa izy mba hiarovana anao. Inona izany? “Ny Soratra Masina” na ny Baiboly. Nasain’ny apostoly Paoly nampiasa azy io i Timoty, mba hamantarany na marina na tsia ny zavatra inoany. Tsy ho voafitaky ny “ratsy fanahy sy ny mpisandoka” koa izy amin’izay.—2 Timoty 3:15.

Mety hisy hiteny anefa hoe voafitaka izay mino an’Andriamanitra sy milaza fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Izay miteny an’izany anefa no tena voafitaka, raha ny marina. Odiany tsy hita mantsy ireo porofo fa tena misy ny Mpamorona ary Teniny ny Baiboly. *Romanina 1:18-25; 2 Timoty 3:16, 17; 2 Petera 1:19-21.

Aza manaiky ho voafitaky ny ‘ “fahalalana” sandoka’, fa ampiasao ny Tenin’Andriamanitra mba hahafantarana ny marina. (1 Timoty 6:20, 21) Tahafo ireo lehilahy sy vehivavy nitorian’ny apostoly Paoly tany Beria. Milaza ny Baiboly fa ambony saina izy ireo satria “faran’izay nazoto nandray ny teny.” Vonona handray ny fampianaran’i Paoly izy ireo. “Nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro” anefa aloha ry zareo, mba ‘hahitany raha izany tokoa no izy.’—Asan’ny Apostoly 17:11.

Aza misalasala mandinika ny zavatra inoanao. Mampirisika anao ny Baiboly mba ‘hamantatra tsara ny zava-drehetra’ alohan’ny hinoana azy ireny. (1 Tesalonianina 5:21) Hoy ny apostoly Jaona tamin’ny faran’ny taonjato voalohany: “Ry malala, aza mino izay fanambarana rehetra avy amin’ny fanahy, fa fantaro aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia.” (1 Jaona 4:1) Tsara foana àry ny mandinika ny Soratra Masina mba hahalalana raha marina na tsia ny fampianarana iray, na dia hoatran’ny hoe avy amin’ny fanahin’Andriamanitra aza.—Jaona 8:31, 32.

Ampiharo izay ianaranao

Tsy izay ihany anefa no tokony hataonao. Hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy: ‘Aoka ianareo ho mpankatò ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany, ka hamita-tena amin’ny fiheveran-diso.’ (Jakoba 1:22) Tsy ampy ny mahalala izay ampianarin’ny Baiboly. Tsy maintsy ampiharinao izay ianaranao. Mila mankatò ny didin’Andriamanitra àry ianao.

Tena be dia be izao ny olona ratsy fitondran-tena. Hita mihitsy hoe voafitak’i Satana ny olona, ka lasa mihevitra fa tsy hijinja ny vokany izy na dia mandika ny didin’Andriamanitra aza. Nampitandrina ny Kristianina àry ny apostoly Paoly hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”—Galatianina 6:7.

Aza manahaka an’ilay “lehilahy adala” tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. Toa an’i Don Quichotte io lehilahy io, satria namitaka azy ny eritreriny. Nihevitra izy fa afaka manorina trano mafy tsara eo ambony fasika. Nilaza i Jesosy fa toy izany ny olona “mandre” ny teniny, nefa tsy “mankatò.” Tahafo kosa ilay lehilahy “malina”, ka “nanorina ny tranony teo ambony vatolampy.” Toy izany isika raha “mankatò” ny tenin’i Jesosy.—Matio 7:24-27.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny Mifohaza! Septambra 2006 sy ilay boky hoe Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 12, 13]

Hainao ve ny Manavaka ny Marina sy ny Diso?

Nanao sary maromaro natao hamitahana ny maso ilay Soedoà mpanao sary, atao hoe Oscar Reutersvärd, teo anelanelan’ny 1930 sy 1940. Rehefa jerenao maimaika ilay sary, dia hoatran’ny tena izy. Raha mijery tsara kosa ianao, dia hitanao fa hay namboamboarina ilay izy mba hamitahana anao na hahatonga anao hampiasa saina. Iray amin’izany io ankavia io.

Tsy ny sary ihany no mety hamitaka antsika. Hoy ny Baiboly, tokony ho 2 000 taona lasa izay: “Tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona, eny, araka ny zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity, fa tsy araka an’i Kristy.”—Kolosianina 2:8.

Tena marina io fampitandremana io, satria ilay lehilahy nanoratra azy mihitsy no efa voafitaka. Tsy nampoizina ho tratran’izany izy, satria ny mpitondra fivavahana nalaza indrindra tamin’ny androny no nampianatra azy. Nifanerasera tamin’ny olona ambony koa izy.—Asan’ny Apostoly 22:3.

Tsy iza io lehilahy io fa i Saoly avy any Tarsosy. Natao izay hinoany fa mendrika ny hofaizina izay rehetra tsy mitovy finoana aminy. Nanohana azy ny mpitondra fivavahana jiosy, ka lasa nihevitra izy fa nomen’Andriamanitra fahefana hanasazy an’izay Kristianina tsy mety miova fivavahana. Faly mihitsy aza izy, rehefa nisy mpiray tanindrazana taminy novonoina, satria hoe nanevateva an’Andriamanitra.—Asan’ny Apostoly 22:4, 5, 20.

Nisy nanampy anefa i Saoly tatỳ aoriana, ka afaka nanavaka ny marina sy ny diso, ary izay ankasitrahan’Andriamanitra sy tsy ankasitrahany. Niova avy hatrany i Saoly raha vao fantany hoe diso izy. Lasa apostolin’i Jesosy Kristy izy, ary nantsoina hoe Paoly. Nahita ny fivavahana marina izy, ary tsy voafitaka intsony.—Asan’ny Apostoly 22:6-16; Romanina 1:1.

Maro ny olona efa voafitaka toa an’i Paoly. Nihevitra izy ireo fa marina ny zavatra ninoany, nefa hay tsy avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ilay izy. (Ohabolana 14:12; Romanina 10:2, 3) Nisy nanampy anefa izy ireo, ka nahita hoe diso ny zavatra nampianarin’ny fivavahany, sady tsy misy vokany tsara amin’ny mpivavaka ao. (Matio 7:15-20) Niova izy ireo, ary tsy nanaraka fampianaran-diso intsony rehefa nahalala izay tena ampianarin’ny Baiboly.

Nahoana raha manahaka ny apostoly Paoly, ka mandinika ny Baiboly mba hahitana raha marina na tsia ny zavatra inoanao? Vonona hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Engravings by Doré