Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ezaka Natao Hanafoanana ny Fahantrana

Ezaka Natao Hanafoanana ny Fahantrana

Ezaka Natao Hanafoanana ny Fahantrana

EFA vitan’ny mpanankarena ny nanafoana ny fahantrany. Tsy nahomby foana anefa ny ezaka natao mba hanafoanana tanteraka ny fahantrana, satria tsy tian’ny mpanankarena hisy hikitikitika ny tombontsoany. Hoy i Solomona mpanjakan’ny Israely fahiny: “Hitako ny ranomason’ny ampahorina, nefa izy tsy nisy nampionona. Teo am-pelatanan’izay nampahory azy mantsy ny fahefana, ka tsy mba nisy nampionona izy.”—Mpitoriteny 4:1.

Afaka manova an’izao tontolo izao ve ny manam-pahefana, ka hanafoana ny fahantrana? Hoy i Solomona, rehefa nahazo herin’ny fanahy masina: “Hitako fa ny zava-drehetra dia zava-poana sy toy ny misambo-drivotra fotsiny. Izay mibilaka dia tsy azo ahitsy.” (Mpitoriteny 1:14, 15) Marina mihitsy izany raha dinihina ny ezaka efa natao hatramin’izay mba hanafoanana ny fahantrana.

Ezaka natao hampanankarena ny rehetra

Nisy firenena vitsivitsy nangoron-karena be tamin’ny alalan’ny varotra sy ny indostria, tamin’ny taonjato faha-19. Nisy olona ambony àry nieritreritra ny hanafoana ny fahantrana. Ho vita ve anefa ny hizara mitovy ny harena voajanahary?

Nisy nihevitra fa hitovy saranga ny olona eran-tany ka ho voazara mitovy tsara ny harena, raha arahina ny sosialisma na kominisma. Mazava ho azy fa tsy tian’ny mpanankarena izany. Olona maro anefa no voasarik’ilay teny faneva hoe: “Izay vitan’ny tsirairay no asaina ataony, ary izay ilainy no omena azy.” Maro no nanantena fa hanaraka an’izany ny firenena rehetra, ka ho lafatra izao tontolo izao. Nisy firenena mpanankarena vitsivitsy nanaraka ny sosialisma. Nanome fanampiana ara-tsosialy ny fanjakana tao amin’izy ireny, ka nampanantena fa hikarakara ny vahoakany “mandritra ny androm-piainan’izy ireo.” Nilaza izy ireny fa nahavita nanafoana ny fahantran’ny vahoakany.

Tsy tratran’ny mpanaraka ny sosialisma mihitsy anefa ilay tanjony hoe hanorina tontolo tsy tia tena. Sarotra notanterahina ilay hoe tokony hiasa ho an’ny tombontsoan’ny fiaraha-monina ny vahoaka fa tsy ho an’ny tenany. Tezitra mantsy ny sasany noho izy ireo tsy maintsy nanome ho an’ny mahantra, satria tsikaritr’izy ireo fa lasa kamo miasa ny sasany. Marina tokoa ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Na iza na iza olo-marina eto ambonin’ny tany ka manao ny tsara dia mbola manota ihany. ... Mahitsy fo no nanaovan’Andriamanitra ny olombelona, saingy nitady tetika maro izy ireo.”—Mpitoriteny 7:20, 29.

Teo koa ilay nantsoina hoe Nofinofin’ny Amerikanina, na ilay nofinofy hoe afaka ny ho lasa mpanankarena izay mazoto miasa mafy. Firenena maro eran-tany no nanaraka an’ilay paikady izay toa nampanan-karena an’i Etazonia. Nanangana fitondrana entim-bahoaka izy ireo ary namela ny vahoakany hanangana orinasa sy hanao raharaham-barotra tsy miankina amin’ny fanjakana. Tsy ny firenena rehetra anefa no nahavita izany. Tsy ny rafitra ara-politika ihany mantsy no nampanan-karena an’i Amerika Avaratra. Nanana harena voajanahary be dia be koa izy sady afaka nanao raharaham-barotra eran-tany. Ankoatr’izany, dia tsy hoe lasa misy mpandresy manankarena fotsiny rehefa mifaninana ara-toe-karena izao tontolo izao, fa lasa misy koa ny resy izay mahantra. Azo ampirisihina hanampy an’ireo mbola mahantra àry ve ny firenena manankarena?

Ny Planina Marshall

Rava tanteraka i Eoropa taorian’ny Ady Lehibe II, ka maro no natahotra ny ho faty mosary. Nanahy ny fanjakana amerikanina sao dia hanaraka ny sosialisma ny mponina tany Eoropa. Nanome vola be àry izy ireo nandritra ny efa-taona mba hanarenana ny indostria sy ny fambolena ary ny fiompiana, tany amin’ireo tany eoropeanina izay nanaiky ny paikadiny. Nantsoina hoe Planina Marshall izany. Nahomby izy io, satria vao mainka nanan-kery tany amin’ny faritra andrefan’i Eoropa ny Amerikanina, ary tsy dia nisy intsony koa ny fahantrana tany. Izany ve anefa no hanafoana ny fahantrana eran-tany?

Nahomby ilay Planina Marshall, ka lasa nanampy an’ireo tany mahantra eran-tany koa ny fanjakana amerikanina. Nampiany izy ireo mba hampandroso ny fambolena sy ny fiompiana, ny fitsaboana, ny fampianarana, ary ny fitaterana. Niaiky anefa ny Amerikanina fa noho ny tombontsoany no nanaovan’izy ireo izany. Mba nanitatra ny fahefany koa ny firenena hafa, ka nandefa fanampiana tany an-tany hafa. Imbetsaka izy ireo no nandany vola mitovy amin’izay lany tamin’ilay Planina Marshall. Tsy araka ny nantenaina anefa ny vokany, 60 taona tatỳ aoriana. Marina aloha fa lasa nanan-karem-be ny firenena sasany nahantra taloha, indrindra fa ny tany Azia Atsinanana. Nihavitsy koa ny isan’ny zaza maty ary ankizy maro no afaka nianatra. Firenena maro anefa no mbola mahantra faraidiny.

Fanampiana avy any ivelany

Sarotra kokoa ny manampy firenena mahantra ho afaka amin’ny fahantrana, noho ny manarina firenena manankarena rotidrotiky ny ady. Efa nanana indostria, sy fitaterana, ary nanao raharaham-barotra, ohatra, i Eoropa, fa ny toe-kareny fotsiny no nila narenina. Tsy manana indostria sy harena voajanahary ary lalam-barotra kosa ny tany mahantra. Mbola mahantra faraidiny ihany àry izy ireo, na dia mahazo fanampiana avy any ivelany aza mba hanamboarana lalana sy sekoly ary hopitaly.

Saro-bahana ny olana mahatonga ny fahantrana sy ny olana aterak’izy io. Ny aretina, ohatra, no mampahantra, ary ny fahantrana no mahatonga aretina. Mety ho reraka loatra ara-batana sy ara-tsaina ny ankizy tsy ampy sakafo, ka tsy mahakarakara ny zanany koa izy ireo rehefa lehibe. Arian’ny tany manankarena any amin’ny tany mahantra koa ny ambin-tsakafony ho fanampiana an’ilay tany. Vao mainka anefa izany mampahantra, satria very asa ny tantsaha sy ny mpivarotra. Mety hisy olana hafa koa hipoitra, rehefa andefasana vola ny fanjakana any amin’ny tany mahantra. Mora angalarina mantsy ilay vola, ka mety hanodikodim-bola ireo olona ambony ao amin’ilay tany, ary vao mainka izany mampahantra ny olona. Hita amin’izany fa tsy mahomby ny fanampiana avy any ivelany, satria tsy manafoana ny tena antony mahatonga ny fahantrana.

Ny mahatonga ny fahantrana

Tsy manao afa-tsy izay hampandrosoana sy hiarovana ny tombontsoany ny firenena sy ny fitondram-panjakana ary ny tsirairay, ka lasa mahantra faraidiny ny sasany. Tsy dia mieritreritra ny hanafoana ny fahantrana eran-tany, ohatra, ny fitondram-panjakan’ny tany manankarena. Nofidin’ny vahoakany mantsy izy ireo, ka tsy maintsy manao izay hahafa-po azy ireo. Raran’ny tany manankarena tsy hivarotra vokatra any aminy àry ny tantsaha any amin’ny tany mahantra, amin’izay tsy very asa ny tantsaha any aminy. Omen’izy ireo vola be koa ny tantsaha any aminy, mba hanampiana azy ireo hahalafo vokatra betsaka kokoa noho ny tantsaha any amin’ny tany mahantra.

Ny olona ihany àry no mahatonga ny fahantrana, satria samy te hiaro ny tombontsoany ny vahoaka sy ny fitondram-panjakana. Hoy i Solomona momba izany: “Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.”—Mpitoriteny 8:9.

Ho foana ihany àry ve ny fahantrana? Misy fitondram-panjakana afaka manova ny toetran’ny olombelona ve?

[Efajoro, pejy 6]

Lalàna Nisorohana ny Fahantrana

Nomen’i Jehovah Andriamanitra Lalàna ny firenen’Israely fahiny. Ho vitsy ny mahantra raha nankatoaviny izany. Nahazo anjara tany daholo mantsy ny fianakaviana, afa-tsy ny mpisorona izay fokon’i Levy ihany. Voaro tsara koa io lova io, satria tsy azo natao varo-maty. Tsy maintsy naverina tamin’ny tena tompony na ny fianakaviany ny tany rehetra, isaky ny 50 taona. (Levitikosy 25:10, 23) Ary ahoana raha nisy narary na tra-doza na kamo ka voatery nivarotra ny taniny? Tsy maintsy naverina taminy izany tamin’ny taon-jobily, ary tsy nila nandoa vola izy. Tsy tokony ho nisy fianakaviana nahantra ela be àry tamin’izany.

Tsara fanahy Andriamanitra, ka nolazainy tao amin’ilay Lalàna koa hoe afaka nivarotra ny tenany ho andevo ny lehilahy iray tojo fotoan-tsarotra. Nomena azy mialoha ny vidiny mba handoavany ny trosany. Rehefa tonga anefa ny taona fahafito, ka tsy mbola voavidiny ny tenany, dia hafahana izy ary homena voa hamboleny sy biby hompiany indray. Voararan’ny Lalàna koa ny naka zanabola raha nisy mahantra voatery nindram-bola. Ankoatr’izany, dia tsy azo nojinjaina ny sisin’ny saha, fa navela notsimponin’ny mahantra. Tsy ho nisy Israelita voatery nangataka àry tamin’izany.—Deoteronomia 15:1-14; Levitikosy 23:22.

Asehon’ny tantara anefa fa lasa nisy Israelita nahantra, satria tsy nankatò ny Lalàn’i Jehovah. Lasa nanan-tany be dia be ny sasany, toy ny any amin’ny tany maro, ary ny sasany kosa lasa tsy nanana mihitsy. Lasa nisy Israelita nahantra àry, satria nisy tsy niraharaha ny Lalàn’Andriamanitra, fa izay nahasoa ny tenany aloha no notadiaviny.—Matio 22:37-40.