Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manana Fandaminana ve Andriamanitra?

Manana Fandaminana ve Andriamanitra?

Manana Fandaminana ve Andriamanitra?

MILAMINA daholo ny zavatra noforonin’Andriamanitra. (1 Korintianina 14:33) Tsy ny etỳ an-tany ihany no ahitana an’izany. Milaza ny Baiboly fa manompo amin’ny fomba voalamina tsara koa ny anjely any an-danitra, mifanaraka amin’ny fikasan’ny Mpamorona. Nahita anjely maro be teo anatrehan’Andriamanitra tao amin’ny fahitana, ohatra, i Daniela mpaminany. Hoy izy: “Arivoarivo no nanompo azy, ary iray alina ampitomboina iray alina no nijoro teo anatrehany.” (Daniela 7:9, 10) Eritrereto ny fandaminana tsy maintsy natao mba hahatonga an’ireo anjely, zato tapitrisa mahery, hanaiky sy hankatò ny baikon’Andriamanitra mba hahasoa ny mpanompony etỳ an-tany!—Salamo 91:11.

Marina fa i Jehovah Andriamanitra Mpamorona no tena mahay mandamin-javatra indrindra. Tsy mafy fo anefa izy na mpifehifehy be. Andriamanitra tsara fanahy sy falifaly kosa izy, ary tena mikarakara izay hahasoa ny zavaboariny. (1 Timoty 1:11; 1 Petera 5:7) Manaporofo izany ny fomba nitondrany ny firenen’Israely fahiny sy ny Kristianina voalohany.

Voalamina tsara ny Israelita fahiny

Nampiasain’i Jehovah Andriamanitra i Mosesy mba handamina ny Israelita hanaraka ny fivavahana marina. Diniho ny fomba nandaminana ny fitobian’izy ireo tany an-tany efitr’i Sinay. Ho feno korontana ilay toerana raha toa ka samy navela hanorina ny tranolainy teny amin’izay tiany ny fianakaviana rehetra. Nomen’i Jehovah toromarika mazava tsara anefa ilay firenena hoe aiza ny foko tsirairay no tokony hanorina ny tobiny. (Nomery 2:1-34) Voalaza mazava tao amin’ny Lalàn’i Mosesy koa ny fitsipika momba ny fahasalamana sy fahadiovana, ohatra hoe ahoana no hanariana ny maloto.—Deoteronomia 23:12, 13.

Rehefa niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, dia lasa firenena voalamina tsara tamin’ny lafiny maro. Nozarazaraina ho foko 12 izy ireo, ary samy nomena zaran-tany avy. Nahakasika ny lafim-piainan’izy ireo rehetra ilay Lalàna nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy. Tafiditra tamin’izany ny resaka fivavahana, fanambadiana, fianakaviana, fampianarana, raharaham-barotra, sakafo, fambolena, fiompiana, sy ny sisa. Voafaritra tsara sy tamin’ny an-tsipiriany ny lalàna sasany, kanefa hita avy tamin’ireny hoe nikarakara ny vahoakany i Jehovah sady nitady izay hahasambatra azy ireo. Notahiny tamin’ny fomba niavaka izy ireo, rehefa nankatò an’ireny fandaharana feno fitiavana ireny.—Salamo 147:19, 20.

Marina fa tena nahay nitarika vahoaka i Mosesy. Tsy ny fahaizany anefa no nahatonga azy hahomby, fa noho izy tsy nivadika tamin’ny fandaminan’Andriamanitra. Ahoana, ohatra, no nahalalan’i Mosesy ny lalana tokony haleha tany an-tany efitra? Nitarika azy tamin’ny alalan’ny andry rahona i Jehovah rehefa andro, ary andry afo rehefa alina. (Eksodosy 13:21, 22) Nampiasa olona Andriamanitra, kanefa izy mihitsy no nandamina sy nitarika ny vahoakany. Toy izany koa tamin’ny taonjato voalohany.

Voalamina tsara ny Kristianina voalohany

Nazoto nitory ny apostoly sy ny mpianatra, ka lasa nisy fiangonana kristianina tany amin’ny faritra maro tany Azia sy Eoropa tamin’ny taonjato voalohany. Niparitaka ireny fiangonana ireny, kanefa tsy nitokana na nahaleo tena. Voalamina tsara kosa izy ireny, ary nandray soa tamin’ny fikarakarana feno fitiavan’ireo apostoly. Nirahin’ny apostoly Paoly ho any Kreta, ohatra, i Titosy mba ‘handamina izay mbola tsy tanteraka’ tany. (Titosy 1:5, Fandikan-teny Protestanta) Nanoratra ho an’ny fiangonan’ny Korintianina koa i Paoly fa “nahay nandamina” ny rahalahy sasany. (1 Korintianina 12:28, Ny Testamenta Vaovao Amin’ny Fiteny Maoderina, anglisy) Iza anefa no nahatonga an’izany filaminana izany? Nilaza i Paoly fa “nakamban’Andriamanitra” na nalaminy ny fiangonana.—1 Korintianina 12:24.

Tsy ambony noho ireo mpiray finoana taminy akory ireo mpiandraikitra voatendry teo anivon’ny fiangonana kristianina. “Mpiara-miasa” kosa izy ireo ary nanaraka ny tari-dalan’ny fanahin’Andriamanitra. (2 Korintianina 1:24) Tokony ho “modely ho an’ny andian’ondry” àry izy ireo. (1 Petera 5:2, 3) I Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty no “lohan’ny fiangonana”, fa tsy olona iray na antokona lehilahy tsy lavorary.—Efesianina 5:23.

Rehefa nanomboka nanao zavatra nifanohitra tanteraka tamin’ny fomba fiasan’ireo fiangonana hafa ny fiangonana tany Korinto, dia hoy i Paoly: “Ahoana hoe? Avy taminareo ve no nivoahan’ny tenin’Andriamanitra, sa hatreo aminareo ihany no tongany?” (1 Korintianina 14:36) Nampiasa an’io fanontaniana mampisaintsaina io i Paoly, mba hanitsiana ny fomba fisainan’izy ireo sy hanampiana azy ireo hahatakatra fa tsy tokony hanao izay tiany fotsiny izy ireo. Niroborobo sy nandroso ireo fiangonana, rehefa nanaraka ny tari-dalan’ny apostoly.—Asan’ny Apostoly 16:4, 5.

Porofon’ny fitiavan’Andriamanitra

Ary ahoana ny ankehitriny? Mety tsy te ho anisan’ny fikambanana na fandaminana ara-pivavahana ny olona sasany. Porofoin’ny Baiboly anefa fa mampiasa fandaminana foana Andriamanitra rehefa manatanteraka ny fikasany. Nandamina ny mpanompony tany Israely fahiny izy, ary nandamina ny fanompoan’ireo Kristianina voalohany.

Tsy ara-dalàna àry ve ny ilazana fa mbola mitarika ny vahoakany toy ny taloha i Jehovah? Tia sy mikarakara ny mpanompony izy matoa mandamina sy mampiray saina azy ireo. Mampiasa ny fandaminany izy ankehitriny mba hanatanterahana ny fikasany momba ny olombelona. Ahoana àry no amantarana ny fandaminany? Diniho ireto fepetra ireto:

Voalamina mba hanao asa iray ny tena Kristianina. (Matio 24:14; 1 Timoty 2:3, 4) Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny firenena rehetra. Tsy ho vita izany raha tsy misy fikambanana iray mandamina izany maneran-tany. Tsy hisy dikany aminao, ohatra, ny hanome sakafo olona iray. Hila antokon’olona voalamina tsara sy miara-miezaka kosa ianao vao hahavita hanome sakafo olona an’arivony, na an-tapitrisany mihitsy. Miara-manompo “amim-piraisan-kina” àry ny tena Kristianina, mba hamitana an’ilay iraka nampanaovina azy ireo. (Zefania 3:9) Ho vitan’ny olona avy amin’ny firenena sy fiteny ary foko samy hafa ve ny hiara-hiasa raha tsy misy fandaminana voalamina sy mirindra tsara? Mazava ny valin’izany.

Voalamina mba hifanohana sy hifampahery ny tena Kristianina. Afaka mifidy izay tiany haleha ny mpianika tendrombohitra iray, raha mandeha irery. Tsy hila hanara-maso an’ireo mbola tsy tena mahay koa izy amin’izay. Raha misy loza na olana manjo azy anefa, dia ho voa mafy izy satria tsy hisy olona hanampy. Tsy fahendrena àry ny mitokantokana. (Ohabolana 18:1) Mila mifanampy sy mifanohana ny Kristianina raha te hanatanteraka ny didin’i Jesosy. (Matio 28:19, 20) Manome toromarika ara-baiboly tena ilaina, fampiofanana, ary fampaherezana ny fiangonana, mba hanohizan’ny rehetra an’ilay asa ka tsy hilavo lefona. Aiza izy ireo no hahazo toromarika momba ny lalan’i Jehovah sy hanompo azy, raha tsy misy fivoriana voalamina tsara?—Hebreo 10:24, 25.

Voalamina mba hanompo an’Andriamanitra amim-piraisan-tsaina ny tena Kristianina. Lasa “andiany iray” tarihin’i Jesosy ny ondriny rehefa mihaino ny feony. (Jaona 10:16) Tsy miparitaka any amin’ny fiangonana sy antokon’olona mahaleo tena akory izy ireo. Tsy voazarazara koa izy ireo satria hoe tsy mitovy hevitra momba ny fampianarana. ‘Mifanaraka tsara amin’izay lazainy’ kosa izy ireo. (1 Korintianina 1:10) Mila filaminana isika mba hiray saina foana, ary tsy hisy ny filaminana raha tsy misy ny fandaminana. Ireo miray saina toy ny mpirahalahy ihany no hotahin’Andriamanitra.—Salamo 133:1, 3.

Tena tia an’Andriamanitra sy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny olona an-tapitrisany, ka niditra ho anisan’ilay fandaminana mahafeno an’ireo fepetra ara-baiboly ireo sy ny hafa koa. Vahoaka voalamina tsara sy miray saina ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, ka miezaka manao ny sitrapon’Andriamanitra. Mahazo toky toy izao izy ireo: “Honina eo amin’izy ireo aho sady ho eo aminy, dia ho Andriamaniny aho, ary izy ho oloko.” (2 Korintianina 6:16) Hahazo fitahiana toy izany koa ianao raha manompo an’i Jehovah Andriamanitra miaraka amin’ny fandaminany.

[Sary, pejy 13]

Voalamina tsara ny fitobian’ny Israelita

[Sary, pejy 14, 15]

Mila fandaminana ny fanatanterahana ny asa fitoriana eran-tany

Fitoriana Isan-trano

Fanampiana Tra-boina

Fivoriambe

Fanorenana Toeram-pivavahana