Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Fanantenana ho An’ny Maty Ve?

Misy Fanantenana ho An’ny Maty Ve?

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra:

Misy Fanantenana ho An’ny Maty Ve?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Inona no fanantenana ho an’ny maty?

Tamin’i Jesosy tonga tany Betania, akaikin’i Jerosalema, dia efa maty efatr’andro i Lazarosy namany. Nankany amin’ny fasana niaraka tamin’i Marta sy Maria, anabavin’i Lazarosy, i Jesosy. Vetivety dia nisy vahoaka nitangorona teo. Eritrereto ny hafalian’i Marta sy Maria rehefa natsangan’i Jesosy i Lazarosy!—Vakio ny Jaona 11:20-24, 38-44.

Nino i Marta fa hitsangana ny maty. Efa ela koa no fantatry ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika fa hatsangan’Andriamanitra mba hiaina eto an-tany indray ny maty, amin’ny hoavy.—Vakio ny Joba 14:14, 15.

2. Manao ahoana ny olona rehefa maty?

Tsy manana fanahy misaraka amin’ny vatany ny olona sy ny biby, na dia manana fofonaina na “hery mamelona” aza. (Mpitoriteny 3:19; Genesisy 7:21, 22) Zavaboary hita maso avy tamin’ny vovoka isika. (Genesisy 2:7; 3:19) Foana ny eritreritsika rehefa maty ny atidohantsika. Tsy nitantara izay nitranga tamin’izy maty àry i Lazarosy, taorian’ny nananganana azy, satria tsy mahalala na inona na inona ny maty.—Vakio ny Salamo 146:4; Mpitoriteny 9:5, 10.

Hita amin’izany fa tsy mijaly ny maty. Diso àry ilay fampianarana hoe ampijalin’Andriamanitra ny olona efa maty. Manendrikendrika azy izany. Maharikoriko azy ny hoe mampijalijaly olona ao anaty afo.—Vakio ny Jeremia 32:35.

3. Afaka mifampiresaka amin’ny maty ve isika?

Tsy afaka miteny ny maty. (Salamo 115:17) Miresaka amin’ny olona anefa ireo anjely ratsy mba hamitahana azy ireo, ka mody lazainy hoe ny fanahin’ilay maty no miteny. (2 Petera 2:4) Raran’i Jehovah àry ny olona manandrana miresaka amin’ny maty.—Vakio ny Deoteronomia 18:10, 11.

4. Iza no hatsangana amin’ny maty?

Hatsangana ireo olona maty an-tapitrisany, rehefa ao amin’ny tontolo vaovao ho avy. Hatsangana koa ireo nanao ratsy, izay mbola tsy nahalala an’i Jehovah mihitsy.—Vakio ny Lioka 23:43; Asan’ny Apostoly 24:15.

Ho afaka hianatra ny marina momba an’Andriamanitra ireo hatsangana, sady haneho finoana an’i Jesosy sy hankatò azy. (Apokalypsy 20:11-13) Ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo raha manao ny tsara. Mbola hisy hanao ratsy ihany anefa amin’izy ireo. Hotsaraina araka izany àry izy ireo, ka ho fitsanganana “ho amin’ny fanamelohana” ny fananganana azy ireo.—Vakio ny Jaona 5:28, 29.

5. Inona no toetran’i Jehovah ianarantsika avy amin’izany?

Tena azo atsangana ny maty, satria naniraka ny Zanany mba hanome ny ainy ho antsika Andriamanitra. Hita tokoa hoe maneho fitiavana sy hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izy.—Vakio ny Jaona 3:16; Romanina 6:23.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 6 sy 7, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 16]

Noforonina avy tamin’ny vovoka i Adama