Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Niafaran’ilay Nofinofiko

Ny Niafaran’ilay Nofinofiko

Ny Niafaran’ilay Nofinofiko

Notantarain’i Zoya Dimitrova

Faly erỳ aho tamin’izaho 15 taona fa tanteraka ilay nofinofiko hoe hanao cirque ka hitetitety tany. Nisy loza nitranga anefa tamin’ny 4 Septambra 1970. Jejojejo erỳ aho nisidintsidina teny ambony be teny. Tampoka teo anefa dia nitontona tamin’ny tany aho.

TERAKA tamin’ny 16 Desambra 1952 aho, ary niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniko sy ny zokiko vavy iray teto Sofia eto Boligaria. Tany kominista i Boligaria tamin’izany ary nahazo nanaraka izay fivavahana tiany ny olona, saingy tsy tena nampirisihina hanao izany. Tsy nino an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona, ary izay nino kosa nanafina ny zavatra ninoany. Ortodoksa ny fianakaviako, kanefa tsy notezaina tamin’ny fivavahana mihitsy aho sady tsy niraharaha an’Andriamanitra.

Mbola kely aho dia efa tia fanatanjahan-tena, indrindra fa ny atletisma. Nisy lehilahy iray tonga tao am-pianaranay, tamin’izaho 13 taona. Nitady ankizivavy hampiofanina hanao cirque izy. Izaho no nampirisihan’ny mpampianatra fanatanjahan-tena anay. Faly erỳ aho rehefa nentina tamin’ny fiara amerikanin’ilay tompon’andraikitra, mba handeha hoadinadinin’ny mpanazatra maromaro sy hampanaovina fitsapana. Faly be aho fa voafidy. Nanomboka teo dia nanaraka fampiofanana hentitra sy mafy be aho nandritra ny roa taona mahery, ary nitandrina sakafo. Vita ilay fampiofanana tamin’izaho 15 taona, ka nanomboka nandeha nanao fampisehoana aho. Nandeha eran’i Boligaria aho tamin’ny voalohany, ary avy eo tany amin’ireo firenena anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Tonga hatrany Alzeria sy Hongria ary Iogoslavia teo aloha mihitsy aza aho.

Niaina tao anatin’ilay nofinofiko aho nandritra ny telo taona, ary tena nankafiziko izany. Nanao fampisehoana tany Titov Veles tany Macédoine aho no nitranga ilay loza notantaraiko terỳ aloha. Ambony be no nisy ahy sy ilay namako, ary nisy tady nitazona anay. Nihantona nikirazorazo ilay namako ary ny lohany no ambany. Tokony hatsipiny ambony aho sady hahodikondiny, ary tatazany avy eo rehefa tafidina ambany. Tsy voaraiko anefa ny tanany sady tapaka ilay tady niaro ahy, ka nitontona tamin’ny tany avy eny amin’ny enina metatra aho. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly aho, ary hita fa tapaka ny tanako ilany sy ny taolana vitsivitsy tamin’ny taolan-tehezako ary ny hazondamosiko. Tsy tonga saina tsara aho nandritra ny andro maromaro, ka tsy nisy tadidiko izay nitranga. Rehefa tonga saina tsara aho, dia tsapako fa nalemy ny tapany ambany avy teo amin’ny valahako. Mbola tanora anefa aho, ka nanantena foana fa ho afaka handeha indray ary angamba hanao an’ilay asako mihitsy aza, rehefa avy tsaboina na didiana.

Nitsabo tena tany amin’ny toerana samy hafa, fitsaboana aretina mitaiza, aho nandritra ny roa taona sy tapany. Mbola nanantena foana aho hoe ho sitrana. Tsy maintsy nekeko anefa tamin’ny farany hoe tapitra hatreo ilay nofinofiko hitety tany amin’ny fiara. Voatery mampiasa seza misy kodiarana aho izao, ary tsy maintsy nizatra an’izany.

Niova ny fiainako

Be atao foana aho hatramin’izay, ka nieritreritra hoe tsy ho vitako ny hizatra an’izany. Tena ketraka aho satria tsy nanana fanantenana intsony. Nisy tovolahy atao hoe Stoyan tonga teo am-baravarako, tamin’ny 1977. Nampandrosoiko avy hatrany izy rehefa fantatro fa anadahin’ny mpiara-miasa tamiko taloha. Niresadresaka izahay, ary nanontaniany aho raha mbola manantena ny ho sitrana. Efa kivy be tamin’ny fiainana aho, ka namaly fa tsy misy antenaina intsony. Nilaza izy fa Andriamanitra ihany no afaka manampy ahy. Tezitra anefa aho ka namaly hoe: “Raha misy Andriamanitra, maninona aho no hoatr’izao?”

Nohararaotin’i Stoyan izany, mba hiresahana ny fampanantenana kanto ao amin’ny Baiboly, ary tena tsara fanahy izy tamin’izay. Lasa Vavolombelon’i Jehovah mantsy izy, vao haingana, tamin’izy mpanao cirque tany Etazonia. Faly be aho nahafantatra fa ho lasa paradisa ny tany tsy ho ela. Nanohina ny foko ilay hoe: “Tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Apokalypsy 21:4) Tsy andriko erỳ izay hahasitrana ahy! Tonga aho dia nanaiky hianatra Baiboly tsy tapaka. Niova ny fiainako nanomboka teo. Nanana fanantenana ihany aho tamin’ny farany.

Tsy andriko mihitsy ilay fotoana fianarako Baiboly isan-kerinandro. I Stoyan aloha no nampianatra ahy, ary avy eo i Totka, vehivavy Vavolombelona tena tsara fanahy. Nitombo haingana ny fahalalako ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ka nanokan-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra aho. Tsy nisy nahafeno fepetra hanao batisa ahy teto Sofia, ka tsy maintsy niandry ny fitsidihan’ny ranadahy iray avy any Macédoine aho. Natao batisa tao amin’ny koveta be fandroana tato an-tranoko aho tamin’ny 11 Septambra 1978, herintaona teo ho eo taorian’ny nianarako Baiboly. Lasa Vavolombelon’i Jehovah aho rehefa natao batisa, ka tena nahafaly ahy izany. Lasa tena nisy heviny ny fiainako.

Toy ny afo nirehitra tato anatiko ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly. Nazoto niresaka momba ny fanantenako tamin’izay olona tonga tato amiko aho. Nampalahelo anefa fa toa tsy nisy nino ahy. Nieritreritra angamba izy ireo fa mbola tsy niverina tsara ny saiko noho ilay loza nanjo ahy.

Fahadisoana lehibe

Vitsy kely ny Vavolombelon’i Jehovah teto Boligaria tamin’izany, satria voarara ny asan’izy ireo. Tsy nisy fivoriana ara-baiboly azoko natrehina, sady zara raha nifanerasera tamin’ireo nitovy finoana tamiko aho. Tsy tsapako koa hoe mampidi-doza ny mifanerasera amin’ireo tsy manaraka ny fitsipiky ny Baiboly. Nanao fahadisoana lehibe àry aho, vokatr’izany.

Nanenjika ahy foana ny eritreritro, ary tsy zakako ny hoe lasa tafasaraka tamin’i Jehovah Andriamanitra aho. Tena kivy aho sady menatra. Namboraka ny tao am-poko sy nangata-pamelana tamin’i Jehovah àry aho. Nanampy ahy ny anti-panahin’ny fiangonana, tatỳ aoriana, ka nifandray akaiky tamin’i Jehovah indray aho ary faly nanompo azy. Manana fieritreretana madio aho ary afaka manompo an’i Jehovah sy mifanerasera amin’ny fandaminany masina. Tena sarobidy amiko izany!

Sambatra na dia kilemaina aza

Nandrodana an’ilay nofinofiko ho lasa mpanao cirque sy hitety tany, ilay loza nanjo ahy 40 taona lasa izay. Rehefa mitodika ny lasa anefa aho, dia tsy malahelo na manenina ka mieritreritra hoe potika ny fiainako. Ny nofinofiko taloha, dia hoe ho sambatra sy hahomby aho rehefa manao an’ilay asako. Nanampy ahy anefa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, mba hahatakatra fa tsy mitondra soa maharitra izany. Hitako fa tena diso fanantenana ireo mpiara-miasa tamiko taloha, izay nanohy nanao cirque. Izaho kosa nahazo harena tena lehibe, dia ny fifandraisana amin’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona. Faly be mihitsy aho, ary tsy mbola faly toy izany mihitsy, na tamin’izaho nanao fampisehoana aza.

Faly koa aho nahita olon-kafa maro nanjary nahalala ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ka nanokan-tena ho an’i Jehovah, ilay Andriamanitra be fitiavana. Vitsy kely ny Vavolombelon’i Jehovah teto Boligaria, tamin’izaho vao nianatra Baiboly, tamin’ny 1977. Na dia rehefa rava aza ny fitondrana kominista ary efa nekena ho ara-dalàna ny asan’izy ireo tamin’ny 1991, dia mbola latsaky ny zato izy ireo. Tena faly anefa aho mahita fa mitombo foana ny mpitory, ka efa ho 1 800 izy ireo izao.

Mbola betsaka ny asa tokony hatao eto Boligaria, satria maro no te hahalala ny Tenin’Andriamanitra. Manaporofo izany ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, tamin’ny 2010. Tena niavaka ilay izy, satria nahatratra 3 914. Faly aho misaintsaina fa notahin’i Jehovah ireo olom-bitsy, teto Boligaria. Ny masoko mihitsy no nahita fa nitombo “ny kely” ka lasa “firenena mahery”, araka ny Isaia 60:22.

Nisy zavatra hafa koa nahafaly ahy sy tena nisongadina teo amin’ny fiainako. Navoaka tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Miambena Hatrany!”, teto Sofia tamin’ny Aogositra 2009, Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny teny boligara. Anisan’ny nofinofiko ny hanana Baiboly amin’ny fiteniko, ka tanteraka izany. Mazava ho azy fa tena hanampy olona maro eto Boligaria izy io, mba hahalala ny fahamarinana.

Marina fa voafetra ihany ny zava-bitako mba hitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, noho ny kilemako. Tena faly anefa aho miresaka ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny mpiara-monina amiko sy izay tonga ato an-tranoko. Nisy vehivavy iray, ohatra, nandalo teto aminay, indray mandeha, ka nantsoiko avy teo an-davarangana. Nanaiky handroso izy, ary niresaka hevitra maro mampahery avy ao amin’ny Baiboly aho. Tonga dia nanaiky hianatra izy. Tena faly aho rehefa natao batisa izy tatỳ aoriana, ka lasa anisan’ny rahavaviko ara-panahy. Efatra tamin’ny olona nampiako no efa nanokan-tena ho an’i Jehovah.

Miara-mivory tsy tapaka amin’ny ranadahy sy rahavavy zato mahery eo ho eo aho, ary lasa toy ny fianakaviako izy ireo. Izany angamba no mahafaly sy mampahery ahy indrindra. Tsy misy fitaterana manokana ho an’ny be taona sy ny kilemaina anefa atỳ aminay, ka sahirana aho rehefa hivory. Tena velom-pankasitrahana anefa aho, satria misy ranadahy tanora iray be fitiavana mikarakara ahy. Izy no mibata ahy avy ato an-tranoko mankao anaty fiarany, ary avy eo mankao amin’ny efitrano fivoriana. Toy izany koa rehefa mody. Tena misaotra an’i Jehovah aho, satria anisan’izany fianakaviana ara-panahy be fitiavana izany.

Rehefa mitodika ny lasa aho, dia hitako fa nifanohitra tanteraka tamin’izay nonofinofisiko tamin’izaho mbola tanora ny fiainako. Tena sambatra anefa aho izao satria manompo an’i Jehovah, ary manana fanantenana kanto koa amin’ny hoavy. Tena tiako ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe “hahavita hianika tendrombohitra toy ny serfa ny malemy tongotra” rehefa ao amin’ny paradisa eto an-tany. (Isaia 35:6) Matoky tanteraka aho fa hitsambikina avy eto amin’ity sezako misy kodiarana ity, indray andro any, ary ho salama sy hatanjaka tsara. Tsy andriko erỳ izany!

[Teny notsongaina, pejy 30]

‘Mivory tsy tapaka aho, ary izany no mahafaly sy mampahery ahy indrindra’

[Teny notsongaina, pejy 31]

‘Tena nisongadina teo amin’ny fiainako ny namoahana Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny teny boligara’

[Sary, pejy 29]

Nanomboka nanao fampisehoana aho tamin’izaho 15 taona