Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Oviana no Nosoratana ny Baiboly?

Oviana no Nosoratana ny Baiboly?

Oviana no Nosoratana ny Baiboly?

Boky miavaka ny Baiboly. Olona telo arivo tapitrisa mahery no mihevitra azy io ho masina. Nantsoina hoe boky be mpividy indrindra hatramin’izay izy io, satria 6 000 000 000 eo ho eo amin’izy io no natao pirinty (izy manontolo na ny ampahany), ary voadika amin’ny fiteny 2 400 mahery.

MARINA fa ny Baiboly no boky be mpamaky indrindra. Maro anefa ny hevitra miparitaka momba ny fotoana nanoratana azy io, indrindra fa ny Soratra Hebreo izay antsoina matetika hoe Testamenta Taloha. Mety ho efa namaky ny sasany amin’izany ianao tao amin’ny gazety na boky, na nahita manam-pahaizana nanazava izany tamin’ny tele. Ireto misy hevitra sasany:

“Tamin’ny taonjato fahavalo ka hatramin’ny fahenina T.K. [Talohan’i Kristy], na teo anelanelan’ny fotoana niainan’i Isaia sy Jeremia mpaminany no nosoratana ny ankamaroan’ireo boky ao amin’ny Baiboly.”

“Nandritra ny roanjato taona mahery izay, dia nilaza matetika ny manam-pahaizana momba ny Baiboly fa nosoratana sy nakambana saiky nandritra ny vanim-potoana persianina sy grika (taonjato fahadimy ka hatramin’ny faharoa T.K.) ny Soratra Hebreo.”

“Ireo teny rehetra ao amin’ny Soratra Hebreo ankehitriny, dia nosoratana tamin’ny vanim-potoana grika (efa tamin’ny taonjato faharoa ka hatramin’ny taonjato voalohany [T.K.]).”

Mino ny Kristianina fa ny “Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:16) Ahoana àry no tokony ho fahitan’izy ireo an’ireo hevitra mifanohitra ireo? Hodinihintsika izay lazain’ny Baiboly sy ny mpanao tsikera mba hamaliana izany.

Ny daty resahin’ny Baiboly

Misy daty manan-tantara maro be ao amin’ny Soratra Hebreo. Hita avy amin’izy ireny fa nosoratana tamin’ny andron’i Mosesy sy Josoa, 3 500 taona lasa izay, ireo boky voalohandohany ao amin’izy io. Nanoratra koa avy eo i Samoela, Davida, Solomona, ary ny hafa, tamin’ny taonjato faha-11 T.K. Taorian’izay, dia nosoratana ny tantara, tononkalo, ary bokim-paminaniana, tamin’ny taonjato fahasivy ka hatramin’ny fahadimy T.K.

Anisan’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty ny dika mitovy na ampahany amin’ireo boky ao amin’ny Baiboly ireo, afa-tsy ny bokin’i Estera. Nofantarina tamin’ny alalan’ny karbonina radioaktifa sy ny fandinihana ny soratra fahiny ny taona tena nisian’ireo horonam-boky ireo. Voamarina tamin’izany fa tamin’ny taona 200 ka hatramin’ny 100 T.K. tany ho any no nisy ny tranainy indrindra amin’izy ireo.

Inona no lazain’ny mpanao tsikera?

Milaza ny Baiboly fa avy amin’Andriamanitra izy io, ka izay no tena mampisalasala ny olona mahakasika ny fotoana nanoratana azy io. Hoy i Walter Kaiser zanany, manam-pahaizana, ao amin’ny bokiny hoe Fanazavana ny Testamenta Taloha (anglisy): “Tsy azo inoana [ny Baiboly] satria milaza fa avy amin’Andriamanitra sy miresaka momba an’Andriamanitra ary ny fahagagana.” Tokony hodinihina sy hotsikeraina toy ny boky rehetra ny Baiboly, araka ny lazain’ireo manam-pahaizana tsy mino azy io ho avy amin’Andriamanitra.

Nandritra ny fotoana kelikely, dia nampiasaina ny fampianaran’i Darwin momba ny evolisiona mba hanazavana fa nihanivoatra ny fivavahana. Niainga avy tamin’ny fivavahana tamin’ny natiora, hono, izy io, avy eo tamina andriamanitra maro, ary farany tamina Andriamanitra tokana. Miresaka momba ny fivavahana amin’Andriamanitra tokana ireo boky voalohandohany ao amin’ny Baiboly. Misy àry mihevitra fa tsy maintsy ho nosoratana tatỳ aoriana kokoa izy io.

Notsikeraina tamin’ny endriny maro ny Baiboly nanomboka teo. Hita ao amin’ny diksioneran’ny Testamenta Taloha navoaka vao haingana, ohatra, ireo lahatsoratra mitsikera ny tantara ao, ny fomba nanoratana azy, ny tantaran’ireo Boky Dimy Voalohany, ny loharanon’izy io, ary ireo fomba amam-panao voalaza ao.

Tsy mitovy hevitra momba ny fotoana nanoratana ny Baiboly ny manam-pahaizana, kanefa maro no manaiky ny fampianaran’i R. Friedman. Hoy izy: “Nanoratra tononkalo sy lahatsoratra tsotra ary lalàna ireo mpanoratra fahiny, nandritra ny an-jatony taona maro. Avy tamin’ireny no nangalan’ireo mpanoratra hafa hevitra, sy nanaovan’izy ireo ny Baiboly.”

Miresaka momba an’ireny fitsikerana ireny sy ny hafa koa ny boky Finoana, Lovantsofina, ary Tantara (anglisy). Izao anefa no famaranan-tenin’izy io: “Marina fa samy tsy matoky ny Soratra Masina ireo manam-pahaizana, ary matoky tanteraka ny heviny. Tena mifampitsikera koa anefa izy ireo.”

Porofo tsy mifandray amin’ny Baiboly

Nosoratana tamin’ny akora mora simba ireo boky voalohandohany ao amin’ny Baiboly. Tsy azo antenaina ho hita intsony àry ireo asa soratra tany am-boalohany na ireo dika mitovy aminy, tamin’ny andron’i Mosesy, Josoa, Samoela, ary Davida. Azo atao anefa ny mandinika an’ireo porofo ara-tantara tsy mifandray amin’ny Baiboly, toy ny ataon’ireo manam-pahaizana sy mpikaroka maro. Hita amin’ireny porofo ireny mantsy fa mety ny hanekena hoe marina ny daty nolazain’ny Baiboly fa nanoratana azy. Ireto misy ohatra vitsivitsy:

Marina ve fa efa nisy asa soratra tamin’ny andron’i Mosesy sy Josoa, 3 500 taona lasa izay, tany Israely sy ny manodidina? Efa nisy asa soratra momba ny tantara, fivavahana, lalàna, ary zavatra hafa, tany Mezopotamia sy Ejipta fahiny. Ary ahoana ny asa soratr’i Mosesy sy ny Israelita hafa? Hoy ny Diksioneran’ny Testamenta Taloha: Ireo Boky Dimy Voalohany (anglisy): “Tsy misy antony tsy tokony hinoana hoe efa nisy asa soratra tany Kanana tamin’ny [1550 ka hatramin’ny 1200 T.K. tany ho any].” Hoy koa izy io: “Raha jerena ny fomba fanoratra fahiny, dia tsy misy antony ilazana hoe tsy nosoratana [tamin’ny fotoana lazain’ny Baiboly fa nanoratana azy], ireo asa soratra lazaina fa nosoratan’i Mosesy, sy ireo boky hafa [ao amin’ny Soratra Hebreo].”—Eksodosy 17:14; 24:4; 34:27, 28; Nomery 33:2; Deoteronomia 31:24.

Nampiasa loharanon-kevitra fahiny ve ireo mpanoratra Baiboly? Eny. Naka hevitra tao amin’ny ‘boky’ ny sasany. Nety ho bokim-panjakana izy ireny, na bokin’ny tetirazana, na bokin-tantara, na bokim-pianakaviana sy foko.—Nomery 21:14; Josoa 10:13; 2 Samoela 1:18; 1 Mpanjaka 11:41; 2 Tantara 32:32.

Nahoana no tsy nisy hita ireo loharanon-kevitra ara-baiboly tranainy kokoa noho ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty? Hoy ny gazety Ny Arkeolojia sy ny Baiboly (anglisy): “Tsy nisy hita ireo taratasy papyrus sy horonana hoditra avy tany amin’ny faritra maro tany Palestina, afa-tsy ireo avy tany amin’ny tany efitra toy ireo faritra manodidina ny Ranomasina Maty ihany. Simban’ny hamandoana mantsy izy ireny. Tsy midika anefa izany hoe tsy nisy izy ireny.” Potiky ny afo na ny hamandoana ireo taratasy papyrus sy horonana hoditra. Tsy potika kosa ireo tombo-kase tanimanga, izay napetaka tamin’ny taratasy fahiny. An-jatony tamin’izy ireny àry no hita. Efa tamin’ny taonjato fahasivy ka hatramin’ny fahadimy T.K. tany ho any izy ireny.

Ahoana no niarovana an’ireo sora-tanana amin’ny Baiboly? Hoy ilay boky Ny Baiboly Tamin’izany (anglisy): “Ireo tantara, salamo, lalàna, ary faminaniana ao amin’ny Baiboly izay mbola misy hatramin’izao, dia tsy maintsy ho nadika imbetsaka, na dia mbola velona aza ireo mpanoratra Baiboly. ... Nampiasaina izy ireny matoa nadika imbetsaka, tamin’ny mbola teo ireo mpanoratra azy. Nilaina teo amin’ny fiainana andavanandro izy ireny. ... Tsy hisy olona hisahirana handika fotsiny azy ireny tsy amin’antony.”—Deoteronomia 17:18; Ohabolana 25:1.

Midika izany fa nadika imbetsaka ireo boky voalohandohany ao amin’ny Baiboly, hatramin’ny taonjato voalohany Aorian’i Kristy (A.K.). Naharitra efa ho 1 500 taona izany. Nandritra izany, dia “nohavaozina ny fitsipi-panoratana sy ny voambolana tranainy, toy ny fanao tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane fahiny”, hoy ny boky Azo Itokisana ny Testamenta Taloha (anglisy). * Lasa mampisalasala àry ilay fitsikerana mahakasika ny fomba nanoratana ny Baiboly.

Oviana no nosoratana ny Baiboly?

Mety ve ny manizingizina hoe tsy marina ny daty nolazaina fa nanoratana ny Baiboly, satria tsy hita ireo sora-tanana nisy tamin’ny andron’i Mosesy, Josoa, Samoela, ary ny hafa? Manam-pahaizana maro no miaiky fa na dia tsy hita aza izy ireny, dia tsy midika izany hoe tsy nisy izy ireny. Firy amin’ireo akora mora simba izay fanoratana tokoa moa no mety ho mbola voatahiry? Nanombantombana, ohatra, i K. Kitchen, mpikaroka momba an’i Ejipta, fa saiky ny horonana papyrus ejipsianina rehetra nosoratana talohan’ny fitondrana grika sy romanina no potika.

Mety hieritreritra koa ireo manaja ny Baiboly hoe: ‘Ahoana no niheveran’i Jesosy ny Soratra Hebreo?’ Tsy nampiady hevitra mihitsy ny fotoana nanoratana ny Baiboly tamin’izany. Neken’i Jesosy sy ny Jiosy rehetra ireo daty manan-tantara ao amin’ny Soratra Masina. Neken’i Jesosy ve ireo mpanoratra an’ireo boky voalohandohany ao amin’ny Baiboly?

Naka hevitra avy tamin’ny asa soratr’i Mosesy izy. Notononiny, ohatra, ny “bokin’i Mosesy.” (Marka 12:26; Jaona 5:46) Niresaka tantara ao amin’ny Genesisy izy (Matio 19:4, 5; 24:37-39), Eksodosy (Lioka 20:37), Levitikosy (Matio 8:4), Nomery (Matio 12:5), ary Deoteronomia (Matio 18:16). Hoy izy: “Tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nosoratana momba ahy ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ao amin’ny Mpaminany ary ny Salamo.” (Lioka 24:44) Raha nekeny ireo asa soratr’i Mosesy sy ny hafa, dia azo antoka fa nekeny hoe marina ny daty resahin’ny Soratra Hebreo.

Oviana àry no nosoratana ny Baiboly? Azo itokisana ve izay voalaza ao momba ny fotoana nanoratana azy? Hitantsika teo ny tenin’ny mpanao tsikera sy izay lazain’ny Baiboly. Teo koa ireo porofo ara-tantara tsy mifandray amin’ny Baiboly sy ny fomba fihevitr’i Jesosy. Hoy i Jesosy rehefa nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra Rainy: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Rehefa jerena àry izany rehetra izany, ho hita amin’ny valin-teninao ve fa mitovy hevitra amin’i Jesosy ianao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 23 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Mpanao Dika Soratra Fahiny sy ny Tenin’Andriamanitra” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2007, pejy 18-20.

[Tabilao/Sary, pejy 20-23]

(Jereo ny gazety)

(Taona manan-tantara mampiseho ny fotoana tokotokony ho nahavitana ny Baiboly)

2000 T.K.

1800

[Sary]

Mpanao dika soratra ejipsianina nanao boky talohan’ny andron’i Mosesy

[Sary nahazoan-dalana]

© DeA Picture Library / Art Resource, NY

1600

[Sary]

Vitan’i Mosesy tamin’ny taona 1513 T.K. ny bokin’ny Genesisy, nosoratana tamin’ny akora mora simba

Genesisy 1513 T.K.

Josoa

1400

1200

Samoela

1000 T.K.

[Sary]

Tombo-kase tanimanga an-jatony tsy potika

Nisy tamin’ny taona 900 ka hatramin’ny 500 T.K.

Jona

800

Isaia

600

Jeremia

Daniela

[Sary]

Taratasy “papyrus” mivalona, mifatotra tady sy misy tombo-kase tanimanga

Tamin’ny taona 449 T.K.

[Sary nahazoan-dalana]

Brooklyn Museum, Bequest of Theodora Wilbour from the collection of her father, Charles Edwin Wilbour

400

200

[Sary]

Nofonosina lamba rongony ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, ary natao tao anaty siny. Izy ireo no tranainy indrindra amin’ny asa soratra ara-baiboly hita

Nisy tamin’ny taona 200 ka hatramin’ny 100 T.K.

[Sary nahazoan-dalana]

Shrine of the Book, Photo © The Israel Museum, Jerusalem