Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no toa Tsy Misy Dikany ny Fiainana?

Nahoana no toa Tsy Misy Dikany ny Fiainana?

Nahoana no toa Tsy Misy Dikany ny Fiainana?

NAHOANA ianao no tokony hino fa tsy “fiainana poakaty” sy mandalo “toy ny aloka” fotsiny araka ny tenin’i Solomona ny fiainana? (Mpitoriteny 6:12) Mampanantena fiainana tena hisy dikany ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly, izay ahitana fanazavana azo itokisana foana.—2 Timoty 3:16, 17.

Lazain’ny Baiboly amintsika ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ho an’ny tany. Hazavainy koa hoe nahoana no feno tsy rariny sy fampahoriana ary fijaliana eto an-tany. Tena ilaintsika ny mahatakatra an’izany. Tsy fantatry ny olona na tsy raharahainy mantsy ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany sy ny olombelona, ka izay no tena mahatonga azy ireo hihevitra fa tsy misy dikany ny fiainana.

Inona no fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany?

Nataon’i Jehovah Andriamanitra * paradisa tonga lafatra ny tany, mba honenan’ny olombelona lavorary ka hananany fiainana sambatra sy mahafa-po mandrakizay. Mifanohitra amin’izany anefa no inoan’ny ankamaroan’ny olona. Nataon’Andriamanitra hitsapana ny olombelona fotsiny, hono, ny tany raha mendrika ny ho any an-danitra izy ireo na tsia. Tsy izany velively anefa no lazain’ny Soratra Masina.—Jereo ny efajoro hoe  “Tsy Maintsy Mandao ny Tany ve Isika vao Hisy Dikany ny Fiainantsika?” ao amin’ny pejy 6.

Nataon’Andriamanitra araka ny endriny ny lehilahy sy vehivavy voalohany, ka afaka nanahaka ny toetra tsarany. (Genesisy 1:26, 27) Nataony lavorary izy ireo. Nanana izay rehetra nilainy izy ireo mba hananany fiainana misy dikany sy mahafinaritra mandrakizay. Afaka nameno ny tany àry izy ireo ary nanjaka tamin’ny tany manontolo ka nanova azy io ho paradisa, toy ny zaridainan’i Edena.—Genesisy 1:28-31; 2:8, 9.

Fa inona no tsy nety?

Mazava àry fa nisy zavatra ratsy be nitranga. Tsy nanahaka ny toetran’Andriamanitra intsony ny ankamaroan’ny olona. Tsy paradisa mihitsy ny tany. Fa nahoana? Tsy nampiasa tsara an’ilay safidy malalaka nomena azy i Adama sy Eva, ireo ray aman-drenintsika voalohany. Te “ho tahaka an’Andriamanitra” izy ireo ka nanapa-kevitra samirery momba “ny tsara sy ny ratsy.” Nikomy toa an’i Satana Devoly izy ireo tamin’izany.—Genesisy 3:1-6.

Tsy anisan’ny fikasana saro-pantarina efa nalahatr’Andriamanitra mialoha àry ny faharatsiana. Nisy ny faharatsiana rehefa nikomy tamin’ny fitondran’Andriamanitra i Satana sy Adama ary Eva. Namoy ny Paradisa àry ireo ray aman-drenintsika voalohany ary lasa tsy lavorary, ka nanjary mpanota sy maty izy sy ny taranany, dia ny olombelona rehetra. (Genesisy 3:17-19; Romanina 5:12) Izany no nahatonga ny fiainana ho toa tsy misy dikany.

Nahoana no tsy nofoanana avy hatrany ny faharatsiana?

Misy mieritreritra hoe: ‘Nahoana no tsy tonga dia nofoanan’Andriamanitra ny faharatsiana, ka noringaniny fotsiny i Satana sy ireo mpikomy hafa ary namorona olon-kafa indray izy?’ Tena fahendrena ve anefa izany? Ahoana hoy ianao raha misy fanjakana matanjaka iray tonga dia mamono izay manohitra ny fahefany? Tsy hampahatezitra ny olona tia ny rariny ve izany? Mbola hisy lanjany ihany ve ny fitsipika omeny momba ny tsara sy ratsy?

Naleon’Andriamanitra tsy tonga dia namono an’ireo mpikomy. Hendry kosa izy ka navelany handeha ny fotoana mba ho voalamina, indray mandeha tsy miverina, ilay olana nipoitra tany Edena mahakasika ny fomba fitondrany.

Hofoanana ny faharatsiana rehetra

Tadidio fa avelan’Andriamanitra hisy vetivety ihany ny faharatsiana. Fantany mantsy fa vitany ny hanafoana tanteraka ny voka-dratsin’izany, raha vao milamina ilay raharaha lehibe momba ilay fikomiana tamin’ny fitondrany.

Tsy hadinon’Andriamanitra ilay fikasany ho an’ny tany sy ny olombelona. Omeny toky amin’ny alalan’i Isaia mpaminany isika fa Izy no Mpanao ny tany ary “tsy hoe tsy misy antony ny namoronany azy fa nataony honenana.” (Isaia 45:18) Kely sisa dia haveriny ho tonga lafatra toy ny tamin’ny voalohany indray ny tany. Hoporofoiny aloha fa mahay mitondra izy. Ho ara-dalàna raha hampiasa ny heriny izy aorian’izay, mba hanatanterahana ny sitrapony sy hanafoanana tanteraka ny faharatsiana. (Isaia 55:10, 11) Nangataka momba izany i Jesosy Kristy tao amin’ilay vavaka modely. Nampianatra antsika hivavaka izy hoe: “Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:9, 10) Inona no tafiditra amin’izany?

Ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany

‘Handova ny tany ny mpandefitra.’ (Salamo 37:9-11, 29; Ohabolana 2:21, 22) Hovonjen’i Jesosy Kristy “ny mahantra miantso vonjy, mbamin’ny ory.” Hanavotra azy ireo amin’ny “fampahoriana sy ny herisetra” izy. (Salamo 72:12-14) Tsy hisy intsony ny ady, fahafatesana, ranomaso, fanaintainana, ary fijaliana. (Salamo 46:9; Apokalypsy 21:1-4) Hatsangana hiaina eto an-tany ireo olona maro be maty tamin’ny fotoana namelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy. Hahazo an’ireo fitahiana ireo sy ny hafa koa izy ireo.—Jaona 5:28, 29.

Hanafoana ny voka-dratsin’ny fikomian’i Satana i Jehovah. Hofoanany tanteraka izany ka ‘hohadinoina ny fahoriana taloha’, dia izay rehetra mahatonga ny alahelo sy ny fanaintainana. (Isaia 65:16-19) Tena azo antoka izany, satria tsy mandainga Andriamanitra. Tanteraka daholo ny fampanantenany. Tsy ho “zava-poana” sy tsy ho “toy ny misambo-drivotra” intsony ny fiainana amin’izany, fa tena hisy dikany.—Mpitoriteny 2:17.

Ary ahoana kosa ny ankehitriny? Ho hitanao ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa hisy dikany ny fiainanao raha fantatrao izay lazain’ny Baiboly momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

[Efajoro, pejy 6]

 Tsy Maintsy Mandao ny Tany ve Isika vao Hisy Dikany ny Fiainantsika?

Nandritra ny taonjato maro, dia nampianatra ny olona sasany tsy nahalala ny fikasan’Andriamanitra fa tsy maintsy mandao ny tany isika vao hisy dikany ny fiainantsika.

Misy milaza fa “efa nankafy fiainana tsara kokoa” ny fanahy “talohan’ny nidirany tao amin’ny vatan’olombelona.” (Ny Diksionera Vaovaon’ny Teolojia, anglisy) Ny hafa indray milaza fa “nanota” io fanahy io “fony tany an-danitra, ka nogadraina tao amin’ny vatana mba hanasaziana azy.”—Rakipahalalana Momba Ireo Boky Manazava ny Baiboly sy ny Teolojia ary ny Fiangonana (anglisy).

Izao no nampianarin’ireo filozofa grika, toa an’i Socrate sy Platon: Rehefa tafala ao anaty vatan’olombelona ihany ny fanahy vao “tsy hirenireny, ho afaka amin’ny hadalana, ny tahotra, ny faniriana tsy voafehy, ary ny olana hafa mampijaly ny olombelona”, ka hipetraka “mandrakizay miaraka amin’ireo andriamanitra.”—Phédon An’i Platon (anglisy), 81, A.

Nisy filozofa grika nino hoe “vao teraka isika dia efa manana fanahy tsy mety maty.” Nampidirin’ireo mpitondra fivavahana milaza azy ho Kristianina ho anisan’ny fampianarany izany, tatỳ aoriana.—Ny Tantaran’ny Fivavahana Kristianina Eran-tany (anglisy).

Ampitahao amin’ireto fahamarinana lehibe ao amin’ny Baiboly ireto ireo hevitra ireo:

1. Nataon’Andriamanitra ho fonenana maharitra ho an’ny olombelona ny tany, fa tsy toerana fandalovana fotsiny hitsapana an’izay mendrika ny ho any an-danitra. Ho mbola velona teto an-tany tao amin’ny paradisa i Adama sy Eva, raha nankatò ny lalàn’Andriamanitra.—Genesisy 1:27, 28; Salamo 115:16.

2. Fivavahana maro no mampianatra fa manana fanahy tsy hita maso ao anatin’ny vatany ny olombelona. Tsotra kosa anefa ny ampianarin’ny Baiboly hoe noforonina “avy tamin’ny vovoky ny tany” ny olona. (Genesisy 2:7) Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona. Lazain’izy io kosa fa rehefa maty ny olona, dia tsy misy intsony fotsiny. (Salamo 146:4; Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4, 20) Rehefa maty, ohatra, i Adama, ilay lehilahy voalohany, dia niverina ho amin’ny vovoka nanamboarana azy. Niverina ho tsy nisy indray izy.—Genesisy 2:17; 3:19.

3. Tsy miankina amin’ny fananana fanahy tsy mety maty ny hoavin’ny olombelona, fa miankina amin’ny fampanantenan’Andriamanitra fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny paradisa eto an-tany.—Daniela 12:13; Jaona 11:24-26; Asan’ny Apostoly 24:15.