Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Amantarana ny Fivavahana Marina?

Ahoana no Amantarana ny Fivavahana Marina?

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra:

Ahoana no Amantarana ny Fivavahana Marina?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Iray ihany ve ny fivavahana marina?

Fivavahana marina iray ihany no nampianarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy. Toy ny lalana mankany amin’ny fiainana izy io. “Vitsy no mahita” azy io, hoy i Jesosy. (Matio 7:14) Ny fivavahana mampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Teniny ihany no eken’Andriamanitra. Mitovy ny zavatra inoan’ny tena Kristianina rehetra.—Vakio ny Jaona 4:23, 24; 14:6; Efesianina 4:4, 5.

2. Nahoana no samy milaza ho Kristianina daholo ny fivavahana maro isan-karazany?

Nolotoin’ny mpaminany sandoka ny Fivavahana Kristianina, ary nampiasainy hahazoany tombontsoa izy io. Efa nilaza i Jesosy fa mody hiseho ho “ondry” izy ireny, nefa amboadia mpiremby. (Matio 7:13-15, 21, 23) Nanomboka nisy ny Fivavahana Kristianina sandoka rehefa maty ny apostolin’i Jesosy.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:29, 30.

3. Inona no anisan’ny mampiavaka ny fivavahana marina?

Manaiky ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra ny tena Kristianina. Miezaka mafy mampihatra ny toro lalana ao izy ireo. Tsy mampianatra hevitr’olombelona mihitsy àry ny fivavahana marina. (Matio 15:7-9) Tsy mpitari-bato vilam-bava ny tena Kristianina, ka hoe hafa no toriny nefa hafa no ampihariny.—Vakio ny Jaona 17:17; 2 Timoty 3:16, 17.

Manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ny fivavahana marina. Nampahafantatra an’io anarana io i Jesosy. Nampianariny hahalala an’Andriamanitra sy hivavaka mba hanamasinana ny anarany ny olona. (Matio 6:9) Iza no fivavahana mampiasa ny anaran’Andriamanitra any amin’ny faritra misy anao?—Vakio ny Jaona 17:26; Romanina 10:13, 14.

4. Ahoana no amantarana ny tena Kristianina?

Mitory ny Fanjakan’Andriamanitra ny tena Kristianina. Nirahin’Andriamanitra hitory momba an’io Fanjakana io i Jesosy. Izy io ihany no afaka hamaha ny olana mahazo ny olombelona. Niresaka momba an’io Fanjakana io foana i Jesosy mandra-pahafatiny. (Lioka 4:43; 8:1; 23:42, 43) Nasainy nitory momba azy io koa ny mpanara-dia azy. Mpivavaka avy amin’ny fivavahana inona no hitanao mandeha mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra?—Vakio ny Matio 10:7; 24:14.

Tsy anisan’ity tontolo ratsy ity ny mpanara-dia an’i Jesosy. Tsy manao politika izy ireo na miady. (Jaona 17:16) Tsy manahaka ny fanao ratsy na toe-tsain’ity tontolo ity koa izy ireo.—Vakio ny Jakoba 1:27; 4:4.

5. Inona no tena amantarana ny fivavahana marina?

Mifankatia be ny tena Kristianina. Manaja ny olona tsy an-kanavaka izy ireo, satria izany no ianarany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy manohana firenena miady izy ireo, na dia manao an’izany aza matetika ny fivavahan-diso. (Mika 4:1-4) Manome ny fotoanany sy ny fananany kosa izy ireo mba hanampiana sy hampaherezana ny hafa, fa tsy tia tena.—Vakio ny Jaona 13:34, 35; 1 Jaona 4:20, 21.

Iza no mampianatra ny Tenin’Andriamanitra sy manome voninahitra ny anarany, ary mitory hoe ny Fanjakany no hany fanantenana ho an’ny olombelona? Iza no tena mifankatia sy tsy manohana ady? Tsy misy afa-tsy ny Vavolombelon’i Jehovah.—1 Jaona 3:10-12.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 15, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 16]

“Milaza ampahibemaso ho mahafantatra an’Andriamanitra izy ireny, kanefa mandà azy amin’ny ataony.”—Titosy 1:16