Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana i Dorkasy no Tian’ny Olona?

Nahoana i Dorkasy no Tian’ny Olona?

Ampianaro ny Zanakao:

Nahoana i Dorkasy no Tian’ny Olona?

SAMY te ho tian’ny olona isika rehetra. Tia an’izany koa ve ianao?... * Miresaka momba ny vehivavy iray tena tian’ny olona ny Baiboly. Dorkasy no anarany.

Anisan’ny mpianatr’i Jesosy voalohandohany i Dorkasy. Nipetraka tany Jopa any akaikin’ny Ranomasina Mediterane izy. Miala 56 kilaometatra avy eo Jerosalema no misy azy io.

Araka ny hevitrao, nahoana ny olona no tia be an’i Dorkasy?... Milaza ny Baiboly fa nanao zavatra tsara be dia be ho an’ny olona izy. Nanjairany akanjo tsara tarehy ny mpitondratena, izany hoe ny vehivavy efa maty vady. Niresaka momba an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny olona maro koa izy, toy ny nataon’i Jesosy.

Fantatrao ve anefa ny zava-dratsy nitranga tamin’i Dorkasy?... Narary mafy izy ka maty. Nalahelo be daholo ny namany. Naniraka olona vitsivitsy ho any amin’ny apostoly Petera àry ry zareo. Tany amin’ny 16 kilaometatra avy teo no nisy an’i Petera. Nasain’izy ireo nankany amin’i Dorkasy haingana izy. Niakatra tany ambony rihana tany amin’ny nisy an’i Dorkasy izy rehefa tonga. Nitomany ny vehivavy rehetra ary nasehony an’i Petera ny akanjo nozairin’i Dorkasy ho azy ireo.

Nasain’i Petera nivoaka daholo àry ny rehetra. Efa nanao fahagagana izy sy ireo apostoly hafa taloha, saingy mbola tsy nanangana olona tamin’ny maty mihitsy. Araka ny hevitrao, inona àry izao no hataon’i Petera?...

Nandohalika teo akaikin’ilay faty izy ary nivavaka tamin’i Jehovah. Nasainy niarina avy eo i Dorkasy, ary niarina tokoa izy. Natolotr’i Petera azy ny tanany ka natsangany izy. Nasainy niditra avy eo ireo mpitondratena sy ny olon-kafa tao ivelany. Azonao sary an-tsaina ve ny hafalian’izy ireo?...

Inona àry no lesona ianarantsika avy amin’io tantaran’i Dorkasy io? Ho tian’ny olona maro ianao, raha manampy azy ireo. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe ho tia anao Andriamanitra. Ho tadidiny foana ny zavatra tsara nataonao ho an’ny hafa. Hamaly soa anao izy, ka hataony miadana mandrakizay ao amin’ilay tontolo vaovao ho avy ianao.

Vakio ny

Asan’ny Apostoly 9:36-43

Apokalypsy 21:3-5

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toa an’io.