Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tena Mendri-piderana Izy Ireo!”

“Tena Mendri-piderana Izy Ireo!”

“Tena Mendri-piderana Izy Ireo!”

NAHARAY taratasy an’aliny i Adolf Hitler, filoha alemà, nandritra ny fitondrany izay feno habibiana. Nalefa notehirizina tany Moscou any Rosia ny ankamaroan’ireo taratasy ireo tamin’ny 1945, satria ny Rosianina no lasa nifehy ny faritra manodidina an’i Berlin. Nofakafakain’i Henrik Eberle, mpahay tantara, ny maro tamin’ireo taratasy ireo. Tiany ho fantatra mantsy hoe iza avy no nanoratra ho an’i Hitler ary inona no antony. Nolazainy tao amin’ilay boky hoe Taratasy ho An’i Hitler (alemà) avy eo ny heviny.

Hoy ny Pr. Eberle: “Nanoratra ho an’i Hitler daholo na ny mpampianatra sy mpianatra, na ny masera sy mompera, na ny tsy an’asa sy mpanao raharaham-barotra, na ny mpitari-tafika ambony sy miaramila tsotra.” Hoy koa izy: “Misy milaza fa izy no ilay Mesia nateraka indray. Ny hafa indray milaza fa tena faran’izay ratsy toetra izy.” Ary ahoana hoy ireo mpitondra fivavahana, momba ny zava-mahatsiravina nataon’ny Nazia? Mba nanoratra taratasy koa ve izy ireo hanoherana an’i Hitler? Nisy ihany nanoratra saingy vitsy.

Nahita antontan-taratasy avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah eran’i Alemaina kosa i Eberle, tao amin’ilay trano fitehirizana tany Moscou. Vavolombelona avy tany amin’ny tany 50 teo ho eo mihitsy aza no nandefa taratasy sy telegrama 20 000 teo ho eo ho an’i Hitler, mba hanoherana ny fampijalijaliana nataon’ny Nazia tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. An’arivony tamin’izy ireo mantsy no nosamborina, ary an-jatony maro no novonoina sy maty noho ny fampijalijaliana azy ireo. Hoy àry i Eberle: “Hoatran’ny hoe vitsy aloha io isa io raha oharina amin’ireo olona an-tapitrisany nampijalin’ny fitondrana nazia e! Izany anefa no manaporofo fa tena niara-niasa sy tsy nilavo lefona mihitsy izy ireo mba hanoherana ny Nazia. Tena mendri-piderana izy ireo!”