Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hatao Batisa ve ny Zazakely?

Tokony Hatao Batisa ve ny Zazakely?

Manontany ny Mpamaky

Tokony Hatao Batisa ve ny Zazakely?

▪ Hoy i Victoria: “Natahotra aho hoe lasa any amin’ny Limby i John, zandriko lahy.” Nilaza mantsy ny mompera iray fa “lasa any amin’ny Limby mandrakizay i John, satria mbola tsy vita batemy talohan’ny nahafatesany.” Tena mampihorohoro izany! Milaza tokoa ve anefa ny Baiboly fa ho lasa any amin’ny afofandiovana mandrakizay izay zazakely maty nefa mbola tsy natao batisa?

Marina fa milaza ny Baiboly hoe tokony hatao batisa ny Kristianina. Hoy mantsy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Mariho fa tsy maintsy mpianatr’i Jesosy ireo hatao batisa, izany hoe efa nianatra momba azy sy nifidy ny hanaraka azy. Zazakely ve dia hahavita hanao safidy toy izany?

Mbola misy ihany anefa manizingizina fa mihatra amin’ny zazakely koa io didin’i Jesosy io. Hoy i Richard Bucher, pasitera loteranina iray: “Tsy maintsy hatao batisa ny olona rehetra, anisan’izany ny zazakely. ... Raha tsy vita batisa mantsy izy ireo, dia tsy ho voavela heloka fa ho voaheloka mandrakizay any amin’ny afobe.” Mifanohitra amin’ny fampianaran’i Jesosy anefa izany, noho ny antony telo fara fahakeliny.

Voalohany, tsy nampianatra mihitsy i Jesosy hoe tokony hatao batisa ny zazakely. Nahoana isika no milaza an’izany? Nafana fo erỳ izy nampianatra ny mpianany ny didin’Andriamanitra. Namerimberina hevitra lehibe mihitsy aza izy indraindray, satria tiany ho azon’izy ireo tsara ny tiany holazaina. (Matio 24:42; 25:13; Marka 9:34-37; 10:35-45) Tsy nampianatra mihitsy anefa izy, na indray mandeha aza, hoe tokony hatao batisa ny zazakely. Sa ve hadinony ny nilaza an’izany? Sarotra inoana izany! Raha tokony hatao batisa tokoa ny zazakely, dia azo antoka fa ho nilaza an’izany i Jesosy.

Faharoa, tsy nampianatra mihitsy i Jesosy hoe hijalijaly ny olona sasany rehefa maty. Nino an’izao lazain’ny Baiboly izao izy: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5) Fantatr’i Jesosy fa tsy mijalijaly any amin’ny afofandiovana na Limby na afobe na toeran-kafa ny maty. Nilaza kosa izy fa tsy mahalala na inona na inona intsony toy ny olona matory izy ireny.—Jaona 11:1-14.

Fahatelo, nilaza i Jesosy fa hatsangana “izay rehetra any am-pasana.” (Jaona 5:28, 29) Azo antoka fa ho anisan’izany ireo maty an-tapitrisany izay mbola tsy natao batisa mihitsy. Ho afaka hianatra ny didin’Andriamanitra izy ireo rehefa tafatsangana, ka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. *Salamo 37:29.

Tsy mampianatra mihitsy àry ny Baiboly hoe tokony hatao batisa ny zazakely.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Manazava bebe kokoa momba ny Paradisa eto an-tany sy ny fananganana ny maty ny toko 3 sy 7 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.