Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Ahoana no nahazoana an’ilay loko “mena midorehitra” resahina matetika ao amin’ny Eksodosy?

Ny tranolay masina no foiben’ny fivavahana tany Israely fahiny. Lamba no natao rindrina sy nanaronana ny vavahadin’izy io. Lazain’ny Baiboly fa vita tamin’ny “kofehy manga sy volonondry nolokoana volomparasy somary mena sy kofehy mena midorehitra ary kofehy rongony miolana tsara” ireny lamba ireny. (Eksodosy 26:1; 38:18) “Kofehy mena midorehitra” koa no nanamboarana ny “fitafiana masina” nanaovan’ny mpisorona tamin’izany.—Eksodosy 28:1-6.

Bibikely avy amin’ny fianakaviamben’ny Coccidae no nahazoana loko mena midorehitra. Teny amin’ny hazo oaka (Quercus coccifera), tany amin’ny tany manodidina an’i Israely sy ny morontsirak’i Mediterane, no nisy an’ireo bibikely tsy manan’elatra ireo. Ao amin’ny atodin’ny vaviny no misy an’ilay loko mena midorehitra. Lasa hoatran’ny voaroy mitovitovy habe sy bika amin’ny pitipoà ilay bibikely rehefa misy atody, ary mipetaka amin’ny ravina sy rantsan’ny hazo oaka izy. Alaina amin’ny tanana izy ireny ka rehefa potsirina dia mamoaka loko mena midorehitra, izay mety levona anaty rano ary mety tsara handokoana lamba. Nilaza ny mpahay tantara romanina atao hoe Pline Zokiny fa anisan’ny loko mihaja indrindra tamin’ny androny io loko mena midorehitra io.

Iza tamin’ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina no nanatrika ny Pentekosta tamin’ny taona 33?

Lehilahy valo no nanoratra an’io ampahany amin’ny Soratra Masina io, ka toa ny enina tamin’izy ireo no nanatrika ny Pentekosta.

Nanome toromarika ny mpianany toy izao i Jesosy: “Aza miala eto Jerosalema, fa andraso foana ilay nampanantenain’ny Ray.” (Asan’ny Apostoly 1:4) Nankatò an’io toromarika io i Matio sy Jaona ary Petera, izay lasa mpanoratra Baiboly tatỳ aoriana, ka nivory “teo amin’ny toerana iray” niaraka tamin’ny mpianatra hafa. Teo koa ireo rahalahin’i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 1:12-14; 2:1-4) Anisan’izany i Jakoba sy Joda (Jodasy) izay nanoratra boky roa ao amin’ny Baiboly tatỳ aoriana. Nampitondrain’izy ireo ny anarany ireo boky ireo.—Matio 13:55; Jakoba 1:1; Joda 1.

Mitantara i Marka ao amin’ny Filazantsarany fa nisy ankizilahy iray nandositra, tamin’ny alina nisamborana an’i Jesosy. Tsy maintsy ho izy ihany io ankizilahy resahiny io, satria efa samy nandao an’i Jesosy daholo ny mpianatra hafa rehetra talohan’izay. (Marka 14:50-52) Toa anisan’ny mpianatra voalohany àry i Marka, ary mety ho nanatrika an’ilay Pentekosta koa izy.

I Paoly sy Lioka sisa no mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina, ankoatra an’ireo. Mbola tsy anisan’ny mpanara-dia an’i Kristy i Paoly tamin’ny Pentekosta taona 33. (Galatianina 1:17, 18) Toa tsy teo koa i Lioka, satria na izy aza nilaza fa tsy anisan’ny “vavolombelona nahita maso” ny fanompoan’i Jesosy.—Lioka 1:1-3.

[Sary, pejy 22]

Bibikely hangalana loko

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy of SDC Colour Experience (www.sdc.org.uk)

[Sary, pejy 22]

I Petera, nanao lahateny tamin’ny Pentekosta taona 33