Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MANONTANY NY MPAMAKY

Fiainana any An-danitra ve no Nampanantenain’i Jesosy An’ilay Jiolahy?

Fiainana any An-danitra ve no Nampanantenain’i Jesosy An’ilay Jiolahy?

Olona maro no manontany an’izany. Nampanantena mantsy i Jesosy fa hiaina any amin’ny Paradisa ilay jiolahy nofantsihana teo akaikiny. Hoy i Jesosy taminy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:43) Tsy niteny i Jesosy hoe aiza ilay Paradisa. Te hilaza àry ve izy fa hiaraka aminy any an-danitra ilay jiolahy?

Hojerentsika aloha raha mahafeno fepetra ho any an-danitra ilay jiolahy. Tokony hatao batisa amin’ny rano sy ny fanahy masina ny olona ho any an-danitra, ka ho mpanara-dia an’i Jesosy sady ho zanaka natsangan’Andriamanitra. (Jaona 3:3, 5) Tsy maintsy manaraka ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena koa izy, ary tsara toetra. Mila milaza sy manao ny marina, ohatra, izy ary mangoraka ny hafa. (1 Korintianina 6:9-11) Tsy tokony hivadika amin’Andriamanitra sy Kristy koa izy mandra-pahafatiny. (Lioka 22:28-30; 2 Timoty 2:12) Tsy maintsy mahafeno an’ireo fepetra ireo ny olona iray vao hatsangana ho any an-danitra. Olona toy izany ihany no mendrika ny ho mpisorona sy hanjaka miaraka amin’i Kristy, mandritra ny arivo taona. Izany mantsy no andraikitra lehibe miandry an’izay mankany.—Apokalypsy 20:6.

Tsy nahafeno izany fepetra izany anefa ilay jiolahy. Mpanao heloka bevava mantsy izy ary mbola izany ihany izy tamin’izy ho faty. (Lioka 23:32, 39-41) Marina fa nanaja an’i Jesosy izy rehefa nilaza hoe: “Tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.” (Lioka 23:42) Tsy natao batisa tamin’ny rano sy ny fanahy masina anefa izy, ka tsy lasa mpianatr’i Jesosy sady tsy lasa zanak’Andriamanitra. Tsy nanaporofo koa izy teo amin’ny fiainany hoe nanao ny marina sy tsy nivadika. I Jesosy àry ve dia hampanantena hoe ho mpanjaka any an-danitra hiaraka amin’ny mpianany ilay jiolahy, nefa ny mpianany niezaka mafy erỳ mba tsy hivadika?—Romanina 2:6, 7.

Eritrereto, ohatra, hoe nangalatra ny volanao ny lehilahy iray ary nangataka taminao mba hamela ny fahadisoany. Mety hamela azy ianao ka tsy hanasazy azy. Tsy midika anefa izany hoe lasa atokisanao be izy ka anankinanao ny tsenanao na ny fianakavianao. Olona tena atokisanao ihany mantsy no ampanaovinao andraikitra be hoatr’izany. Toy izany koa izay manantena ho any an-danitra. Tsy maintsy asehon’izy ireo amin’ny ataony fa hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra izy rehefa ho lasa mpanjaka hitondra ny olombelona. (Apokalypsy 2:10) Tsy nanao an’izany anefa ilay jiolahy na dia toa tso-po aza izy rehefa niangavingavy an’i Jesosy tamin’izy efa ho faty.

Te hilaza koa ve i Jesosy fa ny androtr’iny ihany ilay jiolahy dia hiaraka aminy ho any an-danitra? Tsy mitombina mihitsy izany satria na i Jesosy aza tsy lasa tany an-danitra tamin’io andro io. Tany “an-kibon’ny tany”, izany hoe tany am-pasana, izy nandritra ny telo andro. (Matio 12:40; Marka 10:34) Na taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty aza, dia mbola tetỳ an-tany izy 40 andro, izay vao nankany an-danitra. (Asan’ny Apostoly 1:3, 9) Tsy nankany an-danitra niaraka tamin’i Jesosy androtr’iny àry ilay jiolahy.

Aiza àry ilay Paradisa halehan’ilay jiolahy? Rehefa hitsangana amin’ny maty izy, dia hiaina eto an-tany, izany hoe ho anisan’ireo olona hanjakan’i Jesosy. Efa paradisa ny tany amin’izay. (Asan’ny Apostoly 24:15; Apokalypsy 21:3, 4) Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny Paradisa sy izay takin’Andriamanitra ianao, dia miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.