Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?

Tsy manambady Andriamanitra ka hoe nanan-janaka tamin’ilay vehivavy. Izy kosa no Mpamorona ny zavamananaina rehetra. Noforoniny mba ho afaka hanahaka ny toetrany ny olombelona. Izany no antony niantsoana an’i Adama, olombelona voalohany, hoe “zanak’Andriamanitra.” Antsoina hoe “Zanak’Andriamanitra” koa àry i Jesosy, satria natao nitovy toetra tamin’ny Rainy izy rehefa noforonina.—Vakio ny Lioka 3:38; Jaona 1:14, 49.

Oviana i Jesosy no noforonina?

Noforonina talohan’i Adama i Jesosy. Namorona azy aloha Andriamanitra, dia avy eo nampiasa azy hanao ny zavatra hafa rehetra, anisan’izany ny anjely. Izany no mahatonga ny Baiboly hiantso azy hoe “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” noforonin’Andriamanitra.—Vakio ny Kolosianina 1:15, 16.

Anjely tany an-danitra i Jesosy talohan’ny nahaterahany tany Betlehema. Nafindran’Andriamanitra tao an-kibon’i Maria ny ainy tatỳ aoriana, mba ho lasa olombelona.—Vakio ny Lioka 1:30-32; Jaona 6:38; 8:23.

Nahoana i Jesosy no nataon’Andriamanitra lasa olombelona? Inona no asa manokana efa vitany? Mamaly an’ireo fanontaniana ireo ny Baiboly. Hahafantatra bebe kokoa an’Andriamanitra sy Jesosy ianao raha mandinika an’izany, ary hankasitraka bebe kokoa izay nataon’izy ireo ho anao.