Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Hatsangana ny Maty

Mbola Hatsangana ny Maty

Milaza ny Baiboly fa hatsangana ny maty. Mino izany ve ianao? * Na ilay hoe mbola hihaona amin’ireo olona tiantsika nodimandry fotsiny aza dia efa mety hahaliana antsika. Tena hitranga ve anefa izany? Andeha àry aloha hojerentsika ny ohatr’ireo apostolin’i Jesosy Kristy.

Tena nino ny fitsanganana amin’ny maty izy ireo. Nahoana? Noho ny antony roa, fara fahakeliny. Voalohany, natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ary niseho tamin’ireo apostoly sy “rahalahy maherin’ny dimanjato.” (1 Korintianina 15:6) Asehon’ireo Filazantsara efatra koa fa maro no nanaiky sy afaka nanaporofo hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy.—Matio 27:62–28:20; Marka 16:1-8; Lioka 24:1-53; Jaona 20:1–21:25.

Faharoa, hitan’ireo apostoly nanangana ny maty i Jesosy. Olona telo, fara fahakeliny, no natsangany, ka ny voalohany tany Naina, ny faharoa tany Kapernaomy, ary ny farany tany Betania. (Lioka 7:11-17; 8:49-56; Jaona 11:1-44) Noresahina tany am-piandohan’ity gazety ity ilay tany Betania, ary naman’i Jesosy ilay fianakaviana niharam-boina. Andeha hojerentsika bebe kokoa izay nitranga.

“IZAHO NO FANANGANANA NY MATY”

Hoy i Jesosy tamin’i Marta, anabavin’i Lazarosy: “Hitsangana ny anadahinao.” Efa maty efatra andro i Lazarosy tamin’izay. Tsy azon’i Marta ny tian’i Jesosy holazaina. Nihevitra izy hoe mbola amin’ny hoavy izany no hitranga, ka hoy izy: “Fantatro fa hitsangana izy.” Hoy i Jesosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.” Gaga i Marta, avy eo, fa natsangan’i Jesosy tamin’ny maty ny anadahiny.—Jaona 11:23-25.

Taiza i Lazarosy nandritra izay efatra andro izay? Tsy nilaza izy hoe mbola velona tany ho any. Tsy nankany an-danitra koa izy, satria tsy manana fanahy tsy mety maty ny olona. Rehefa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesosy dia tsy hoe naveriny tetỳ an-tany indray izy, nefa efa sambatra tany akaikin’Andriamanitra. Taiza àry i Lazarosy? Natory tao am-pasana izy.—Mpitoriteny 9:5, 10.

Tsaroanao angamba fa nampitahain’i Jesosy tamin’ny torimaso ny fahafatesana, ka toy ny hoe fohazina ilay olona rehefa hatsangana amin’ny maty. Hoy ny Baiboly: “ ‘Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy.’ Dia hoy ny mpianany: ‘Tompo ô, ho sitrana izy raha  matory.’ Ny fahafatesany anefa no nolazain’i Jesosy, fa ireo kosa nihevitra hoe ny fialan-tsasatra amin’ny torimaso. Tamin’izay, dia notsorin’i Jesosy hoe: ‘Maty i Lazarosy.’ ” (Jaona 11:11-14) Novelomin’i Jesosy i Lazarosy ka tafaraka tamin’ny fianakaviany indray. Tena nanao soa tamin’io fianakaviana io i Jesosy.

Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy, ary santionan’ny zavatra mbola hataony amin’ny hoavy ny fananganana amin’ny maty nataony tetỳ an-tany. Hovelominy indray ireo matory ao amin’ny fasana misy ny maty rehetra, rehefa hanjaka etỳ an-tany izy. Izany no antony nilazany hoe: “Izaho no fananganana ny maty.” Saintsaino ny hafalianao rehefa hahita indray an’ireo olona tianao ianao! Eritrereto koa ny fifaliana ho tsapan’ireo hatsangana amin’ny maty.—Lioka 8:56.

Saintsaino ny hafalianao rehefa hahita indray an’ireo olona tianao ianao!

HIAINA MANDRAKIZAY IZAY MINO

Hoy i Jesosy tamin’i Marta: “Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka maneho finoana ahy dia tsy ho faty mihitsy.” (Jaona 11:25, 26) Ho afaka hiaina mandrakizay ireo hatsangan’i Jesosy mandritra ny fanjakana arivo taona, raha tena mino azy.

“Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.”—Jaona 11:25

Rehefa avy nilaza an’ireo teny ireo i Jesosy dia nanontany an’i Marta hoe: “ ‘Mino izany ve ianao?’ Hoy izy: ‘Eny, Tompo ô! Mino aho fa ianao no Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra.’ ” (Jaona 11:26, 27) Tianao koa ve ny hino ny fitsanganana amin’ny maty toa an’i Marta? Mila mianatra momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona aloha ianao. (Jaona 17:3; 1 Timoty 2:4) Hanam-pinoana ianao amin’izay. Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah raha tianao ny hahafantatra izay ampianarin’ny Baiboly momba an’io foto-kevitra io. Ho faly izy ireo hiara-midinika aminao momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. *

^ feh. 2 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mbola Misy ny Fanantenana”, ao amin’ny pejy 6 amin’ity gazety ity.

^ feh. 12 Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fitsanganana amin’ny maty, dia jereo ny toko 7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.