Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Nahoana no mahasoa antsika ny nahafatesan’i Jesosy?

Noforonin’Andriamanitra hiaina mandrakizay eto an-tany ny olona, ka tsy harary na ho faty mihitsy. Tsy nankatò ny Mpamorona anefa i Adama, ilay lehilahy voalohany, ka lasa tsy afaka niaina mandrakizay. Mety maty toa azy koa isika satria taranany. (Romanina 5:8, 12; 6:23) Nirahin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ho etỳ an-tany i Jesosy Zanany mba ho faty ka hamerina an’izay nafoin’i Adama.—Vakio ny Jaona 3:16.

Maty i Jesosy mba hahafahan’ny olona hiaina mandrakizay. Hoatran’ny ahoana izany fiainana mandrakizay eto an-tany izany, araka ny hevitrao?

Afaka mahazo famelan-keloka sy miaina mandrakizay isika, noho i Jesosy maty ho antsika. Resahin’ny Baiboly hoe hoatran’ny ahoana ny fiainana eto an-tany amin’ny hoavy, rehefa tsy hisy intsony ny antitra sy ny marary ary ny maty.—Vakio ny Isaia 25:8; 33:24; Apokalypsy 21:4, 5.

Ahoana no tokony hahatsiarovana ny nahafatesany?

Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany, fa tokony hanao fandaharana tsotsotra hahatsiarovana ny nahafatesany izy ireo. Isaky ny manao an’izany isika isan-taona, dia ho tsapantsika hoe tena tia ny olombelona i Jehovah sy Jesosy.—Vakio ny Lioka 22:19, 20; 1 Jaona 4:9, 10.

Mitsingerina amin’ny alatsinainy 14 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, amin’ity taona ity. Asaina ianao hanatrika izany miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo.—Vakio ny Romanina 1:11, 12.