Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontaniana Ara-baiboly

Fanontaniana Ara-baiboly

Inona no antony namoronana ny tany?

Tian’Andriamanitra hatao toerana hiadanan’ny olona ny tany

Azo iainana tsara ny planeta misy antsika. Ampy tsara ny rano ary tena ilaina izy io mba hivelomana. Tsy lasa mivaingana ny ranomasina na hoe ritran’ny hafanana, noho ny fihodinan’ny tany eo amin’ny masoandro sy ny lalana ihodinany ary noho ilay izy somary mitongilana kely. Miaro ny tany amin’ny taratra mahafaty koa ny atmosfera sy ny sahan’andriamby. Tsy izay ihany fa mifampiankina ny fiainan’ny biby sy ny zavamaniry, ary tena mahavariana ilay izy. Maro àry no miaiky fa misy antony matoa noforonina ny tany.—Vakio ny Isaia 45:18.

Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Efa anisan’ny fikasan’Andriamanitra tamin’izy namorona ny tany koa ve ny fijaliana sy ny tsy rariny?’—Vakio ny Deoteronomia 32:4, 5.

Ho tanteraka ihany ve ny zavatra nokasain’Andriamanitra hatao ho an’ny tany?

Noforonin’Andriamanitra ny tany, mba hipetrahan’ny olona mifanaja sy tia azy. Miavaka kokoa àry ny antony namoronana ny olona, fa tsy toy ny an’ny biby sy ny zavamaniry. Afaka mahafantatra ny Mpamorona isika, sady afaka ny ho tia ny toetrany ka ho be fitiavana sy tia rariny toa azy.—Vakio ny Mpitoriteny 12:13; Mika 6:8.

Mahavita manatanteraka an’izay rehetra kasainy hatao ilay Mpanao antsika. Matokia àry fa hanala ny fijaliana sy ny tsy rariny izy ka hataony toerana hiadanan’ny olona ny tany.—Vakio ny Salamo 37:11, 29; Isaia 55:11.