Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nankaiza Ireny Razambentsika Ireny?

Nankaiza Ireny Razambentsika Ireny?

NISY matoan-dahatsoratra nanaitra toy izao tao amin’ny gazety koreanina iray: “Nankany Amin’ny Afobe ve i Shim Cheong Satria Tsy Nahalala An’i Jesosy?”

Nahatezitra ny olona io lohateny io. Ankizivavy be mpitia mantsy i Shim Cheong ary ao amin’ny lovantsofina koreanina ny tantarany. Jamba ny rainy, ary nanao vivery ny ainy izy mba hanampiana azy io. Efa an-taonany maro ny olona no nidera an’i Shim Cheong. Noheverina ho zanakavavy fakan-tahaka izy tany Korea satria be fandavan-tena.

Maro no mihevitra fa tsy rariny sady manafintohina, raha olona hoatr’izany no sazina any amin’ny afobe satria fotsiny hoe tsy Kristianina vita batisa. Efa maty ela be koa izy vao nisy fitoriana momba an’i Kristy tao an-tanànany.

Nisy fanadinadinana mpitondra fivavahana tao amin’ilay lahatsoratra. Nanontaniana izy raha nosazina any amin’ny afobe daholo izay olona maty nefa tsy mba afaka nianatra momba an’i Jesosy. Hoy izy: ‘Tsy fantatsika izany, fa mety ho efa nanao fandaharana momba an’ireny olona ireny Andriamanitra.’

INONA NO ILAINA MBA HAHAZOANA FAMONJENA?

Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy): “Ilaina mba hahazoana famonjena ny batemy. I Kristy mihitsy no nilaza fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra (Jn 3:5).” Misy àry mino hoe rehefa maty ny olona tsy vita batisa dia hatsipy any amin’ny afobe, na hampijalijalina amin’ny fomba hafa.

Maro anefa no mihevitra fa tsy mitombina izany. Olona an-tapitrisany mantsy no maty nefa tsy nahalala Baiboly akory. Dia rariny ve raha ampijalijalina mandrakizay izy ireo? Inona no lazain’ny Baiboly?

INONA NO AMPANANTENAIN’NY BAIBOLY?

Resahin’ny Baiboly ny fiheveran’Andriamanitra ny olona maty nefa tsy mba nahalala ny fitsipiny. Hoy ny Asan’ny Apostoly 17:30: ‘Tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana toy izany Andriamanitra.’ Inona àry no ampanantenain’ny Baiboly momba an’ireo maty nefa tsy afaka nianatra momba an’Andriamanitra?

Inona no dikan’ilay tenin’i Jesosy hoe “hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao”?

Ho fantatsika izany raha jerentsika ny tenin’i Jesosy tamin’ilay jiolahy nofantsihana teo akaikiny. Hoy ilay lehilahy taminy: “Tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.” Dia hoy i Jesosy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”—Lioka 23:39-43.

Tsy nampanantena akory i Jesosy hoe ho any an-danitra ilay lehilahy. ‘Tsy nateraky ny rano sy ny fanahy’ mantsy izy, nefa izany no fepetra takina mba hidirana ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. (Jaona 3:3-6) Te hilaza kosa i Jesosy hoe ho velona indray izy, fa ao amin’ny Paradisa. Jiosy io lehilahy io, ka azo inoana fa fantany tsara ilay Paradisa teto an-tany, na ny zaridainan’i Edena, izay resahin’ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly. (Genesisy 2:8) Nampanantena an’io lehilahy io àry i Jesosy hoe hatsangana izy rehefa ho lasa Paradisa indray ny tany.

Nilaza koa ny Baiboly fa hisy “fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Ny olona tsy nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra satria tsy nahalala ny sitrapony no antsoina hoe “tsy marina.” Hatsangan’i Jesosy izy ireny, anisan’izany ilay jiolahy niresaka taminy sy ny olona maty an-tapitrisany, na an’arivony tapitrisa, izay tsy nahalala ny sitrapon’Andriamanitra. Hipetraka eto amin’ny tany paradisa izy ireo ary hampianarina ny fitsipik’Andriamanitra. Ho afaka hanaporofo izy ireo amin’izay hoe tia an’Andriamanitra, rehefa mankatò ny didiny.

 HANAO AHOANA NY HOAVIN’NY “TSY MARINA”?

Ny zavatra nataony taloha ve no hitsarana ny olona tsy marina rehefa hatsangana izy ireo? Tsia, satria milaza ny Romanina 6:7 fa “izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.” Efa nahonitra ny ratsy nataony ny olona tsy marina rehefa maty. Tsy izay nataony tamin’izy mbola velona àry no hitsarana azy, satria mbola tsy nahalala izy tamin’izany. Hotsaraina arak’izay hataony aorian’ny hananganana azy kosa izy ireo. Inona no soa ho azony avy amin’izany?

Ho afaka hianatra ny lalàn’Andriamanitra izy ireo. Hisy horonam-boky an’ohatra hovelarina amin’izany ka ao no hahitana an’ilay lalàna. Ho hita eo raha mankatò izy ireo na tsia, dia “araka izay nataony” no hitsarana azy. (Apokalypsy 20:12, 13) Maro amin’ny olona tsy marina àry no amin’io mihitsy vao ho afaka hianatra sy hanao ny sitrapon’Andriamanitra, mba hahazoany fiainana mandrakizay.

Nanampy olona maro hino an’Andriamanitra indray io fampianaran’ny Baiboly io. Anisan’izany i Yeong Sug. Katolika nafana fo izy hatramin’ny fahakeliny. Maro tamin’ny havany no mompera. Te ho lasa masera izy, ka niofana tany amin’ny tranon-drelijiozy. Naleony anefa niala satria nandiso fanantenana azy ny zavatra hitany tany. Tsy neken’ny sainy koa ny fampianarana momba ny afobe. Tsy rariny sady haratsiam-panahy, hono, izany mampijaly olona any amin’ny afobe izany.

Tatỳ aoriana, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah nampiseho an’i Yeong Sug an’ity andinin-teny ity: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona, sady tsy mahazo valin-kasasarana intsony.” (Mpitoriteny 9:5) Lasa takany hoe tsy mijaly any amin’ny afobe ny razambeny. Tsy mahatsiaro tena kosa izy ireo, ary miandry ny hananganana azy.

Fantatr’i Yeong Sug fa mbola betsaka no tsy nandre ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Mitory ny vaovao tsara àry izy izao, ka miresaka amin’ny olona an’ilay fampanantenana kanto ao amin’ny Baiboly. Narahiny mantsy ilay tenin’i Jesosy hoe: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14.

“TSY MIZAHA TAVAN’OLONA ANDRIAMANITRA”

Milaza ny Baiboly fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) “Tia ny rariny sy ny hitsiny” Andriamanitra, ka matoky isika rehetra fa hampihatra ny rariny izy.—Salamo 33:5.