Hira 25
Famantarana ny Mpianatr’i Kristy
1. Misy lalàna iray, tadidio,
Mpanjakan’ny lalàna izy io.
Izany dia ny fitiavana,
Io ilay famantarana.
Aok’àry ’sika hifankatia,
Fa ’zay no didin’i Kristy.
Izy tokoa nahafoy ny ainy,
Tena tiantsika ny toe-tsainy.
2. ’Zay tena tia dia mahari-po,
Manampy ny malemy koa.
Trosa tsy maintsy aloa tokoa
Ny fitia vokatry ny fo.
Io no fatorana mampiray,
Tsy levona mandrakizay.
Tsisy fitiavana toy izany,
Afa-tsy amintsika ihany.
(Jereo koa ny Rom. 13:8; 1 Kor. 13:8; Jak. 2:8; 1 Jaona 4:10, 11.)