HIRA 157
Fiadanana Ihany Eran-tany!
1. Raha ny manodidina ahy,
Toa manjombon-dava:
Korontana sy fahoriana.
’Zaho ’ndray ’nefa mino,
Tsy ho ela io dia hisava,
Hazava ny andro,
hibaliaka.
(FIVERENANA)
N’aiza n’aiza eto an-tany,
Tony tsisy ahiahy,
Hilamin-tsaina hatrany.
Ny any an-tampon-kavoana,
Ny any an-dohasaha,
Ho fiadanana ihany
Eran-tany.
2. Rehefa hisolo vaovao
’Zao rehetra izao,
Dia hifankatia ny olona ao;
Ka ’zay eto an-tany
Sy ny any an-danitra any,
Dia hiadana tsisy hoatr’izany!
(FIVERENANA)
N’aiza n’aiza eto an-tany,
Tony tsisy ahiahy,
Hilamin-tsaina hatrany.
Ny any an-tampon-kavoana,
Ny any an-dohasaha,
Ho fiadanana ihany
Eran-tany.
(FIVERENANA)
N’aiza n’aiza eto an-tany,
Tony tsisy ahiahy,
Hilamin-tsaina hatrany.
Ny any an-tampon-kavoana,
Ny any an-dohasaha,
Ho fiadanana ihany.
(FIVERENANA)
N’aiza n’aiza eto an-tany,
Tony tsisy ahiahy,
Hilamin-tsaina hatrany.
Ny any an-tampon-kavoana,
Ny any an-dohasaha,
Ho fiadanana ihany
Eran-tany,
Eran-tany!
(Jereo koa ny Sal. 72:1-7; Isa. 2:4; Rom. 16:20)