HIRA 149
Hiram-pandresena
-
1. Derao Jehovah Fa izy no Mahery Indrindra.
Naringany avokoa Ireo tafik’i Farao.
Tsisy toa azy,
Ny anarany atao hoe Jehovah,
Ary hiram-pandresena
Atao ho azy irery ’zao.
(FIVERENANA)
Jehovah ô, tsy misy hoatr’anao,
Ry Avo Indrindra, tsy miova hatrizay.
Ny anaranao no hohamasininao,
Tsy ho ela ianao handresy indray.
-
2. ’Reo firenena ’Zay manohitr’azy eto an-tany,
Haringany ihany koa
Amin’ny Hara-magedona.
Hoporofoiny
Fa izy tokoa no Jehovah,
Ilay Mahery Indrindra,
Ary mbola handresy foana.
(FIVERENANA)
Jehovah ô, tsy misy hoatr’anao,
Ry Avo Indrindra, tsy miova hatrizay.
Ny anaranao no hohamasininao,
Tsy ho ela ianao handresy indray.
(Jereo koa ny Sal. 2:2, 9; 92:8; Mal. 3:6; Apok. 16:16.)