HIRA 31
Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitrao!
(Mika 6:8)
-
1. Mba tianao ve ny hiara-mandeha
Amin’Andriamanitrao?
Ny manetry tena sy mahafoy tena
No tiany hiezahanao.
Fikiro mafy ny Teniny
Dia tsy ho very ianao.
Ekeo Jehovah ary avelao
Mba handray ny tananao.
-
2. Tianao ve ny mba hiara-dia,
Akaikin’ilay Rainao?
Ho madio am-po, ho tia mankatò
No tiany ho tanjonao.
’Zay tsara sy ’zay mahatehotia,
Saintsaino sy hevero.
Hampiany ianao, homeny hery.
Ny fakam-panahy tohero.
-
3. Saintsaino ange hoe miarak’eny
Ianao sy ’lay Ray tianao!
Tsy misy mahafaly mihoatra an’izany,
Hoe izy ho Namanao.
Manaova hira fisaorana;
’Zay tsapanao kaloy.
An’i Jehovah mantsy ianao,
Ny hafalianao asehoy.
(Jereo koa ny Gen. 5:24; 6:9; Fil. 4:8; 1 Tim. 6:6-8.)