Hira 152
Ianao no Tokinay
-
Ry Jehovah ô, tao am-ponay
ilay fanantenana,
Dia niredareda toy ny afo,
zarainay fa tsy tana.
Nefa mafy koa ny iaretanay,
mampamoy fo ’ndraindray.
Ka ’lay afo tao am-ponay,
toa nitsilopy indray.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ianao ’lay aro sy andry
iankinanay,
Mitantana anay, toy ny ray.
Miadan-tsaina izahay
manao ny asanao,
satria ianao no tokinay.
-
Hatanjaho, Jehovah, ny fonay
f’ianao tsy hamela irery,
Ary hanampy anay mba hisetra
izay tadio mahery.
’Zay no hampiredareda indray
ilay afo saika maty,
Ka ho sahy hitory izahay
fa tony ny ao anaty.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ianao ’lay aro sy andry
iankinanay,
Mitantana anay, toy ny ray.
Miadan-tsaina izahay
manao ny asanao,
satria ianao no tokinay.
(Jereo koa ny Sal. 72:13, 14; Ohab. 3:5, 6, 26; Jer. 17:7.)